Korea Atsimo

Avy amin'i Wikipedia
大韓民國 / 大韓民國 ( ( ko ) )
Daehan Min-guk ko
Repoblikan'i Korea ( ( mg ) )
Sainan'i Kôrea Atsimo Evan'i Kôrea Atsimo
( Antsipirihany ) ( Antsipirihany )
Teny filamatra : 널리 人間世上을 이롭게 하라 (弘益人間)
Korea mihetsika
Teny ofisialy Fiteny koreanina
Renivohitra Seoul
37°35′N, 127°0′E
Tanana ngeza indrindra Seoul
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Praiministra
Repoblika
Moon Jae-in (文在寅 , 文在寅)
Kim Boo-kyum (金富謙 , 金富謙)
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 107
99 274 km²
0,3%
Isam-ponina
 - Tontaliny ( 2008 )
 - hakitroka
faha 25
49 232 844 mpo.
480 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Koreanina
IDH ( 2006 ) Mihakatra 0,928 (eleve) faha 25}
Sandam-bola Won (怨, KRW, ₩) ( KRW )
Faritr'ora UTC +9
Hiram-pirenena Aegukga
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+82

I Korea Atsimo dia firenena ao amin' ny faritra atsimon' ny Saikanosy Koreanina , ao Azia Avaratra-Atsinanana . Ny renivohiny dia i Seoul . Ny anarana ofisialin' ny Repoblikan' i Korea Atsimo dia Repoblikan' i Korea amin' ny teny malagasy ary 大韓民國 / Daehan Minguk amin' ny fiteny koreanina . Miaina ao amin' ny renivohi-pirenena Seoul ny 50 %n' ny Koreanina Tatsimo. Anisan' ny tanana be mponina indrindra eto an-tany ny tananan' i Seoul, ary ny lahatsoratra sasany dia milaza fa izy io no tana na lehibe indrindra eto an-tany manaraka amin' i Tokyo ao Japana [1] .

Tantara [ hanova | hanova ny fango ]

Ny tantaran' ny Korea Atsimo dia nanomboka tamin' i Gojoseon Dangun Wanggeom . Resin' ny Sina entin' ny fiankohonana Han ny Gojoseon. Rehefa nitontongana tokoa i Gojoseon dia maro ny firenena nipoitra toa an' i Buyeo sy i Okjeo sy i Dongyae ary i Samhan . I Baekje sy i Goguryeo ary i Silla no nahery indrindra tamin' izy ireo. Ny fe-potoana nisian' ireo fanjakana ireo dia antsoina hoe Fotoan' ny Fanjakana Telo .

Resin' i Silla niaraka tamin' ny mpanohana Sinoa nentin'ny fiankohonana Tang ny Fanjakana Goguryeo ary Baekje , ary navondron' i Silla ho tokana ireo fanjakana telo ireo.

Nisy fanjakana iray hafa Balhae izay noforonin' i Dae Jo-Young. Ny fe-potoana iombonana nisy an'i Balhae sy Silla dia antsoina hoe Fotoan'ny Fanjakana Tavaratra sy Tatsimo . Nahatonga ny fiforonan' ny firenena vaovao nantsoina hoe Goryeo ny fikomiana tao amin' ny Fanjakan' i Silla. Resin' i Mongolia ny Fanjakan' i Goryeo.

Tany amin' ny faram-paran' ny fotoana nanjakan' i Goryeo dia nisy ny mpitondra tafika lehibe Lee Seong-Gye . Nibaiko azy hitoetra ao Yodong ny mpanjakan' i Goryeo fa nanohitra izany izy. Na dia izany aza dia Nankany Yodong izy azy nitoetra tao, fa niverina tany Goryeo izy ary nikomy. Nahomby ny fikomiany ary nanorona ny firenena Joseon izy. Ny mpanjaka voalohan' i Joseon, Taejo dia nanova ny renivohitra ho any Hanyang ( Seoul ankehitriny).

