한국   대만   중국   일본 
Sodana ? Wikipedia Aller au contenu

Sodana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Sodana )
Sainan' i Sodana
Mari-piandrianan' i Sodana
I Sodana eo anivon' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Sodana

I Sodana na Repoblikan' i Sodana dia firenena ao Afrika Atsinanana , izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena avy ao avaratra-atsinanana izy sady mamakivaky azy avy any avaratra mianatsimo ny lohasaha sy ny onin' i Nily . Manana velarana mirefy 1 886 068 km² i Sodana. I Khartoum no renivohiny. Atao hoe Sodaney ny vahoakan' ity firenena ity.

Mamaritra azy avy ao avaratra i Ejipta , ao atsinanana i Eritrea , ao atsimo i Kenia sy i Oganda ary ny Repoblika Demokratikan' i Kongo , ary ao andrefana ny Repoblikan' i Afrika Afovoany sy i Tsady ary i Libia .

Firenena anjakan' ny tany efitra i Sodana, ka zava-dehibe indrindra aminy ny rano: ny ony Nily no mahalonaka an' ireo lohasaha maro. Ny ampahany be amin' ny tanin' i Sodana doa tondrahan' ny onin' i Nily. Ao avaratra, andaniny sy ankilan' i Nily, dia ahitana ny tany efitr' i Libia (ilany andrefana), izay zarazarain' ny lembalemba maro, sy ny tany efitr' i Nobia (ilany atsinanana), izay fefen' ny tandavan-tendrombohitra amin' ny morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena. Ao afovoan-tany no ahitana an' i Sahely izay vakivakin' i Nily Fotsy sy i Nily Manga ary i Atbara. Ao andrefana no ahitana an' i Darfour, izay faritra be tendrombohitra sy ahitana lembalemba karankaina. Miovaova arakaraka ny faritra ny toetany ao Sodana: toetany karankaina an-tany efitra ny ao avaratra, toetanin-jana-pehin-tany ny ao afovoany ary toetanim-pehiben-tany be orana ny atsimo.

Mizara ho vondrona lehibe roa lehibe ny vahoaka sodaney, dia ireo vahoaka manaraka ny finoana silamo (75 %) izay monina ao avaratra sy ao afovoan-tany, sy ireo vahoaka kristiana sy mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana ao atsimo.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren’ i Sodana. Izy no firenena voalohany mpamokatra ny goma arabo izay ampiasaina amin' ny fitehirizana voankazo mamy nahandroina na amin' ny fanamboarana ranomanitra. Simban' ny ady an-trano anefa izany toekarena izany nanomboka amin' ny nafazoany ny fahaleovan-tena tamin' ny taona 1956. Ny fiteny arabo no fiteny ofisialin' i Sodana.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angola - Benino - Borkina Faso - Borondy - Botsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny ( Soazilandy taloha) - Etiopia - Gabona - Gambia - Gana - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatorialy - Jibot? - Kamerona - Kapvera - Kenia - Komoro - Kotidivoara - Lezoto - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Mal? - Maorisy - Maoritania - Maroka - Mozambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demokratika - Repoblika Demokratikan' i Kongo - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kongo - Roanda - Sao Tome e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leona - Sodana - Sodana Atsimo - Somalia - Somalilandy - Tanzania - Togo - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kontinenta eto an-tany