I
Afrika
dia
kontinenta
iray manana velaranta mirefy 30 221 532 km
2
miaraka amin' ny
nosy
manodidina azy. Ny velaran-taniny dia 20,3 %-n' ny velarana totalin' ny Tany ary 6 %-n' ny velaran-tany maina manontolo. Mahatratra hatramin' ny iray lavitrisa ny isan' ny mponina ao aminy tamin' ny taona 2010, izany dia 16,14 %-n' ny mponina eran' izao tontolo izao. I Afrika dia voafaritry ny
Ranomasina Mediteranea
any avaratra, ny
Lakandranon' i Suez
sy ny
Ranomasina Mena
any avaratra-atsinanana, ny
Ranomasimbe Indiana
any atsinanana ary ny
Ranomasimbe Atlantika
any andrefana. Misy firenena 48 miaraka amin' i
Madagasikara
, ary 53 miaraka amin' ny
tamba-nosy
rehetra i Afrika.
Mamaky an' i Afrika ny
Fehiben-tany
ary betsaka ny
toetany
ao aminy: miovaova any avaratra, mafana ary tsindraindray misy
tanimaty
(tany efitra) eo amin' ny zana-pehintany roa miampita azy koa ary mafana sy manorana manodidina ny Fehiben-tany.
Misy firenena mihoatra ny 50 i Afrika, dia ireto avy izany:
Afrika Atsimo
,
Alzeria
,
Angola
,
Benino
,
Borkina Faso
,
Borondy
,
Botsoana
,
Ejipta
,
Eritrea
,
Esoatiny
(
Soazilandy
taloha),
Etiopia
,
Gabona
,
Gambia
,
Gana
,
Ginea
,
Ginea Bisao
,
Ginea Ekoatorialy,
Jibot?
,
Kamerona
,
Kapvera
,
Kenia
,
Komoro
,
Kotidivoara
,
Lezoto
,
Liberia
,
Libia
,
Madagasikara
,
Malao?
,
Mal?
,
Maorisy
,
Maoritania
,
Maroka
,
Mozambika
,
Namibia
,
Nizera
,
Nizeria
,
Oganda
,
Repoblika Arabo Saharaoy Demokratika
,
Repoblika Demokratikan' i Kongo
,
Repoblikan' i Afrika Afovoany
,
Repoblikan' i Kongo
,
Roanda
,
Sao Tome e Prinsipe
,
Seisely
,
Senegaly
,
Siera Leona
,
Sodana
,
Sodana Atsimo
,
Somalia
,
Somalilandy
,
Tanzania
,
Togo
,
Tonizia
,
Tsady
,
Zambia
ary
Zimbaboe
.
Tao Afrika no nipoiran' ny karazan' olombelona
homo sapiens
.
Araky ny mpahay tantara dia tao Afrika no nipoiran' ny karazan' olona
Homo Sapiens
izay saika hita eran' izao tontolo izao ankehitriny. Araka ny teorian'ny "Out of Africa" (
Mivoaka an' i Afrika
) dia tamin'ny taona 80 000 hatrany amin'ny 50 000 tal. J.K. tany ho any ny olona no nivoaka ny kaontinenta, niampita ny
Ranomasina Mena
tamin'ny alalan'ny Bab-Al-Mandaab sy ny
andilan-dranomasin'i Jibraltara
ary ny
lakandranon'i Suez
.
Ampandrosoana ny fambolena sy ny asa vy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Tamin'ny
Andro Taloha
, ireo fanjakana fanta-daza sy namela lova an-tsoratra dia ny Fanjakan' i Ejipta, ny Fanjakan' i Koso, i Meroe, ny Fanjakan' i Aksoma, i Kartajy ary i Zimbaboe Lehibe.