Sarin-tanin' i Korea Atsimo

Ny mpanjaka Joseon fahaefatra, Sejong, dia namorona ny abidy koreanina Hangeul . Ny mpanjaka faharoa ambin' ny roapolo Jeongjo dia nanangana ny rovan' i Hwaseong tao Suweon. Ny mpanjaka fahaenina ambin' ny roapolo Gojong dia nanova ny anaran' ny firenena ho Empiran' i Korea . Rehefa nihanalefaka ny fahefan' ny empira dia nanafika ilay firenena i Japana ary nitoetra tao nandritra ny 35 taona ka tsy niala tao raha tsy tamin' ny faran' ny Ady Lehibe Faharoa tamin' ny 1945. Nipoaka tamin' ny 1950 ny Ady Koreanina ka vokatr' izany dia voazara roa ny firenena: Korea Avaratra ary Korea Atsimo.

Jeografia [ hanova | hanova ny fango ]

Sarintany ara-kaavon-tanin'i Korea Atsimo

Ny Korea Atsimo dia ao atsinanan' i Azia . Ireo firenena manodidina azy dia Japana any atsinanana; Korea Avaratra izay mizara sisintany aminy ary Sina izay any andrefany. Ao atsimon' ny tanjona Koreanina no misy azy. Tany be tendrombohitra i Korea Atsimo ary, ary maro ny nosy madinika tsy lavitry ny morontsirany. Ny renivohi-pirenena Seoul dia akaikin' ny sisin-tany koreanina tavaratra. Ny nosy lehibe indrindra dia ny nosin' i Jeju ary ny tendrombohitra avo indrindra dia i Hallasan ao Jeju .

Ny Korea Atsimo dia maka ny faritra atsimon'ny Saikanosy Koreanina izay miitatra 1 100 km avy amin' ny tanibe Aziatika. Ny saikanosy be tendrombohitra dia voadidin' ny Ranomasina Mavo any andrefany, ny Ranomasin' i Japana any Atsinanany. Ny tanjony atsimo dia ao amin' ny Lakandrano Koreanina ary ny Ranomasin' i Sina Atsinanana .

Ny firenena ary nosiny rehetra dia eo anelanelan' ny laharam-pehintany faha-33 hatramin' ny faha-39 ary amin' ny laharan-jarahasina faha-124 ary faha-130. Ny velarantaniny manontolo dia 100 032 km². [2]

Ny Korea Atsimo dia azo zarazaraina ho faritra efatra lehibe: ny faritra atsinanana izay ahitana tangorom-bohitra avo ary tany lemaka amin' ny morontsiraka; ny faritra andrefana izay ahitana tany lemaka mivelatra amin' ny morontsiraka, renirano ary havoana; ny faritra atsimo andrefana izay ahitana tendrombohitra sy lohasaha; ny faritra atsimo atsinanana izay ahitana ny tany lemaka manodidina ny renirano Nakdong . [3]

Tendrombohitra izay tsy mety ovaina ho tanim-boly no ankabeazan'ny tany ao Korea Atsimo. Ireo tany lemaka izay hita eo amin'ny faritra andrefana ary atsimo atsinanana dia 30% monja ny velarantany manontolo.

Lavitry ny morontsiraka andrefana ary atsimo atsinanan' i Korea Atsimo dia ahitana nosy telo arivo eo ho eo. Eo amin' ny 100 km miala ny morontsiraka atsimon' i Korea Atsimo ny nosin' i Jeju. Io no nosy lehibe indrindra ny firenena, izay manana velarantany 1 845 km tora-droa. Ao Jeju ihany koa no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra ao Korea Atsimo: ny Hallasan izay volkano efa maty izay manana haavo 1 950 m. Ny toerana atsinanana indrindran' i Korea Atsimo dia ny Ulleungdo ary ny Vato Liancourt (Dokdo/Takeshima), ary ireo toerana atsimo indrindra dia ny Marado ary ny Vato Socotra . [3]

