Ny
Tany
(marika:
) dia ny
planeta
fahatelo raha ny elanelany amin' ny
Masoandro
no heverina ary izy irery ankehitriny no fantatra fa onenan-java-miaina eo amboniny. Ny tany dia niforona tamin' ny 4,5 lavitrisa taona lasa; anisan' ny planeta vato eto amin' ny
Rafitry ny Masoandro
izy io. Ny telo hafa dia i
Merkiora
sy i
Venosy
ary i
Marsa.
Mampihodina ny Tany amin' ny Masoandro ny lanja lehiben' ny Masoandro, tahaka ny lanja lehiben' ny Tany mampihodina ny
Volana
manodidina azy. Ny isan' ny
andro
ihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro dia 365,25 andro eo ho eo. Izay no antsoina hoe herintaona. Ny isan' ny andro ihodinan' ny Volana manodidina ny Tany dia 27,33 andro. Izay no niavian' ny hoe
volana
anondroana fotoana.
Ny Tany no planeta tena ahitana
rano
mikoriana eto amin' ny Rafitry ny Masoandro, ary 71 % amin' ny velarany manontolo no misy izany. Izay koa no iantsoana ny Tany ho "planeta manga".
Eto amin' ny Tany dia ahitana karazana zava-miaina eo amin' ny 14 tapitrisa eo ho eo. Eo amboniny no tena iainan' ny ankamaroan' izy ireo, ary misy ihany koa ireo karazan-java-miaina miaina any ambanin' ny tany. Niova be mihitsy ny zava-miaina teto an-tany. Ohatra, tany am-boalohany, ny sianobakteria dia nanova ny soson-drivotra iainana ary nanome oksizenina.