Masedonia Avaratra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Makedonia Avaratra )
Sainan'i Masedonia
Saritanin' i Masedonia

I Masedonia Avaratra na Makedonia Avaratra dia firenena ao Eoropa Atsimo , ao amin’ ny Saikanosy Balkanika . I Skopje no renivohiny sady tanana lehibe indrindra any. Mirefy 25 713 km 2 ny velarany ary miisa 1 832 696 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 2021. Ny faritr' ora dia +1. Atao hoe Repoblika Iogoslavan' i Makedonia Taloha koa izy.

Tendrombohitra sy lohasaha lalina ary havoana no mandrafitra ny vohon-tanin' i Makedonia Avaratra. Tsy manana morontsiraka ity firenena ity. Ny ony Vardar, izay mamakivaky azy avy any avaratra-andrefana mankany atsimo-atsinanana, no hany lalana ahafahany mifandray amin’ i Grisia . Ao amin’ ny faritra misy horohoron-tany matetika no misy an’ i Makedonia Avaratra.

Makedoniana na Masedoniana ny 65 %n’ ny mponina any Makedonia Avaratra, ka ny maro amin’ izy ireo dia Kristiana ortodoksa . Misy Albaney koa, izay manaraka ny fivavahana silamo , ny any. Maro ny vahoaka vitsy anisa monina ao Makdonia Avaratra ka anisan' izany ny Tiorka , ny Roma ary ny Serba na Serbiana . Ahitana disadisa eo amin’ ireo vahoaka isan-karazany ireo (indrindra eo amin’ ny Albaney sy ny Makedoniana) ao Makedonia Avaratra, sahala amin’ izay hita ao amin’ ireo firenen' ny faritry ny Balkana .

Manana tany midadasina azo volena i Makedonia Avaratra, ary isan-karazany ny zavatra volena any: ny hazo fihinam-boa, ny landihazo , ny legioma , ny paraky , ny voaloboka , ny voamadinika sns. Betsaka koa ny harena an-kibon' ny tany any, indrindra ny akoram-piramainty sy ny arintany ary ny vy .

Tao amin' i Iogoslavia taloha i Makedonia Avaratra izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Tamin’ ny taona 1993 vao nankatoavin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany fahaleovan-tena izany.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeorjia - Kipra (na Sipra ) - Kroasia (na - Kroatia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedonia Avaratra (na Makedonia Avaratra )- Malta - Moldavia - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikana.

Kontinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.