Eoropa

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin' i Eoropa sy ny tany manodidna azy

I Eoropa dia kontinenta hita manontolo ao amin' ny ila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin' ny taniny ao amin' ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kontinentan' i Azia avy ao atsinanana, ny Ranomasina Mediteranea avy ao atsimo, ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasin' i Norvezy avy ao andrefana, ary ny Ranomasimbe Arktika avy ao avaratra i Eoropa. Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eoropa ka ahitana an' i Eoropa Avaratra , i Eoropa Andrefana , i Eoropa Afovoany , i Eoropa Atsinanana ary i Eoropa Atsimo .

I Eoropa eo anivon' izao tontoloo izao

Lazaina matetika fa anisan' ny kontinenta enina misy eto an-tany i Eoropa. Izy io dia ny faritra andrefana amin' i Eorazia na faritra avaratra ao amin' ny kontinentan' i Afro-Eorazia , arakaraky ny fomba fijery. Ny solonan' arany dia hoe " Tontolo Tranainy ", satria mifanohitra amin' ny " Tontolo Vaovao " (zany hoe i Amerika ). Ao Eoropa dia misy kolontsaina maromaro manana fianjadiana sy lova iraisana. Kontinenta faharoa kely indrindra eto an-tany i Eoropa amin' ny lafiny velaran-tany (10,18 tapitrisa km 2 ), na 2 %n' ny velaran' ny tany maina na 6,8 %n' ny velaran' ny Tany , raha atambatra ao ny velaran' ny ranomasina rehetra. Misy firenena dimampolo ao Eoropa, ary i Rosia no ngeza indrindra amin' ireo na amin' ny lafiny isan 'ny mponina na amin' ny lafiny velaran-tany, ary i Vatikana no firenena kely indrindra amin' ireo, na amin' ny lafiny isa-mponina na amin' ny lafiny velaran-tany. I Vatikana koa no firenena kely indrindra eto an-tany. Araka ny Firenena Mikambana dia mety milatsaka ho 7 % ny tahan' ny isan' ny mponina ao Eoropa amin' ny 2050 raha 25 % izany tamin' ny taona 1900, 25 %.

Ny Tampolin'i Apollo

Any Eoropa, i Grisia Taloha no toerana nahaterahan' ny kolontsaina eoropeana. Nahazo lanja ireo firenena eoropeana tamin' ny taonjato faha-16, indrindra taorian' ny fiantombohan' ny fanjanahan-tany . Teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy ny taonjato faha-20, ireo firenena eoropeana dia nanana zanatany tany Amerika (indrindra tamin' ny taonjato faha-17 sy faha-18), tao amin' ny ankabeazan' i Afrika , tao Oseania , ary tao amin' ny tapany avaratra sy atsimon' i Azia . Ny Ady Lehibe rehetra dia niainga avy tao Eoropa, nampahazo lanja an' i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika teo anivon' ny taonjato faha-20. Nandritra ny Ady Mangatsiaka dia voazara roa i Eoropa: ny faritra andrefana dia ao amin' ny OTAN ary ny faritra atsinanana dia entin' ny Dinan' i Varsovia , nampihidy ny Fiaro Vy ("Rideau de Fer" amin' ny teny frantsay ).

Fizaram-paritra ao Eoropa [ hanova | hanova ny fango ]

Eoropa Andrefana [ hanova | hanova ny fango ]

I Eoropa Andrefana dia faritra mamondrona ireo firenena mananana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika . Amin' ny lafiny ara-tantara, i Eoropa Andrefana dia ireo firenena nanana fifandraisana diplomatika tamin' i Etazonia nandritry ny Ady Mangatsiaka , fa naitatra izy mba ho tafiditra ao ny firenena tsy momba ny atsy na ny aroa toa an' i Soisa ; manomboka mifafa izany sary izany tamin' ny fanitarana ny Vondrona Eoropeanina . Ireto avy ireo firenena isan' i Eoropa Andrefana: i Alemaina , i Aotrisy , i Belzika , i Danemarka , i Espaina , ny Fanjakana Mitambatra , i Finlandy , i Frantsa , i Irlandy , i Islandy , i Italia , i Liechtenstein , i Loksemborga , i Nederlandy , i Norvezy , i Portogaly , i Soeda , ary i Soisa .

Eoropa Avaratra [ hanova | hanova ny fango ]

I Eoropa Avaratra dia faritra ao amin' ny tapany avaratra amin' i Eoropa izay ahitana ireo firenenena manana ny kolontsaina sy ny fiteny skandinaviana ( Norvezy , Danemarka , Soeda sy Islandy ) ary ny fiteny fenika ( Finlandy sy Estonia ).

Eoropa Atsimo [ hanova | hanova ny fango ]

I Eoropa Atsimo dia faritra ara-jeografia na ara-jeopolitika izay mahafaoka ny ampahany atsimo amin' i Eoropa. Isan' izany ireo firenena sy fanjakana hita ao amin' ny saikanosy mediteraneana telo (ny Saikanosy Iberika sy ny Saikanosy Italiana ary ny Saikanosy Balkanika ). Ireto avy ireo firenena ao Eoropa Atsimo ireo: i Albania , i Andora , i Bosnia-Herzegovina , i Espaina , i Gresy , i Italia , i Kroatia , i Makedonia Avaratra , i Malta , i Montenegro , i Portogaly , i San-Marino , i Serbia , i Slovenia , ary i Vatikana .

Eoropa Afovoany [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Eoropa Afovoany dia faritra ao Eoropa eo anelanelan' i Eoropa Atsinanana sy i Eoropa Andrefana . Indreto ireo firenena azo sokajiana ao aminy: i Alemaina , i Aotrisy , i Hongaria , i Polonia , i Repoblika Tseky , i Slovenia ary i Kroasia . I Kroasia sy i Romania koa tsindraindray dia sokajiana ao amin' ny firenen' i Eoropa Afovoany, i Kroasia dia ao amin' ny faritr' i Balkana .

Eoropa Atsinanana [ hanova | hanova ny fango ]

I Eoropa Atsinanana dia ny faritra atsinanana ao Eoropa izay faritan' ny tangoron-tendrombohitra Oraly , i Kaokazy , ny Ranomasina Kaspiana , ny Ranomasina Mainty , ny Ranomasina Marmara ary ny Ranomasina Egea avy ao atsinanana.

Firenena ao Eoropa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena eken' ny rehetra [ hanova | hanova ny fango ]

Inty ny lisitr' ireo firenena ao Eoropa:

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Azerbaijana (misy ampahany ao Azia)- Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Gibraltara - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlandy - Islandy - Italia - Jeorjia - Kazakstana (misy mpahany ao Azia) - Kipra (na Sipra na Kiprosy ) - Kroatia (na Kroasia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Makedonia Avaratra - Malta - Moldavia - Monako - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Torkia (misy ampahany ao Azia) - Tsekia (na Repoblika Tseky ) - Vatikana

Ireo mbola misy tsy mankato ny maha firenena azy [ hanova | hanova ny fango ]

Abkazia (misy tapany ao Azia) - Karabaga Ambony (misy tapany ao Azia ) - Kipra  Avaratra (na Sipra Avaratra ) - Kosovo - Osetia Atsimo - Transnistria

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Ireo kontinenta

Ireo faritra hafa ao Eoropa