Tao
Ejipta
no nipoiran'ny tantara an-tsoratra tao Afrika. Ny
tetiandro nampiasain' ny Ejipsiana
tamin'izany fotoana izany dia natao hamantarana ny fotoana nisian' ny kolontsain' ny
Andron'ny Varahina
sy ny
Andron'ny Vy
tao amin' ilay faritra. Tamin' ny taona 1567 tal. J.K. hatramin' ny taona 1080 tal. J.K. no nena nirapiratan' ny sivilizasiona ejipsiana.
Nanangana seranam-pifanakalozana ny
Fenisianina
manodidina ny
Ranomasina Mediteranea
talohan'ny taona 1000 tal. J.K.. Nanangana an'i
Kartazy
(na
Kartago
) tamin'ny -814 izy ireo.
Any atsinanana indray dia nanangana an'i
Sirena
(na
Kirena
) ny grika tamin'ny taona -631. Na dia mitoka-monina noho ny tanimaty manodidina azy aza ilay tanana dia tena nanan-karena ny
Sirenaika
(na
Kirenaika
, tany manodidin' i Sirena).
Nanana hery mitarika goavana tao Ejipta ny Grika tamin' izany fotoana izany. Lazaina fa i
Aleksandra Lehibe
no namorona an' i
Aleksandria
ary ny
dinastia ptolemaika
ary namela antontan-taratasy mikasika an' i Etiopia ho lova.
Na izany aza, nandresy ireo hery telon'i
Afrika Avaratra
ny romana: i
Sirenaika
, i
Ejipta
ary i
Kartazy
. Latsaka tamin'ny 146 tal. J.K. i Kartazy rehefa niady nandritry ny taonjato maro. Nitontongana fotoana kely taoriany ireo fahefana roa hafa. Tonga hatrany
Nobia
any Etiopia ny Romanina mba hitady ny loharanon'i
Nily
, fa tsy nahomby izy ireo. Ny asa soratr'i
Ptolemeo
dia nahafantarana ny halehiben'ny tontolo fantatry ny Romana (na mivantana na amin'ny alalan'ny filazan'ny olona). Izy ireo dia miresaka momba ny
Farihy Lehibe
, seranam-pifanakalozana manaraka ny morontsiraky ny
Ranomasimbe Indianina
hatrany Rhapta any
Tanzania
ary koa ny Renirano Niger.
Namarana ny fisian'ny sivilizasiona klasika tao Afrika Avaratra ny fanafihan'ny
Vandala
tamin'ny taonjato faha-5. Nanangana fanjakana iray manana an' i Kartazy ho renivohitra izy ireo tamin'ny taona 429. Lavo tamin'ny andron'ny
Empira Bizantina
ilay fanjakana tamin'ny taona 533.
Araka ny lovantsofina dia nitondra ny
kristianisma
tao Aleksandria tamin'ny taona 60 i Masindahy
Marka
, ary lasa
eveka
voalohany tao. Ny
Eglizin'i Jerosalema
no mety nandefa misionera tao, tamin'ny taona 200 tany ho any. Tanan'ny Eglizy mampiasa ny
teny grika
i
Aleksandria
. Tamin'ny taona 325 dia 51 no isan'ny episkopata tao Ejipta ary niely tamin'ny
teny kopta
ny
Baiboly
. Tamin'ny taona 400 dia kristianina ny 90%n'ny Ejipsianina.
Taonjato faha-7 hatramin'ny taonjato faha-16
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny isan'ny fitondrana an-toerana tao Afrika talohan'ny
fanjanahan-tany
dia heverina fa any amin'ny 10 000 any ho any. Izy ireo dia samy manana ny firafitra ara-politikany. Anisan'ny fanjakana lehibe namela lova ny Fanjakan' i Akana, ny an'i
Edo
, ny an'i Ioroba ary ny an'i Igbo tao
Afrika Andrefana
. Ny tao
Afrika Atsinanana
indray dia nisy ireo fanjakana soahily teo amin'ny morontsiraka atsinanana.
