Irlanda

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Irlandy

I Irlanda na Irlandy na Repoblikan' i Irlandy dia firenena ao Eoropa izay ao amin' ny ampahany be amin' ny Nosin' i Irlandy ao amn' ny Ranomasimbe Atlantika avaratra, ao andrefan’ i Britaina Lehibe . Azy ny 26 amin' ny komtea ao amin' io nosy io ka ny enina sisa dia mitambatra amin' i Irlandy Avaratra izay mitambara amin' ny Fanjakana Mitambatra (anglisy: United Kingdom ).

I Irlandy ao Eoropa.

Amin' ny teny irlandey dia atao hoe Eire na Poblacht na hEireann io firenena io, fa amin' ny teny anglisy kosa dia Ireland na Republic of Ireland . Ny renovohiny dia i Dublin izay atao amin' ny teny irlandey hoe Amhran na bhFiann. Mikambana ao amin' ny Vondrona Eoropeana i Irlandy. Manana velarana 70 273 km 2 i Irlandy sady misy mponina miisa 5 011 102 tamin' ny taona 2017. Ahitana farihy sy honahona maro dia maro ny any Irlandy. Toerana anirian’ ahitra midadasika ny ampahany be amin’ ny tanin’ i Irlandy izay saika tsy ahitana ala mihitsy. Firenena vitsy mponina i Irlanda ka anisan’ ireo firenena manana mponina kely hakitroka indrindra ao Eoropa . Nihena antsasany ny isan’ ny mponina tao tamin’ ny antsasany faharoan’ ny taonjato faha-19 vokatry ny mosary mafy nahazo an’ ilay firenena.

Sarin-tanin' i Irlandy

Hatramin’ ny tenatenan’ ny taonjato faha-20 dia anisan’ ireo firenena mahantra indrindra tany Eoropa i Irlandy. Tamin’ ireo tana 1960 anefa dia namporisika ny mpandraharaha vahiny hanorina asa tao Irlanda ny fitondram-panjakana ka nahatonga an’ ilay firenena nampandroso ny taozava-baventy ary taty aoriana dia niditra tao amin’ ny fanarenana an’ i Eoropa izy. Izany fihatsaran’ ny toekaren’ i Irandy izany no natao hoe "fahagagana ara-toekarena irlandey".

Nanani-bohitra sy niorim-ponenana tao amin’ ny nosy Irlanda ny Selta tamin’ ny taonjato faha-6 tal. J.K.. Lasa tany kristiana ilay nosy noho ny fitoriana ny Filazantsara nataon’ i Masidahy Patrick tamin’ ny taonjato faha-5 taor. J.K. Nanani-bohitra sy niorim-ponenana tao koa ny Vikingy avy eo nanjakazaka taminy ny Anglisy . Tamin’ ny taona 1541 dia nahazo ny anaram-boninahitra hoe "Mpanjakan’ i Irlandy" i Henri VIII mpanjakan’ i Angletera. Niezaka nampiditra ny anglikanisma tao Irandy izy ka niteraka adim-pivavahana teo amin’ ny Katolika irlandey sy ny Anglikana anglisy izany. Ny fanjakazakan’ ny Britanika dia niafara amin’ ny fanakambanana an’ i Irlandy amin’ i Britaina Lehibe tamin’ ny taona 1801 tamin’ ny alalan’ ny Acts of Union . Teo anelanelan’ ny taona 1846 sy 1848 dia niisa 2 tapitrisa ny Irlandey matin’ ny mosary, ratsy ny vokatra ovy tamin’ izany fotoana izany, ary olona miisa 6 tapitrisa no nifindra monina nankany amin’ ny firenena hafa, indridra nankany Etazonia . Nisy ny tolona ho an’ ny fizakan-tenan’ i Irlandy izay nampikorontana ny fiarahamonina ka niteraka fitroaran’ ny mpanindrahindra tanindrazana tamin’ ny taona 1916. Vokatr’ izany dia nivaky roa i Irlandy tamin’ ny taona 1921, ka ny tapany iray namorona ny Fanjakan’ i Irlandy ary ny faharoa namorona an’ i Irlandy Avaratra izay tsy niala amin’ i Britaina Lehibe. Taorian’ ny korontana maro dia nambara ny fahaterahan’ ny Repoblikan’ i Irlandy tamin’ ny taona 1949. Nandray anjara amin’ ny fanarenana an’ i Eoropa i Irandy nanomboka tamin’ ny taona 1973. Tsy mitsahatra anefa ny disadisa eo amin’ ny Protestanta sy ny Katolika ao Irlady Avaratra.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeorjia - Kipra (na Sipra ) - Kroasia (na - Kroatia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedonia Avaratra (na Makedonia Avaratra )- Malta - Moldavia - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikana.

Kontinenta eto an-tany


Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.