Ahitana valam-pirenena roapolo ary toerana malaza toa ny Sahan-diten' i Boseong , ny Vala Ekolojikan' ny Hoalan' i Suncheon ary ny Valam-pirenen' i Jirisan. [3]

Toetany [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Korea Atsimo dia manana toetany ara-kontinanta ary toe-tany sobtropikaly mandomando voanjadian' ny mosao Aziatika Tatsinanana. Ny fotoan' ny orana dia ny faran' ny Jona hatramin' ny faran' ny volana Jolay. jangma no iantsoana izany fotoana izany. Mety ho mangatsiaka be ny andro ririnina ary mety hilatsaka ambanin' ny -20 °C ny mari-pana amin' ny faritra any afovoan-tany. Ao Seoul ,ny mari-pana amin' ny volana Janoary dia -7 °C hatramin'ny 1 °C ary ny mari-pana amin' ny volana Aogositra dia eo amin' ny 22 hatramin' ny 30 °C. Ambony kokoa ny maripanan-dririnina amin' ny morontsiraka atsimo, ary ambany kokoa izy amin' ny afovoan-tany izay be tendrombohitra. [4]

Mety ho hafana sady mando ny andro fahavaratra amin' ny mari-pana izay mety mihoatra ny 30 °C na aiza na aiza ao amin' ny firenena. Ahitana karazam-potoana efatra ao Korea Atsimo: lohataona, fahavaratra, fararano ary ririnina. Ny lohataona dia manomboka amin' ny faran' ny volana Martsa hatramin' ny volana Mey, ny fahavaratra dia avy amin' ny Mey hatramin' ny Septambra, ny fararano dia Septambra hatramin' ny Novambra ary ny ririnina dia manomboka amin' ny Novambra hatramin' ny fisasahan' ny volana Martsa.

Tonga eo anelanelan' ny Jiona sy Septambra ny ankamaroan' ny latsak' orana. Ny morontsiraka atsimo dia iharan' ny rivodoza amin' ny faran' ny fahavaratra izay miteraka rivotra mahery, oram-batravatra ary tondra-drano. Ny latsak' orana isan-taona eo amin' ny 1 370 mm any Seoul ka hatramin' ny 1 470 mm any Busan.

Fizaran-taona [ hanova | hanova ny fango ]

Azo aseho an-tsary toy izao ny fizaran-taona:

Volana Des Jan Feb Mar Apr Mey Jon Jol Aog Sep Okt Nov
Latsak'orana Maina/misy oram-panala Manorana
Mari-pana Mangatsiaka Mafana Antonony
Fizaran-taona Mangatsiaka/maina Mafana/maina Manorana
Fampahalalana mikasika ny toe-tanin'i Korea Atsimo
Volana Jan Feb Mar Apr Mey Jio Jol Aog Sep Okt Nov Des Taona
Ambony indrindra °C (°F) 23.6 24.5 28.2 33.7 37.4 38.0 39.9 41.0 37.5 32.1 28.0 23.3 Endrika:Max/12
Ambany indrindra °C (°F) ?32.6 ?27.9 ?23 ?14.6 ?4.7 ?1.7 4.4 3.3 ?2.3 ?9.9 ?18.7 ?26.8 Endrika:Min/12
Source: [5]


Volana Mari-pana Daty Toerana
Janoary 23.6 °C (74.5 °F) 7 Janoary 2020 Jeju City, Faritanin'i Jeju
Febroary 24.5 °C (76.1 °F) 21 Febroary 2004 Jeju City, Faritanin'i Jeju
Martsa 28.2 °C (82.8 °F) 9 Martsa 2013 Jeonju, Faritanin'i Jeolla Avaratra
Aprily 33.7 °C (92.7 °F) 28 Aprily 2005 Uljin, Gyeongsang Avaratra
Mey 37.4 °C (99.3 °F) 31 Mey 2014 Daegu City, Faritanin'i Daegu
Jona 38.0 °C (100.4 °F) 26 Jona 1958 Daegu City, Faritanin'i Daegu
Jolay 39.9 °C (103.8 °F) 27 Jolay 2018 Uiseong, Gyeongsang Avaratra
Aogositra 41.0 °C (105.8 °F) 1 Aogositra 2018 Hongcheon, Faritanin'i Gangwon
Septambra 37.5 °C (99.5 °F) 1 Septambra 1944 Daegu City, Faritanin'i Daegu
Oktobra 32.1 °C (89.8 °F) 1 Oktobra 1977

