한국   대만   중국   일본 
Bolgaria ? Wikipedia Aller au contenu

Bolgaria

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Biolgaria )
Sainan' i Biolgaria
Saritanin' i Bolgaria

I Biolgaria dia firenena ao Eoropa Atsimo , ao amin' ny Saikanosy Balkanika . Ny renivohiny dia i Sofia . Ny tanana lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 110,994 km 2 ny velaran-taniny ary miisa 7 364 570 ny mponina ao aminy. Ny faritr'ora dia +2. Ny antsasa-manilan' ny tanin' i Bolgaria dia be hohasaha sy be tendrombohitra , ka hita ao indrindra ny Tendrombohitra Balkana sy ny Tangoron-tendrombohitr' i Rhodope. Ny ampahatelon' ny velaran-tany kosa dia rakotra ala. Mamaritra an' i Bolgaria ao atsinanana ny Ranomasina Mainty . I Danuba no ony lehibe any, izay manefitra azy amin' i Romania .

Sarin-tanin' i Bolgaria

Ny Bolgariana no maro an' isa any Bolgaria (manakaiky ny 85 %), ahitana vahoaka vitsy an' isa koa ny any, ka isan' izany ny Armeniana , ny Grika , ny Roma , ny Slava Makedoniana ary ny Torka . Manaraka ny fivavahana kristiana ortodoksa ny ankamaroan' ny mponina (90 % any ho any).

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Bolgaria, ka isan' ny volena any ny katsaka , ny paraky , ny varimbazaha , ny voaloboka ary ny raozy . Mandroso ihany koa ny taozava-baventy momba ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy momba ny ts? . Miroborobo koa ny fizahan-tany , indrindra noho ny fisian' ny tobim-pandroana ao amin' ny Ranomasina Mainty . Niditra tao amin' ny Vondrona Eoropeana tamin' ny taona 2007 i Bolgaria.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeorjia - Kipra (na Sipra ) - Kroasia (na - Kroatia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedonia Avaratra (na Makedonia Avaratra )- Malta - Moldavia - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikana.

Kontinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.