I
Moldavia
dia firenena ao
Eoropa Atsinanana
, tsy manana morontsiraka. Ny renivohiny dia i
Chi?in?u
. Ny tanana lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 33 846 km
2
ny velarany ary miisa 3 559 500 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr'ora dia +2.
Tsy dia avo ny vohon-tanin' i Moldavia. Lemaka midadasika no mamorona ny ampahany be amin’ ny taniny. I Dniestr sy i Prout no ony lehibe any.
Ny ankabetsahan’ ny mponina ao Moldavia (66 %) dia
Moldaviana
miteny
romaniana
izay manaraka, amin’ ny ampahany be, ny
kristianisma ortodoksa
. Ahitana
Okrainiana
sy
Rosiana
koa ny ao (25 %). Ny ankamaroan’ ny mponina any Moldavia dia monina any amin’ ny tontolo ambanivohitra. Ny fambolena sy ny fiompiana no sehatr’ asa sahanin’ ny ankamaroan’ ny mponina, ka ny voly
paraky
sy
voaloboka
no be mpanao.
Repoblika sosialista sovietika taloha i Moldavia (tao amin’ ny
Firaisana Sovietika
taloha) izay nahaeo fahaleovan-tena tamin’ ny taona 1991. Nikambana tao amin' ny
Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena
izy nefa niala tamin' ny taona 2023.
Firenena ao Eoropa
Albania
-
Alemaina
-
Andora
-
Aotrisy
-
Belzika
-
Bielorosia
-
Bolgaria
-
Bosnia-Herzegovina
-
Danemarka
-
Espaina
-
Estonia
-
Fanjakana Mitambatra
-
Finlandy
-
Frantsa
-
Grisia
(na
Gresy
) -
Hongria
(na
Hongaria
) -
Irlanda
-
Islandy
-
Italia
-
Jeorjia
-
Kipra
(na
Sipra
) -
Kroasia
(na -
Kroatia
) -
Letonia
-
Liktenstaina
-
Litoania
-
Loksemborga
-
Masedonia Avaratra
(na
Makedonia Avaratra
)-
Malta
-
Moldavia
-
Montenegro
-
Nederlandy
-
Norvezy
-
Okraina
-
Polonia
-
Portogaly
-
Tsekia
-
Romania
-
Rosia
-
San-Marino
-
Serbia
-
Slovakia
-
Slovenia
-
Soeda
-
Soisa
-
Tsekia
-
Vatikana.
Kontinenta eto an-tany