Tamin'ny taonjato faha-9 dia nisy ireo fanjakana mampandova fahefana toa ny fanjakana madinika Haosa, izay nivelatra eran'ny tany rakotra bozaka ao Afrika Andrefana (avy eo amin'ny tany misy an'i
Mal?
ankehitriny hatrany atsimon'i
Sodana
). Misy ihany koa ireo fanjakana toa ny Fanjakan'i Gana, ny an' i Gao, na ny
Empiran'i Kanem-Borno
. Lavo tamin'ny taonjato faha-11 i Gana. Nandimby azy ny
Empiran'i Mal?
, izay avy ao andrefan'i Sodana ankehitriny hatrao
Senegaly
. Nanaiky ny
finoana silamo
tamin'ny taonjato faha-11 ny Kanema.
Amin'ny faritra feno alan'i
Afrika Atsinanana
, dia nivoatra tany ivelan'ny faritra nielezan'ny finoana silamo ny fanjakana mahaleotena. Niorina tamin'ny taonjato faha-9 ny
Fanjakan'i Nri
ary anisan'ny voalohany. Izy io dia entin'i Eze Nri ary anisan'ny fanjakana antitra indrindra ao
Nijeria
ankehitriny. Malaza amin'ny fahaizany mandrafitra varahina izay hita ao amin'ny tananan'i Igbo-Ukwu ny fanjakan'i Nri. Heverina fa namboarina tamin'ny taonjato faha-9 ireny zavakanto varahina ireny.
Ny Fanjakan'i Ife izay anisan'ny tanana fanjakana ioroba voalohany, dia nanangana governemanta entin'ombiasy oba ("mpitondra" amin'ny
teny ioroba
) izay antsoina hoe
Ooni an'i Ife
. Malaza amin'ny maha-ivontoerana ara-kolontsaina sy ara-pinoana lehibe ao Afrika Andrefana sy ho an'ny sary sokitra varahina i Ife.
Nampifanarahina tamin'ny fomba fitondram-panjakan'ny Oio ny rafi-pitondra-mpanjakan'i Ife. Ny mpanjakany ("oba") izay antsoina hoe Alaafin an'i Oio dia nandrindra tanana fanjakana maro na ioroba na tsy ioroba. Anisan'ny fanjakana tsy ioroba fehezin'ny Oio ny
Fanjakana Fona an'i Dahomey
.
Ny velarantany manontolon' i Afrika dia 30 000 000 km
2
any ho any izay mahatonga azy ho
tanibe
faharoa lehibe indrindra. 8 000 km ny halaviran'ny Cap des Aiguilles (ao
Afrika Atsimo
) amin'ny Ras Ben Sakka (ao
Tonizia
), ary 7 000 km ny halaviran'ny Ras Hafun (ao
Somalia
) amin'ny nosin'i
Cabo Verde
. Ny toerana avo indrindra ao Afrika dia ny tampon'ny tendrombohitra
Kilimanjaro
izay manana haavo 5 895 m. I
Aljeria
no firenena lehibe indrindra ao Afrika ary i
Nijeria
no firenena be mponina indrindra.
Maro samihafa ireo
toe-tany
hita ao Afrika. Ny faritra avaratra sy atsimo dia manana ny
toetany mediteraneanina
.
Toetanim-pehibe
ny toe-tanin'i
Afrika Afovoany
ary toe-tanin'ny
tanimaty
(
tany efitra
) no ananan'ireo faritra izay akaikin'ny
zana-pehintani
n' ny
Asorotany
ary ny tropikan' ny
Adijady
.
Ny firenena mivelatra indrindra any Afrika dia ny
Sodana
manana velarantany 2,50 tapitrisa km
2
. Ary ny firenena kely indrindra dia ny tambanosin' i
Seisela
izay 1 300 km any avaratr' i
Madagasikara
.
Azo tsinjaraina amin' ny faritra dimy ny firenena ao Afrika. Misy firenena sasany izay voasokajy anaty faritra roa na telo.
