Letonia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Letonia

I Letonia na Latvia na Repoblikan' i Letonia na Repoblikan' i Latvia dia firenena ao Eoropa Avaratra-Atsinanana , manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Baltika . Ny renivohiny dia i Riga . Ny tanana lehibe indrindra dia ny renivohiny.

Sarintanin' i Letonia

Mirefy 64 589 km 2 ny velaran-taniny ary 2 013 400 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr'ora dia +2. Isan' ireo atao hoe Firenena Balta na Fanjakana Baltika ao Eoropa Avaratra i Letonia (manampy an’ i Estonia sy i Litoania ). Mamaritra azy avy ao avaratra ny Helodranon' i Riga, izay sampan' ny Ranomasina Baltika, sy i Estonia , ao atsinanana i Rosia , ao atsimo i Bielorosia sy i Litoania , ary ao andrefana ny Ranomasina Baltika.

Sarin-tanin' i Letonia

I Letonia dia firenena be tany lemaka. Rakotra ala ny 25 %n’ ny velaran-taniny.

Mahatratra iray ampahatelon’ ny mponina ao Letonia ny Rosiana. Ny fiteny letona sy ny fiteny rosiana no fiteny be mpampiasa ao Letonia, ka ny fiteny letona no fiteny ofisialy ao.

Ny Liva na Livoniana no razamben’ ny Letona : tao amin’ ny faritra misy an’ i Letonia ankehitriny no nisehoan’ izy ireo voalohany tamin’ ny taonjato faha-9. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-13 dia niaritra ny fanjakazakana mifadimby nataon’ ny tafika sy ny fitondram-pivavahana jermanika sy ny Poloney ary ny Soedoa izy ireo. Tamin’ ny taona 1795 i Letonia dia teo ambany fifehezan’ i Rosia . Nanambara ny fahaleovan-tenany izy tamin’ ny taona 1918, nefa tsy nifarana ny fahefan’ ny Sovietika taminy raha tsy tamin’ ny taona 1991, satria anisan' ireo repoblika sosialista sovietika taloha izy, izay tsy nahazo ny fahaleovan-tenany avy tamin' ny Firaisana Sovietika tamin' io taona io. Niditra tao amin’ ny Vondrona Eoropeana izy tamin’ ny taona 2004.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Kontinenta eto an-tany