1 Oktobra 1999

Mokpo, Faritanin'i Jeolla Atsimo

Jeju City, Faritanin'i Jeju

Novambra 28.0 °C (82.4 °F) 8 Novambra 1920

2 Novambra 2010

Jeonju, Jeolla Avaratra

Seogwipo, Jeju

Desambra 23.3 °C (73.9 °F) 3 Desambra 2018 Jeju City, Jeju
Volana Mari-pana Daty Toerana
Janoary ?32.6 °C (?26.7 °F) 5 Janoary 1981 Kaontian'i Yangpyeong, Faritanin'i Gyeonggi
Febroary ?27.9 °C (?18.2 °F) 6 Febroary 1969 Chun Cheon, Faritanin'i Gangwon
Martsa ?23.0 °C (?9.4 °F) 8 Martsa 1983 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Aprily ?14.6 °C (5.7 °F) 2 Aprily 1972 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Mey ?4.7 °C (23.5 °F) 16 Mey 1977 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Jona ?1.7 °C (28.9 °F) 1 Jona 2010 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Jolay 4.4 °C (39.9 °F) 5 Jolay 1976 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Aogositra 3.3 °C (37.9 °F) 27 Aogositra 1977 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Septambra ?2.3 °C (27.9 °F) 23 Septambra 1980 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Oktobra ?9.9 °C (14.2 °F) 25 Oktobra 1982 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Novambra ?18.7 °C (?1.7 °F) 22 Novambra 1973 Daegwallyeong, Faritanin'i Pyeongchang
Desambra ?26.8 °C (?16.2 °F) 24 Desambra 1973 Wonju, Faritanin'i Gangwon

Politika [ hanova | hanova ny fango ]

I Korea Atsimo dia demokrasia , midika izany fa afaka mifidy ny governemantany ny olona. Ny Filohan' i Korea Atsimo dia voafidy mandritra ny dimy taona, ary tsy afaka mijoro fanindroany amin' ny fifidianana filoham-pirenena. Ny filoha ankehitriny dia Moon Jae-In hatramin' ny 10 Mey 2017. Ny filoha teo aloha, Park Geun-Hye , dia natao ho an' ny kolikoly .

Eo ambanin' ny lalam-panorenana misy azy ankehitriny dia antsoina hoe repoblika fahenin' i Korea Atsimo ny fanjakana. Tahaka ny firenena demokratika maro, ny governemanta Koreana dia mizara ho sampana telo: fahefana mpanatanteraka, fahefana mpitsara ary fahefana mpanao lalana. Ny sampana mpanatanteraka sy ny solombavambahoaka dia miasa eo amin' ny sehatra nasionaly, na dia manao asa ao an-toerana aza ny ministera samihafa ao amin' ny sampana mpanatanteraka. Ny governemanta ao an-toerana dia mahaleotena amin' ny ampahany, ary ahitana vondrona manatanteraka ary manao lalana ho azy manokana. Ny sampana fitsarana dia miasa eo amin' ny sehatra eram-pirenena ary eo an-toerana. [6]

Fizaran' ny tany [ hanova | hanova ny fango ]

Ao Korea Atsimo dia faritany valo, faritany mizaka tena manokana iray, tanan-dehibe enina (tanana mizaka tena izay tao amina faritany), tanana manokana iray ary tanan-dehibe mizaka tena iray.