I
Afrika Avaratra
dia ny tapany avaratr'i Afrika izay mamondrona ireo firenena manana morontsiraka amin'ny
ranomasina Mediteranea
. Ireto avy ny firenena heverina fa isan'i Afrika Avaratra: i
Ejipta
, i
Libia
, i
Tonizia
, i
Aljeria
, i
Maroka
, i
Sahara Andrefana
ary i
Maoritania
.
I
Afrika Andrefana
dia faritra ao Afrika izay mahafaoka ny ampahany andrefana amin' i
Afrika atsimon'i Sahara
. Ireto avy ny firenena heverina fa isan' i
Afrika Andrefana
: I
Benino
, i
Borkina Faso
, i
Kapvera
, i
Kotidivoara
, i
Gambia
, i
Gana
, i
Ginea
, i
Ginea Bisao
, i
Liberia
, i
Maly
, i
Maoritania
, i
Nizera
, i
Nizeria
, i
Senegaly
, i
Siera Leona
ary i
Togo
.
I
Afrika Atsinanana
dia mahafaoka firenana afrikana maromaro ao amin'ny tapany atsinanan' i Afrika, izay matetika manondro ireo firenena ao amin' ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena sy fanjakana heverina fa isan'i Afrika Atsinanana: i
Eritrea
, i
Etiopia
, i
Jiboty
, i
Somalia
, i
Sodana Atsimo
, i
Kenia
, i
Oganda
, i
Tanzania
, i
Roanda
, i
Borondy
, i
Seisely
, i
Komoro
sy i
Maioty
, i
Maorisy
,
La Reunion
, i
Madagasikara
, i
Malaoy
ary i
Mozambika
.
Ny
Faritra Atsimo ao Afrika
dia ny tapan' i Afrika ao atsimo izay fitambaran' ny firenana sy tany ao atsimon' ny alam-pehibe afrikana. Ireto avy ny firenena heverina fa ao amin' ny
Faritra atsimo ao Afrika
: i
Afrika Atsimo
, i
Angola
, i
Botsoana
, i
Komoro
, i
Esoatiny
(na
Soazilandy
teo aloha), i
Lezoto
, i
Madagasikara
, i
Malaoy
, i
Maorisy
, i
Mozambika
, i
Namibia
, i
Zambia
, ary i
Zimbaboe
.
I
Afrika Afovoany
dia ahitana ny tapany atsimon' i
Sahara
sy ny tapany atsinanan' ny Ampinga andrefana afrikana ary ny lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena heverina fa anisan' i Afrika Afovoany: i
Angola
, i
Kamerona
, i
Gabona
, i
Ginea Ekoatorialy
, ny
Repoblikan' i Afrika Afovoany
, ny
Repoblika Demokratikan' i Kongo
, ny
Repoblikan' i Kongo
, i
Sao Tome e Prinsipe
, i
Tsady
, i
Malaoy
, i
Zambia
, i
Zimbaboe
, i
Borondy
ary i
Roanda
.
Ny fiteny tenenin' ny mponin' i Afrika dia tombanana ho 2 000 any ho any, izay tenenin' ny olona miisa 1 000 tapitrisa any ho any, nefa ireo fiteny be mpampiasa dia vitsy sady maro amin' izy ireo no endri-piteny isam-paritra (fitenim-paritra). Ny 50 eo ho eo ihany no misy mpiteny mihoatra 1 000 000. Akoatry ny fitenin' ny mpanjana-tany (toy ny
fiteny anglisy
, ny
fiteny frantsay
, ny
fiteny espaniola
, ny
fiteny portogey
, sns), maro dia maro ny fiteny afrikana voasokajy ho
fianakaviam-piteny
dimy: ny
fiteny afro-aziatika
(na hamito-semitika), ny
fiteny nilo-sahariana
, ny
fiteny nizero-kongoley
, ny
fiteny koizana
ary ny
fiteny aostroneziana
.
