Prosia

Avy amin'i Wikipedia
Ny Fanjakan' i Prosia tao amin' ny Empira Alemana tamin' ny taona 1871

I Prosia tany am-boalohany dia faritr' i Eoropa Avaratra-Atsinanana , izay ampahany nandray ny kolontsaina alemana teo ambany fifehezan' ny Mpitaingin-tsoavany Teotonika, saingy tany ivelan' ny Empira Masina Romana Jermanika . Nanjary fananan' ny sampana iray amin' ny Hohenzollerns (fianakaviana mpanjaka sy emperora tany Eoropa) i Prosia tamin' ny taonjato faha-16, avy eo dia tafaray indray tamin' ny Fanjakan' i Brandenburg (faritr' i Berlin ) tamin' ny taonjato faha-17. Atao hoe Prusse izy amin' ny teny frantsay , Prussia amin' ny teny anglisy , fa Preußen (vakina hoe /?p????sn?/) kosa amin' ny teny alemana .

I Prosia dia singa nanan-danja tao amin' ny Fanjakan' i Prossia tamin' ny taona 1701 ka hatramin' ny 1871, nampidirina tao amin' ny Empira Alemana nanomboka tamin' ny taona 1871 (Reich Alemana Faharoa). Tamin' izany, i Prosia tamin' ny endriny tam-boalohany dia mifanandrify amin' ny Faritanin' i Prosia Atsinanana, indrindra taorian' ny Ady Lehibe Voalohany , rehefa lasa nitoka-monina tamin' ny faritra hafa rehetra any Alemaina.

Ny maha fananany an' i Prosia no nahafahan' ireo mpifidy tao Brandenburg nahazo ny anaram-boninahitra "mpanjaka" tamin' ny taonjato faha-18, voalohany "mpanjaka any Prosia" tany Konigsberg (izany hoe ivelan' ny Empira), avy eo "mpanjakan' i Prosia" (anisan' izany ny tao Berlin).

Taorian' ny fahaverezan' ny faritra manan-tantaran' ny Fanjakan' i Prosia, izay nifanjaran' i Polonina sy i Rosia ary i Litoania , dia nitsahatra tsy nampiasaina any Alemaina intsony taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, afa-tsy amin' ny resaka tantara, ny anarana hoe Prosia ( Preußen ).

Tsy manana fisiana ara-dalana na ara-politika intsony i Prosia ankehitriny; noho izany dia azo heverina ho fanjakana rava, satria ny fari-taniny teo aloha dia voatsinjara eo amin' ny governemantan' ny Lander alemana samihafa, ary ny ampahany lehibe dia lasan' i Polonina , tsy hadino ny faritra Konigsberg , izay lasa tany mitokamonina sovietika , avy eo rosiana , izay antsoina hoe Kaliningrad.