I
Marsa
(marika:
) dia
fajiry
na
planeta
fahefatry ny
Lamin' ny Masoandro
. Izy no fajiry kely indrindra eo aorian' ny
Merkiora
. Ao amin' ny fianankavian' ny planeta teliorika izy. Ny anarany dia avy amin' ny anaran' ny andriamanitra
Marsa
, anarana romanan' ny andriamanitra grika Aresy (
Ares
). Noho ny endriny mena dia atao hoe Fajiry Mena na Planeta Mena koa izy.
Nanomboka tamin' ny taona 1960 ny fandehanana teny amin' ny habakabaka mba hahafantatra ny mombamomba an' i Marsa: ny
jeografiany
, ny
atmosferany
, sns.
Manana satelita roa i Marsa, dia i Phobos sy i Deimos; araka ny
fedra
grika, anaran' ny zanak' i Ares ireo anarana ireo.