Ny
fiteny hamito-semitika
(afro-aziatika) tenenina ao Afrika dia
fianakaviam-piteny
tenenina indrindra ao
Afrika Avaratra
, ao amin' ny
Tandrok' i Afrika
, ao amin' ny faritr' i
Sahara
ary ao amin' ny ampahany amin' ny faritr' i
Sahel
.
Ny
fiteny nilo-sahariana
dia
fianakaviam-piteny
ao
Afrika atsimon' i Sahara
, ao amin' ny faritr' i Nily Ambony sy ny an' i Sahara-Ambony izay mahafaoka an' i
Nobia
. Misy fiteny miisa 200 any ho any ao amin' io fianakaviam-piteny io izay tenenin' ny olona miisa 31 000 000 any ho any. Ny fiteny nilo-sahariana dia tenenina ao amin' ny faritra tsy mitohy avy any amin' ny fivarin' ny
ony Niger
ao
Afrika Andrefana
hatrany
Etiopia
, mandalo ny lohasaha ambonin' ny renirano
Nily
ary mandalo amin' ny faritra sasany ao atsimon' i
Oganda
sy
Kenia
. Tenenina ao avaratr' i
Tsady
sy
Sodana
ary ao avaratry ny
Repoblikan'i Kongo
koa ireo fiteny ireo.
Ny
fiteny nizero-kongoley
na fiteny nizer-kongo dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan' ny fiteny afrikana dia ao amin' io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1 525, izany hoe 21 %n' ny fiteny maneran-tany, ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan' ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa 459 000 000 any ho any no miteny nizero-kongoley, izany hoe ny 7 %n' ny mponina maneran-tany, ka ny antsasaky ny isan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona miisa tsy latsaky ny 29 000 isaky ny fiteny avy. Isan' ny fiteny nizero-kongoley, ohatra, ny
fiteny ioroba
sy ny
fiteny igbo
sy ny
fiteny oolofo
ary ny
fiteny soahily
.
Ny
fiteny koisana
dia vondrom-piteny tenenin' ny
vahoaka koikoy
(na hoihoy) sy ny
vahoaka sana
ao amin' ny
faritra atsimo ao Afrika
, indrindra ao
Botsoana
, ao
Namibia
, ao amin' ny faritanin' i Noord-Kaap ao
Afrika Atsimo
, ary ao amin' ny tapany atsimon' i
Angola
. Tsy
fianakaviam-piteny
tokana ireo fiteny koisana ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe heverina fa
fiteny manirery
. Ny fiteny koisana be mpiteny indrindra dia ny
fiteny koikoy
(na
fiteny hoihoy
), fitenin' ny
foko nama
, izay isan' ireo foko lehibe ao
Namibia
.
Ny
fiteny aostroneziana
dia tenenina, indrindra eto
Madagasikara
(ny
fiteny malagasy
izay miseho amin' ny fitenim-paritra maro), any
Maioty
(ny
fiteny kibosy
), ary ao
La Reunon
sy ao
Komoro
.
Ny fakan-tany nataon' ny mpanjana-tany dia nifanindran-dalana tamin' ny fidiran' ny
fiteny eoropeana
izay lasa fiteny ifaneraseran' ny maro ankehitriny, indrindra ny
fiteny frantsay
sy ny
fiteny anglisy
. Re ao koa ny ny fiteny
portogey
, ny
fiteny alemana
, ny
fiteny espaniola
ary ny
fiteny italiana
. Nahaforona fiteny vaovao ireo mpiavy eoropeana tao
Afrika Atsimo
, dia ny
fiteny afrikansa
.
Ny
fiteny arabo
koa dia azo heverina ho fitenin' ny mpanjanaka ao amin' ny faritr' i Zanguebar (
Afrika Atsinanana
) izay nampidiran' ny Empira Omaney sy nandidiany ny olona mba hampiasa azy sy hiova finoana ho amin' ny
fivavahana silamo
.
