한국   대만   중국   일본 
Antonio Vivaldi ? Wikipedia Aller au contenu

Antonio Vivaldi

Avy amin'i Wikipedia
Antonio Vivaldi
Ankapobeny
Anarana Antonio Vivaldi
Teraka 4 Martsa 1678
Maty 28 Jolay 1741
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Italia
Asa  : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Antonio Vivaldi dia Italiana teraka tamin' ny 4 Marsa 1678 tao Venezia ( Italia ) ary maty tamin' ny 28 Jolay 1741 tao Vienna ( Aotrisy ). Mpitendry lokanga sy mpamoron-kira klasika italiana izy. Pretra tao amin’ ny Eglizy Katolika koa izy.

I Vivaldi dia iray amin' ireo mpitendry lokanga kinga malaza sy nankafizina indrindra tamin' ny androny; fantatra ho iray amin' ireo mpamoron-kira lehibe indrindra tamin' ny vanim-potoana Baroque ihany koa izy, amin' ny maha mpanatontosa voalohany ny concerto solo , karazana nalaina tamin' ny concerto grosso . Ny fitaomany, any Italia tahaka ny manerana an' i Eoropa , dia lehibe, ary azo refesina amin' i Bach izay nampifanaraka sy nandika ny sanganasan' i Vivaldi mihoatra noho ny mpnao mozika hafa rehetra.

Teo amin' ny sehatry ny mozikan-javamaneno, indrindra fa ny lokanga no natao ny asany, saingy nataony koa ho ana karazan-javamaneno miavaka, mozika ara-pivavahana sy mozika lirika. Izany no nahatonga ny famoronana concerto , sonata , opera , mozika ara-pivavahana madinika maro be: nirehareha izy noho ny fahaizany namorona concerto haingana kokoa ka tsy azon' ny mpanao kopia nadika. Pretra katolika izy ny volony mena no nahatonga azy ho nahazo anaram-bositra hoe il Prete rosso , “Ilay Pretra Mena”, anaram-bositra angamba fantatra kokoa any Venizia noho ny tena anarany, araka ny tatitry ny Goldoni ao amin' ny Memoires .

Ny famokarana mozikany, izay navoaka nandritra ny androm-piainany, dia hadino haingana taorian' ny nahafatesany, toy ny anarany, toy ny nitranga tamin' ny mpamoron-kira maro tamin' ny taonjato faha-18. Nahazo fahalianana teo amin’ ny manam-pahaizana ihany izy tamin’ ny taonjato faha-19, noho ny fahitana an’ i Johann Sebastian Bach indray. Tamin' ny tapany voalohan' ny taonjato faha-20 no tena nahafantarana azy, noho ny asan' ny manam-pahaizana na mpahay mozika toa an' i Arnold Schering na i Alberto Gentili, ny fandraisan' anjaran' ny mpitendry mozika toa an' i Marc Pincherle, i Olga Rudge, i Angelo Ephrikian, i Gian Francesco Malipiero na i Alfredo Casella, ary noho ny hafanam-pon' ireo mpankafy fanta-daza toa an' i Ezra Pound.

Amin' izao fotoana izao, ny sasany amin' ny sanganasany zavamaneno, indrindra ireo concerto efatra fantatra amin' ny anarana hoe Le quattro stagioni , dia anisan' ny malaza indrindra amin' ny repertoire klasika.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.