Oktobra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Oktobra )

Ny volana Oktobra dia volana fahafolo ao amin' ny tetiandro gregoriana sy joliana , volana fahenina amin' ireo volana misy 31 andro ao amin' ny taona. Io no volana faharoan' ny fararano any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa volana faharoan' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany atsimo. Avy amin' ny teny latina hoe October (avy amin' ny hoe octo , "valo") ny anarany, satria volana fahavalo tao amin' ny tetiandro romana fahiny izy io.

Tantara [ hanova | hanova ny fango ]

Tetiandro romoliana [ hanova | hanova ny fango ]

Tany am-boalohany ao amin' ny tetiandro romana antsoina hoe "tetiandro romoleana" izay nahitana volana folo, ny volana Oktobra dia volana fahavalo amin' ny taona. Io anarana io dia avy amin' ny teny latina hoe October , avy amin' ny hoe octo "valo", sy ny tovana - bris izay angamba avy amin' ny teny latina hoe ber "mitondra", na avy amin' ny andian-teny hoe ab imbre , "aorian' ny oram-panala".

Ny Romana, rehefa zatra naneho ho olona na andriamanitra ny zavatra rehetra izay nanahirana ny nanazava azy (toy ny tsingerina isan-taona), dia nametraka ny andriamanitra "tsara" amin' ny lafiny iray ary ny andriamanitra "ratsy" amin' ny lafiny ilany, ary nitandrina mba ho eo ambanin' ny fiarovan' ny voalohany, ka hiaro ny tenany tsy ho azon' ny faharoa. Ny volana efatra voalohany amin' ny taona ihany no mifandray amin' ny andriamanitra mpiaro, ka ny telo amin' izy ireo dia andriamanibavy: ny Martius (volana Marsa) natokana ho an' ny andriamanitra romanina Marsa , ny Aprilis (volana Aprily) ho an' i Afrodita , ny Maius (volana Mey) ho fanomezam-boninahitra an' i Maia , ny Iunius (volana Jona) ho fanomezam-boninahitra an' i Jono . Ny enim-bolana farany dia notondroina amin' ny isa izay natao mba hahafaha-manavaka azy ireo mandritra ny taona: ny Quintilis ho an' ny volana fahadimy, ny Sextilis ho an' ny fahenina, ny September ho an' ny fahafito, ny October ho an' ny fahavalo, ny November ho an' ny fahasivy, ny December ho an' ny fahafolo. Amin' io tetiandro io, ny volana Marsa no volana voalohany amin' ny taona romana.

Tetiandro pompiliana sy joliana [ hanova | hanova ny fango ]

Araka ny lovantsofina notantarain' ny mpanoratra latinina (Ovidio, Varo), dia lasa nisy 12 volana ny tetandro, na io tamin' ny naha mpanjaka an' i Noma Pomolio ( Numa Pompilius ), na io tamin' ny fitondran' ny Decemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. ary ny Janoary no lasa volana voalohany amin' ity antsoina hoe "tetiandro pompiliana" ity mba hanakaiky kokoa ny fiandohan' ny taona amin' ny solstisy ririnina izay mamarana ny vanim-potoana tsy isian' ny famokarana ary manomboka ny fanavaozan' ny Masoandro .

Na izany aza, ny taona romana dia fantatra amin' ny daty nifidianana ny konsoly roa, izay nandray ny fahefana tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K. Ny fiandohan' ny taon' ny konsoly dia napetraka amin' ny 1 Janoary tamin' ny nampidirana ny tetiandro joliana tamin' ny 45 tal. J.K., i Jolio Kaisara dia nampanombka izany, tsy tamin' ny solstisy ririnina, fa tamin' ny tsinam-bolana manaraka mivantana an' io solstisy io, mba hifanaraka amin' ny toetsain' ny Romana, izay zatra ny taom-bolana.

Tamin' ny Andro Antenatenany [ hanova | hanova ny fango ]

Tamin' ny Andro Antenatenany , ny firenena kristiana dia mampiasa ny tetiandro joliana ary nanomboka ny fanisana ny taona amin' ny fety ara-pivavahana lehibe iray, dia ny 25 Desambra ( fomban' ny Fahaterahan' i Jesoa ), ny 25 Martsa ( fomba florentina na fomban' ny Fanambarana ), na amin' ny Paska ( fomban' ny Paska ) toy ny any amin' ny faritra frantsay sasany. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia manohy mampiseho ny taona araka ny fomba amam-panao romana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra.

Ankehitriny [ hanova | hanova ny fango ]

Ny fiforonan-teny latinina momba ny volana Oktobra dia mbola mampahatsiahy hatramin' izao ny filaharan' ity volana ity ao amin' ny taon' ny "tetiandro pompiliana": ankehitriny izy dia volana fahafolo, raha laharana fahavalo taloha.

Ireo zavatra nitranga tamin' ny Oktobra [ hanova | hanova ny fango ]

Teraka [ hanova | hanova ny fango ]

Maty [ hanova | hanova ny fango ]


Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]