Maro isan-karazany ny fivavahana aty Afrika, ka ny be mpanaraka indribdra dia ny fivavahan-drazana afrikana, ny fivavahana kristiana ary ny fiavavahana silamo. Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 dia ny
kristianisma
sy ny fivavahana silamo no fivavahana lehibe indrindra aty Afrika. Ny mpanaraka ny fivavahan-drazana dia 12 %n' ny mponina aty Afrika, 45 %n' kosa ny Kristiana ary 40 % ny Mozilmana.
Ny
fivavahan-drazana afrikana
dia mahalana no manjaka ao amin' ny firenena iray nefa hita manerana an' i
Afrika atsimon' i Sahara
, ka miara-misy amin' ny kristianisma sy ny fivavahana silamo sady matetika miteraka
fifangaroam-pivavahana
(sinkretisma). Ny finoana ny fisian' ny
fiainana aorian' ny fahafatesana
sy ny fisian' ny
tontolon' ny fanahy
ary ny
fivavahana amin' ny razana
dia isan' ireo singa fototra mamaritra ny fivavahan-drazana afrikana.
Ankehitriny, ny mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana dia hita amin' ny firenena miisa 43 aty Afrika, ka tombanana eo anelanelan' ny 100 000 000 sy 200 000 000 ny mpino ao aminy, ka 70 %n' ny mpanaraka ny fivavahan-drazana maneran-tany izany, ary 12 %n' ny mponina aty Afrika.
Tafaorina aty Afrika tamin' ny taonjato voalohany ny
fivavahana kristiana
, indrindra tao
Afrika Avaratra
nofehezin' ny Romana, ka tsy namela toerana ho an' ny
silamo
izany raha tsy tamin' ny taonjato faha-7.
Tamin' ny taona 1910 dia ny 1 %n' ny Kristiana no hita taty Afrika, tamin' ny taona 2010 dia nahatratra ny 23 % izany. Vitsy anisa ny Kristiana any Afrika Avaratra ha fivavahan' ny maro anisa kosa izy aty
Afrika atsimon' i Sahara
(63 %, raha 30 % ny Mozilmana). Ny isan' ny Kristiana aty Afrika no mahery mitombo indrindra maneran-tany tamin' ity taonjato faha-21 ity, vokatry ny fielezan' ny
kristianisma evanjelika
sy ireo
fiangonana teratany afrikana
, izay 36 %n' ny mponina aty Afrika atsimon' i Sahara, ka Katolika ny 21 % amin' izany.
Ny
silamo
dia niorina tamin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika sy tao amin' ny tapany avaratr' ity kontinenta ity, ary tamin' ny morony avaratry ny faritra atsimon' i
Sahara
. Manjaka manerana an' i
Afrika Avaratra
ny fivavahana silamo, ary saika manjaka tokana ao
Afrika Andrefana
(izay ahitana koa ny
animisma
), ary ampahany ao
Afrika Afovoany
(any
Tsady
) ary ahitana Mozilmana vitsy ny aty
Afrika tapany Atsimo
.
Ny 45 %n' ny vahoaka afrikana dia Mozilmana, izany hoe 1/3n' ny Mozilmana maneran-tany. Any
Afrika Avaratra
no ahitana ny 98 %n' ny Mozilmana, fa manodidina ny 30 % izany aty
Afrika atsimon' i Sahara
. Ny ankamaroan' ny Mozilmana aty Afrika dia
Sonita
. Ao
Tanzania
sy ao
Nizeria
no ahitana
Siita
vitsy anisa.
Ahitana mpanaraka ny
jodaisma
vitsy anisa ny ao
Afrika Atsimo
, izay ahitana
Jiosy
miisa 70 000 any ho any, ka
Askenazy
avy any
Eoropa
ny ankamaroany. Ny vahoaka sasany toy ny
Lemba
ao Afrika Atsimo, ny
Abaiodaia
any
Oganda
sy ny
Jiosy Igbo
ao
Nizeria
dia mitaky ny hiheverana azy ireo ho isan' ny jodaisma. Ny
Beta Israely
, izay efa nisy tao
Etiopia
tamin' ny fotoana nanjakan' ny mpanjaka
Solomona
sy ny
mpanjakavavin' i Saba
, dia betsaka nifindra monina any
Israely
tamin' ny taona 1984 sy tamin' ny taona 1991.
