Mey

Avy amin'i Wikipedia
Ny andriamanibavy Maia

Ny volana Mey dia volana fahadimy ao amin' ny tetiandro gregoriana sy joliana . Maharitra 31 andro ity volana ity. Avy amin' ny teny latina hoe Maius (volana May) ilay anarana, izay mampahatsiahy ny andriamanibavy italika Maia .

Ny volana Mey no volana fahatelo amin' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany avaratra, izay mifandray amin' ny fararano any amin' ny ila-bolantany atsimo, ary koa ny volana voalohany amin' ny fahavaratra any amin' ny ila-bolantany avaratra ( ririnina any amin' ny ila-bolantany atsimo). Tamin' ny voalohany dia io no volana fahatelo tao amin' ny tetiandro romana .

Tantara [ hanova | hanova ny fango ]

Tany am-boalohany ao amin' ny tetiandro romana antsoina hoe "tetiandro romoleana" izay ahitana volana miisa, ny volana Mey (amin' ny anarana latina hoe Maius ) no volana fahatelo amin' ny taona.

Ny Romana izay efa zatra ny mandray ho olona sy manao ho andriamanitra ny zavatra rehetra izay sarotra aminy ny manazava azy, dia nametraka ny andriamanitra "tsara" amin' ny lafiny iray ary ny andriamanitra "ratsy" amin' ny lafiny ilany, ary nanao izay haha eo ambany fiarovan' ny voalohany, mba hiarovana ny tenany amin' ny faharoa. Araka izany, ao amin' io tetiandro romana io, ny volana efetra voalohany amin' ny taona ihany no mifandray amin' ny andriamanitra mpiaro, ka ny telo amin' izy ireo dia andriamanibavy: ny Martius (volana Marsa) natokana ho an' ny andriamanitra romana Marsa, ny Aprilis (volana Aprily) ho an' i Afrodita, ny Maius (volana Mey) ho fanomezam-boninahitra an' i Maia , ny Iunius (volana Jona) ho fanomezam-boninahitra an' i Jono . Ny volana hafa dia tsy voatondro afa-tsy amin' ny alalan' ny isa izay mametraka azy ireo sy ahafahana manavaka azy ireo mandritra ny taona. Amin' izany fiheverana izany, ny volana Marsa dia volana voalohany amin' ny taona romana natao hanomezam-boninahitra an' i Romolo ( Romulus ), ilay mpanorina an' i Roma, izay andriamanitra Marsa no rainy, ary koa mba hanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny fambolena sy mpiady: io andriamanitra romana io no mitarika ny lohataona, ny fiverenan' ny andro mahafinaritra ho an' ny fambolena, ary manokatra ny taona vaovao izay mampitsahatra ny fiatoan' ny ady ara-tafika mahazatra izay manomboka amin' ny volana Oktobra ka miafara amin' ny faran' ny volana Febroary.

Ny Janoary no lasa volana voalohany ao amin' ny tetiandro tamin' ny andron' i Noma Pompilio ( Numa Pompilius ) na tamin' ny fanapahan' ny Decemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. Na izany aza, ny taona romana dia fantatra amin' ny alalan' ny konsoly roa, izay nandray ny asany tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K., avy eo tamin' ny 1 Janoary taorian' io daty io.

I Romolo ( Romulus ) no lazaina fa nanome an' io anarana io ho fanomezam-boninahitra ireo loholona antsoina hoe maiores .

Tamin' ny Andro Antenatenany , ny firenena kristiana rehetra dia nampiasa ny tetiandro joliana ary manomboka ny fanisana ny taona amin' ny fety ara-pivavahana lehibe iray, dia ny 25 Desambra ( fomban' ny Fahaterahan' i Jesoa ), 25 Marsa ( fomba florentina na fomban' ny Fanambarana ) na amin' ny Paska ( fomban' ny Paska ) koa aza toy ny tany amin' ny faritra frantsay sasany. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia nanohy nampiseho ny taona araka ny fanao romana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra . Tamin' izany fotoana izany, indraindray dia nadikan' ny mpandraiki-tsoratra amin’ ny hoe " Madona mensis " (volan' i Madona, izany hoe ny "Virjiny mitrotro Zaza") ny anarana hoe " Maius mensis " (volan' i Maia), ka izany no nahatonga ny fiantsoana hoe "volan' i Maria " nomena ny volana Mey.

Tany Frantsa, ny volana Janoary no volana voalohany nanapahan' ny mpanjaka Charles IX, tamin' ny alalan' ny Didin' i Roussillon tamin' ny 1564, fa hanomboka amin' ny 1 Janoary ny taona. Ny papa Gregorio XIII dia nanitatra izany fepetra izany ho an' ny firenena kristiana rehetra tamin' ny fandraisana ny tetiandro gregoriana tamin' ny taona 1582.

Ireo zavatra nitranga tamin' ny volana Mey [ hanova | hanova ny fango ]


Teraka [ hanova | hanova ny fango ]

Maty [ hanova | hanova ny fango ]

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]