Tsekia

Avy amin'i Wikipedia
Saritanin'i Tsekia

I Tsekia na Repoblika Tseka dia firenena ao Eoropa Afovoany . Ny renivohiny dia i Prague . Ny tanana lehibe indrindra dia ny renivohiny. Miisa 10 701 777 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2021 . Ny faritr' ora dia +1. ?esko na ?eska Republika ny anarany amin' ny teny tseka .

Iray amin’ ireo fanjakana mahaleo tena avy amin’ ny fivakisan’ i Tsekoslovakia tamin’ ny taona 1993 ny Repoblika Tseka (ny fanjakana hafa tao koa dia i Slovakia ). Eo anelanelan’ i Alemaina sy i Polonia sy i Slovakia ary Aotrisy no misy an’ i Tsekia izay tsy manana morontsiraka.

Iray tamin’ ireo irenena tao Eoropa Afovoany nanana fari-piaina-mponina ambony indrinda i Tsekoslovakia. Nanomboka tamin’ ny taona 1990 dia nanatanteraka fanavaozana lehibe ireo mpitondra azy mba hanakaikezany ireo firenena ao amin’ ny Vondrona Eoropeana .

Mamondrona faritra maro ny Repoblika Tseka: dia i Bohemia sy i Moravia izay nanjakazakan’ ny Habsborga teo anelanelan’ ny taona 1526 sy 1918 . Taorian’ ny Ady Lehibe Valohany dia rava ny Empira Aostro-Hongariana . I Tsekia sy i Slovakia, izay nandrafitra azy, dia nivondrona ka namorona fanjakana mahaleo tena, dia tsy iza izany fa ny Repoblikan' i Tsekoslovakia . Maro vahoaka vitsy anisa ny ao amin’ ny Repoblika Tseka, ka isan’ izany indrindra ny Alemana any amin’ ireo Sudetes. Nakamban’ i Adolf Hitler tamin’ i Alemaina ireo Sudetes tamin’ ny alalan’ ny fifanarahana tao Munich tamin’ ny taona 1938 . Nanafika an’ i Tsekia ny Almana tamin’ ny taona 1939 . Taorian’ ny ady dia lasa demokrasia entim-bahoaka i Tsekoslovakia ka nampanarahina ny an’ ny Firaisana Sovietika ny fampandrosoana azy. Tamin’ ny taona 1968 dia nanandrana ny demokrasia tao amin’ ny fireneny ireo mpitondra tao ary nametraka "sosialisma manan-tavan' olombelona": izany no atao hoe "Lohataonan’ i Prague". Nofaizin’ ny tafiky ny Dinan’ i Varsovia (tafik’ ireo firenena niara-dia amin’ ny Firaisana Sovietika) izany andrana izany. Taorian’ ny nahazoan’ i Mikhail Gorbatchev ny fahefana, izay nanao fanavaozana maro, dia niaina tamin’ ny atao hoe "Revolisiona malambolamb" (frantsay: "Revolution de velours") i Tsekoslovakia: natao amin’ ny fomba milamina ny tetezamita mankany amin’ ny demokrasia . Ilay mpanoratra atao hoe Vaclav Havel no lasa filohan’ i Tsekoslovakia tamin’ ny taona 1989. Namorona fanjakana roa mahaleo tena tamin’ ny taona 1993 ny fivakisan’ i Tsekoslovakia, ka teraka tamin’ izany ny Repoblika Tseka sy i Slovakia . Nitoetra ho filohan’ ny Repoblika Tseka i Vaclav Havel mandra-pahatongan’ ny taona 2003 . Tamin’ ny taona 2004 dia niditra ho mpikambana ao amin’ ny Vondrona Eoropeana ny Repoblika Tseka.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeorjia - Kipra (na Sipra ) - Kroasia (na - Kroatia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedonia Avaratra (na Makedonia Avaratra )- Malta - Moldavia - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikana.

Kontinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.