Momba an' i Afrika
Ireo kontinenta sy faritra hafa
Ireo kontinenta
Faritra sasany eto an-tany
Boky amin' ny teny anglisy
- Asante, Molefi (2007).
The History of Africa
. USA: Routledge.
ISBN 0-415-77139-0
.
- Clark, J. Desmond (1970).
The Prehistory of Africa
. London: Thames and Hudson.
ISBN 978-0-500-02069-2
.
- Crowder, Michael (1978).
The Story of Nigeria
. London: Faber.
ISBN 978-0-571-04947-9
.
- Davidson, Basil (1966).
The African Past: Chronicles from Antiquity to Modern Times
. Harmondsworth: Penguin. OCLC 2016817.
- Gordon, April A.; Donald L. Gordon (1996).
Understanding Contemporary Africa
. Boulder: Lynne Rienner Publishers.
ISBN 978-1-55587-547-3
.
- Khapoya, Vincent B. (1998).
The African experience: an introduction
. Upper Saddle River, NJ: Prentice Hall.
ISBN 978-0-13-745852-3
.
- Moore, Clark D., sy Ann Dunbar (1968).
Africa Yesterday and Today, in series, The George School Readings on Developing Lands.
New York: Praeger Publishers.
- Naipaul, V. S..
The Masque of Africa: Glimpses of African Belief.
Picador, 2010.
ISBN 978-0-330-47205-0
Boky amin'ny teny frantsay
- Guy Ankerl,
Urbanisation rapide en Afrique Tropicale,
Berger-Levrault, Paris-Abidjan, 1987, (
ISBN 978-2-7013-0673-5
)
- Georges Balandier,
Sociologie actuelle de l'Afrique noire. Dynamique des changements sociaux en Afrique centrale
, PUF, Paris, 1984 (1re ed. 1955)
- Frederique Briard, Tiken Jah Fakoly -
L'Afrique ne pleure plus, elle parle
., Les arenes, 2008
- Sylvie Brunel :
- Asie, Afrique : grenier vides, greniers pleins
, Economica, ≪ Economie agricole ≫, 1986
- L'Afrique. Un continent en reserve de developpement
, Breal, 2004, (
ISBN 978-2-84291-866-8
)
- L'Afrique dans la mondialisation
, La documentation photographique, no 8048, La documentation francaise, 2005
- Mongo Beti,
Main basse sur le Cameroun. Autopsie d'une decolonisation
, La Decouverte, 2003 (1re ed. 1972)
- Catherine Coquery-Vidrovitch,
Les Africaines : histoire des femmes d'Afrique noire du XIXe au XXe siecle
, Desjonqueres, 1994
- Cheikh Anta Diop :
- Nations negres et culture
, Presence Africaine, 1954
- L'unite culturelle de l'Afrique noire
, Presence Africaine, 1960
- L'Afrique noire precoloniale
, Presence Africaine, 1960
- Civilisation ou Barbarie
, Presence Africaine, 1981
- Joseph Ki-Zerbo,
Histoire de l'Afrique noire
, Hatier, 1978
- Camara Laye,
L'enfant noir
, 1953
- Tidiane N'Diaye :
- Jacques Nougier,
Carnet d'afriques
, L'Harmattan, 2006, 160 pages, (
ISBN 2-296-01569-7
)
- Theophile Obenga,
Les Bantu, langues, peuples, civilisations
, Presence Africaine, 1985
- Francois-Xavier Verschave :
- Francafrique : Le plus long scandale de la Republique
, Stock, 1998
- Negrophobie
, les arenes, 2005
- Rene Dumont :
- L'Afrique noire est mal partie
, 1962
- Pour l'Afrique
, j'accuse, 1986