Maora (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Niezaka nandresy lahatra ny mpanjaka almohada Abu Hafs Umar al-Murtada ny masoivoho kastiliana mba hanatevin-daharana ny firaisankinany. Fanehoana ankehitriny ny Cantigas de Santa Maria .

Ny Maora na Mora dia vahoaka mpifindrafindra monina, vokatry ny fifangaroan' ny Berbera sy ny Arabo ary ny Afrikana mainty hoditra, monina indrindra any Maoritania , sy any amin' ny tapany andrefana amin' i Sahara , ary any amin' ny tapany atsimo amin' i Maroka . Misy Maora koa ny any Maly sy Senegaly . Atao hoe ?????? - I muriyen izy ireo amin' ny teny berbera .

Ny teny hoe Maora , hatrany am-boalohany sy tamin' ny Andro Taloha dia manondro ny Berbera any Afrika Avaratra , indrindra fa any Maghreb . Tsy niavaka tsara tamin’ ny Nomidiana ny Maora raha tsy efa fantatry ny Romana ny fisian’ ny fanjakana berbera maro tany amin’ ny farany andrefana.