Nizeria

Avy amin'i Wikipedia
Federal Republic of Nigeria ( ( en ) )
Jamhuriyar Taraiyar Nijeriya ha
Njikota Ochichiiwu Naijiria ig
Apap?? Olominira il?? Naijiria yo
Repoblika Federalin' i Nizeria ( ( mg ) )
Sain'i Nizeria Mari-piandrian'i Nizeria
( Antsipirihany ) ( Antsipirihany )
Teny filamatra : Unity and Faith, Peace and Progress
(Firaisana, Finoana, Fandriam-pahalemana ary Fivoarana)
Teny ofisialy Anglisy
Tenim-pirenena

Haosa
Igbo
Yoroba

Renivohitra Abuja
9°10′N 7°10′E  /  9.167°N 7.167°E  / 9.167; 7.167
Tanana lehibe indrindra Lagos
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
- Filoha andefitra
Repoblika Fedelady
Muhammadu Buhari
Yemi Osinbajo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 32
923 768 km²
1,4 %
Isam-ponina
 - Tontaliny ( 2012 )
 - hakitroka
faha 7
170 123 740 mpo.
184.2 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Nizerianina
IDH ( 2011 ) midina 0,448 (ambany) faha-142
Sandam-bola Naira ( NGN )
Faritr'ora UTC +1
Hiram-pirenena Arise Oh Compatriots,
Nigeria's Call Obey
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+234

I Nizeria na Nijeria (amin' ny teny anglisy : Nigeria ), izay atao hoe Repoblika Federalin' i Nizeria koa (amin' ny teny anglisy Federal Republic of Nigeria ), dia firenena ao Afrika Afovoany - Andrefana , izay misy fanjakana miisa 36, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika , manana velarana mirefy 923 768 km². Mamaritra azy avy ao avaratra i Nizera , avy ao atsinana i Tsady sy i Kamerona , ary ao andrefana i Benino . I Abuja no renivohiny (nanomboka tamin' ny taona 1991) nefa ny tanana lehibe indrindra amin' ny raharaham-barotra dia i Lagos . Atao hoe Nijeriana na Nizeriana ny vahoakan' io firenena io.

Anjakan' ny lembalemba mivelatra maro izay vakivakian-korian-drano maro ny vohon' ny tanin' i Nizeria, isan' ireo korian-drano ireo ny ony Niger izay manavasava an' io firenena io avy any avaratra mianatsimo alohan' ny hivarinany any amin' ny Hoalan' i Ginea .

I Nizeria no firenena be mponina indrindra aty Afrika , ary i Lagos dia anisan' ny tanana lehibe indrindra maneran-tany. Ahitana vondrom-poko maro ny ao amin' io firenena io, ka ny lehibe indrindra dia ny Haosa , ny Folany , ny Ioroba ary ny Ibo na Igbo . I Nizeria no firenena be mponina indrindra ao Afrika , izay nisy mponiny miisa 162 000 000 tamin' ny taona 2011.

Sarin-tanin' i Nizeria

Niompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Nizeria talohanan' ny nahitany tahirin-tsolitany voajanahary tamin' ny taompolo 1970 izay nampitombo ny harin-kareny. Mampidi-bola betsaka any Nizeria ny vokatra kakao izay mametraka azy ho eo amin' ny laharana fahenina maneran-tany. Na dia firenena manan-karena aza i Nizeria amin' ny famokarany solitany be dia be, dia mahantra ny ankamaroan' ny mponina ao aminy. Ny antony mahatonga izany dia ny fisian' ny kolikoly . Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra aty Afrika ara-toekarena i Nizeria, aorian' i Afrika Atsimo sy eo alohan' i Ejipta .

Ny fiteny ofisialy dia ny fiteny anglisy , tenim-pirenena kosa ny fiteny ioroba sy ny fiteny igbo ao atsimo ary ny fiteny haosa izay tenenina any amin' ny faritra avaratra ao Nizeria. Mikambana ao amin' ny Commonwealth i Nizeria.

Ny fifidianana izay nitranga tamin' ny taona 2011 no lazain' ny fianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka sy mangarahara indrindra hatry ny fahaleovan-tenan' ilay firenena tamin' ny taona 1960.

Jeografia [ hanova | hanova ny fango ]

Ao amin' ny Hoalan' i Ginea no misy an' i Nizeria. Ny halava manontolon' ny sisintanin' i Nizeria dia 4 047 km; ary 853 km no halavan' ny morontsirak' i Nizeria. Ny firenena mizara sisintany amin' i Nizeria dia i Kamerona sy i Nizera ary i Tsady .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Afrika

Momba an' i Nizera:

Kontinenta eto an-tany:

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.