Sinoa
|
Isan'ny mpiteny
|
1,31 miliara erak'izao tontolo izao
|
Faritany
|
|
Sata
|
Ny teny mandarina no teny ofisialy amin'ny firenena izay manana teny sinoa ho teny ofisialy.
|
Ny tontolo miteny sinoa
Ny
fiteny sinoa
dia fiteny voasokajy ao amin' ny
fiteny sino-tibetaina
. 1,3 lavitrisa mahery ny isan' ny olona miteny sinoa eto an-tany. Ny teny sinoa dia ao amin' ny vondrom-
piteny sinitika
, izay antsona hoe "sinoa".
Ny soratra anoratana ireo teny sinoa ireo dia tokana ihany, fa ny fanononana azy fotsiny no samihafa. Ny soratra ampiasaina amin' ny teny sinoa dia mifototra amin' ny kisarisary, izay nivoatra hatranihatrany noho ny fanatsorana azy ireo. Ankehitriny dia roa no isan' ny vondron' endri-tsoratry ny teny sinoa, ny tarehin-tsoratra sinoa nentin-drazana (ampiasaina ao
Taiwan
sy ao
Hong kong
) izay tsy nanatsotra ny endriky ny
sinograma
, sy ny tarehin-tsoratra sinoa notsorina (ampiasaina ao Sina Entim-Bahoaka), nipoitra tamin' ny taona 1956 tany Sina Entim-Bahoaka.
Misy ihany koa ny soratra antsoina hoe
nushu
, ampiasain' ny vehivavy tsy mahazo manoratra.
Any amin' ny faritra mizaka-tena dia ampiasaina ihany koa ny soratra teratany toa ny dongba na ny dai.
Dikan-tsoratra amin' ny abidy latina
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Maro ireo dikan-tsoratra amin' ny abidy latina izay ampaisaina ho an'ny teny sinoa: