Venezoela

Avy amin'i Wikipedia
Republica Bolivariana de Venezuela ( ( es ) )
Repoblika Bolivarianin'i Venezoela ( ( mg ) )
Sainan'i Venezoela
( Antsipirihany )
Teny filamatra : Dios y Federacion
Teny ofisialy fiteny espaniola
Renivohitra Caracas
55°30'5 N, 37°20'3 E
Tanana ngeza indrindra Caracas
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Nicolas Maduro
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 32
916 445 km²
0,3 %
Isam-ponina
 - Tontaliny ( 2008 )
 - hakitroka
faha 40
28 199 822 mpo.
31 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Venezoelianina
Sandam-bola Bolivar fuerte ( VEF )
Faritr'ora UTC -4h
Hiram-pirenena Gloria al bravo pueblo
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+58

Ny Venezoela , na Repoblika Bolivarianin' i Venezoela , dia firenena any avaratra amin' i Amerika Atsimo , izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaiba sy ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika . I Caracas no renivohiny. Manana velarana mirefy 916 445 km² izy. NIisa 28 436 066 ny mponina tao aminy tamin' ny taona 2020.

Ny vohon' ny tanin' i Venezoela dia miavaka noho ny fisian' ny faritra voajanahary maromaro: any avaratra sy avaratra-andrefana ny faritra be tendrombohitra, ahitana ny Tandavan-tendrombohitra Andes Venezoeliana (ny tendrombohitra Bolivar no tendro avo indrindra ao amin' ilay firenena, mahatratra 5 007 m). Eo afovoan' ilay firenena no ahitana ny lemaka midadasika izay antsoina hoe llanos amin' ny teny espaniola. Manerinerina any atsimo ny Tangoron-tendrombohitra Guianas, izay faritra amazoniana anjakan' ny ala tropikaly mikitroka. Lava ny morontsirak' i Venezoela (mihoatra ny 2 500 km). Manana nosy miisa70 eo ho eo i Venezoela. I Orinoco no ony lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, izay manondraka ny roa ampahatelon' ny tanim-pirenen' i Venezoela izy. Madrakotra ny antsasa-manilan' ny velaran' i Venezoela ny ala izay misy karazan-kazo maro (hazo palmie, manga , sns.). Maro isan-karazany ny biby: jagoara , rajako , bera (na orsa), serfa , voay , sama , vano , sns.

Ny katolisisma no fivavahana be mpanaraka ao Venezoela.

Mifototra amin' ny fitrandrahana solitany ny toekaren’ i Venezoela: isan' ny firenena mpamokatra solitany lehibe indrindra eran-tany ity firenena ity.

Zanatany espaniola taloha i Venezoela izay nahaleotena nanomboka tamin' ny taona 1811.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bolivia - Brezila - Dominika - Ekoadora - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hondorasy - Jamaika - Kanada - Kioba - Kolombia - Kosta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Pero - Repoblika Dominikana - Salvadoro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa Vinsanta sy Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tobago - Venezoela

Kontinenta eto an-tany

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.