Ny
faribolana
dia endrika
jeometrika
iray misy ny teboka rehetra ao anaty
lemaka
izay mitovy elanelana amin' ny
teboka
iray atao hoe
ivo
; izany dia mitovy amin' izany ny
biloka
azo amin' ny teboka mihetsika amin' ny lemaka ka ny elanelany amin' ivo dia tsy miova. Ny elanelan' ny teboka rehetra eo amin' ny faribolana sy ny ivony dia antsoina hoe
tana
. Ity lahatsoratra ity dia momba ny faribolana ao amin' ny jeometria eoklidiana, ary indrindra ny lemaka eoklidiana, afa-tsy izay misy fanamarihana hafa.
Raha atao manokana, ny faribolana dia biloka mihidy tsotra izay mizara ny lemaka ho faritra roa: anatiny sy ivelany. Amin' ny fampiasana io teny io hoe andavanandro, ny teny hoe "faribolana" dia azo ampiasaina mba hilazana ny faritr' ilay endrika, na ny faritra iray manontolo ao anatiny; amin' ny fampiasana teknika hentitra, ny faribolana dia io fetra io ihany ary ny endrika iray manontolo dia antsoina hoe
kapila
.
- Savaivin' ny faribolana: D = 2
R
.
- Manodidina ny faribolana: 2
πR
.
- Velaran' ny kapila:
π
R
2
.