Moldavia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Moldavia
Sarin-tanin' i Moldavia

I Moldavia dia firenena ao Eoropa Atsinanana , tsy manana morontsiraka. Ny renivohiny dia i Chi?in?u . Ny tanana lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 33 846 km 2 ny velarany ary miisa 3 559 500 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr'ora dia +2.

Tsy dia avo ny vohon-tanin' i Moldavia. Lemaka midadasika no mamorona ny ampahany be amin’ ny taniny. I Dniestr sy i Prout no ony lehibe any.

Ny ankabetsahan’ ny mponina ao Moldavia (66 %) dia Moldaviana miteny romaniana izay manaraka, amin’ ny ampahany be, ny kristianisma ortodoksa . Ahitana Okrainiana sy Rosiana koa ny ao (25 %). Ny ankamaroan’ ny mponina any Moldavia dia monina any amin’ ny tontolo ambanivohitra. Ny fambolena sy ny fiompiana no sehatr’ asa sahanin’ ny ankamaroan’ ny mponina, ka ny voly paraky sy voaloboka no be mpanao.

Repoblika sosialista sovietika taloha i Moldavia (tao amin’ ny Firaisana Sovietika taloha) izay nahaeo fahaleovan-tena tamin’ ny taona 1991. Nikambana tao amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena izy nefa niala tamin' ny taona 2023.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeorjia - Kipra (na Sipra ) - Kroasia (na - Kroatia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedonia Avaratra (na Makedonia Avaratra )- Malta - Moldavia - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikana.

Kontinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.