Anarana Hangul Hanja Isam-ponina
Tanana manokana ( Teukbyeolsi ) a
Seoul 서울特別市 서울 特別市 b 9.830.452
Tanan-dehibe ( Gwangyeoksi ) a
Busan 釜山廣域市 釜山廣域市 3.460.707
Daegu 大邱廣域市 大邱廣域市 2.471.136
Incheon 仁川廣域市 仁川廣域市 2.952.476
Gwangju 光州廣域市 光州廣域市 1.460.972
Daejeon 大田廣域市 大田廣域市 1.496.123
Ulsan 蔚山廣域市 蔚山廣域市 1.161.303
Tanan-dehibe mizaka tena ( Teukbyeol-jachisi ) a
Sejong 世宗特別自治市 世宗特別自治市 295.041
Faritany ( Do ) a
Gyeonggi 京畿道 京畿道 12.941.604
Gangwon 江原道 江原道 1.545.452
Chungcheong Avaratra 忠淸北道 忠淸北道 1.595.164
Chungcheong Atsimo 忠淸南道 忠淸南道 2.120.666
Jeolla Avaratra 全羅北道 全羅北道 1.847.089
Jeolla 全羅南道 全羅南道 1.890.412
Gyeongsang Avaratra 慶尙北道 慶尙北道 2.682.897
Gyeongsang Atsimo 慶尙南道 慶尙南道 3.377.126
Faritany mizaka tena manokana ( Teukbyeoljachi-do ) a
Jeju 濟州特別自治道 濟州特別自治道 661.511

Kolontsaina [ hanova | hanova ny fango ]

I Korea Atsimo dia ianjadian' ny kolontsain' ny kontinanta sy ny kolontsaina an-dranomasina noho izy ao anaty saikanosy . Ny kolontsaina koreanina tatsimo nentin-drazana dia namolavola ny kolontsainan' i Siberia , izay ao amin' ny ampahany avaratr' i Azia Afovoany sy ny faritra atsimon' i Azia Atsimo Atsinanana ary ny firenena mpifanolo-bodirindrina toa an' i Sina .

Fiteny koreanina [ hanova | hanova ny fango ]

Ny fiteny koreanina no teny ofisialy ary fampiasa mahazatra ao Korea Atsimo. Maro reo mpahaitsikerafiteny milaza fa ao amin’ ny vondron’ ny teny altaika ilay fiteny. Ny hangul izay ampiasaina amin’ ny fanoratana ny teny koreanina dia navoakan’ i Sejong tamin’ ny 1446. Io irery ny abidy fanta-datim-piforonana ary fanta-mpamorona.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Azia:

Afganistana - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijana - Bangladesy - Bareina - Botana - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indonezia - Iraka - Irana - Israely - Japana - Jordania - Kambodia - Katara - Kazakstana - Kirgizistana - Koety - Korea Atsimo - Korea Avaratra - Laosy - Libana - Maldiva - Malezia - Mianmara - Mongolia - Nepaly - Omana - Ozbekistana - Pakistana - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioana - Tajikistana - Torkia - Torkmenistana - Vietnamy .

Kontinenta eto an-tany

Tsiahy [ hanova | hanova ny fango ]

  1. "kopian'ny arisiva" (PDF) . Archived from the original (PDF) on 2010-05-31 . Retrieved 2018-12-05 .
  2. Ny faritra voahevitra dia mitombo isan-taona isan-taona, angamba noho ny fitakian-tany. 行政區域(區市軍)別 國土的. Korea Statistical Information Service (in Korean). Retrieved March 27, 2006.
  3. 3,0 3,1 et 3,2 Korea's Geography asianinfo.org
  4. http://countrystudies.us/south-korea/31.htm
  5. "Fitantanan-draharaha mikasika ny haitoetrandro ao Korea" . Retrieved 6 Septambra 2020 .
  6. " Index of Democracy 2008 " (PDF). The Economist Intelligence Unit.