Londona

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny London )
sainam-pirenena Fanjakana Mitambatra

Londona (avy amin' ny fiteny anglisy London - [?l?nd?n]), any atsimo-atsinanan' ny Fanjakana Mitambatra , dia renivohitra ary tanana ngeza indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra. Mandritry ny taonjato maro, io ny renivohitry ny Empira Britanika , empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa nisy roa arivo taona mahery izay io tanana io no noforonin' ny Romana. Amin' ny lafiny isam-pinina, efa betsaka ny isan' ny tanana lehibe ngeza noho izy. Amin' ny maha ivo ara-politika azy dia renivohitry ny Commonwealth ny tananan' i Londona, hery ara-piharian-karena lehibe, noho ny maha ivontoerana ara-bola voalohany azy.

Renirano Thames

Ny Londona Lehibe ( Greater London ) dia manana mponina miisa 7 512 400, ny olona mipetraka ao Londona dia atao oe Londonianina. Ilay tanan-dehibe manotolo dia misy 8 278 251 mponina. Araka ny fepetra isan-karazany, mety eo anelanbelan' ny 12 sy 14 tapitrisa any ho any isan' ny mponina iharan'ny fomba fiainana ao Londona. Any Eoropa , ny tananan' i Moskva , Paris sy Istanbul ihany no manana lanja ara-demografia mitovy aminy.

Ny tananan' i Londona dia mihetsiketsika ary maro anisa amin' ny lafiny kolontsaina . Manana anjara lehibe izy ao amin' ny taozavatra sy ny lamaody. Tanana be mpizaha tany koa izy. 27 tapitrisa ny isan' ny mpizaha tany mandalo ao isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy anatin' ny haren-tsaina maneran-tany ary misy zava-boaorina mijialajoala maromaro malaza eran-tany, toy ny lapan' i Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Lapan' i Buckingham, ny fikambanana toy ny British Museum na ny National Gallery.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.