Ny
loteranisma
na
loterianisma
dia iray amin' ny sampana lehiben' ny
protestantisma
, sampan' ny
kristianisma
, no sady ilazana ny
teolojia
nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' ilay teolojiana sy
monka
(na moanina)
aogostiniana
alemana atao hoe
Martin Lotera
(
alemana
:
Martin Luther
), nanomboka tamin' ny taona 1517. Izany fandinihana izany dia niteraka ny teolojia protestanta maro sy ny fiangonana protestanta isan-karazany tamin' ny taonjato faha-16, sady nipetraka ho loharano amin' ny
tenim-pianoana
(na dogma) sy
foto-pampianarana
ao amin' ny teolojian' ny fiangonana loterana maro, indrindra any
Alemaina
sy any
Skandinavia
(
Danemarka
,
Norvezy
, sns.).
Ahitana fiangonana loterana ny any amin' ny faritra na firenena hafa toa an' i
Alsace
, i
Lorraine
, i
Madagasikara
, i
Namibia
, i
Polonia
ary ireo
firenena balta
(
Estonia
sy
Letonia
ary
Litoania
). Mahakasika ny finoan' ny Kristiana loterana sy ny fiangonana loterana maro ary ny antontan-tsoratra momba ny teolojia sy ny anjara asan' ny fiangonana ny loteranisma. Harena iombonan' ny
Fanavaozana protestanta
ny teolojian' i Lotera.
Ny anarana hoe
loterana
dia teny fanaratsiana ny mpanaraka an' i Lotera nataon' ilay
teolojiana skolastika
alemana atao hoe Johann Maier von Eck nandritra ny adihevitra tao
Leipzig
tamin' ny volana Jolay 1519
[1]
. Nanaraka ny fomba fanomezana anarana an' ireo mpanao
fampianaran-diso
(heretika) izay mifototra amin' ny anaran' ny mpitarika azy i Eck sy ny mpino katolilka hafa koa, ka ny hoe
loterana
dia napetaka hilazana ny teolojian' i Martin Lotera
[2]
.
Tsy nankasitraka ny teny hoe
loterana
i Martin Lotera fa nisafidy ny hoe
Evangelisch
(
evanjelika
na
evanjelikaly
, "
ara-pilazantsara"
) izay avy amin' ny
teny grika
hoe
ε?αγγ?λιον
/
euangelion
, midika hoe "vaovao mahafaly", izany hoe "filazantsara"
[1]
. Ny mpanaraka an' i
Jean Calvin
, i
Ulrich Zwingli
sy ny teolojiana maro hafa mifandray amin' ny
Reformasiona
dia nampiasa koa io teny hoe
evangelisch
(alemana) na
evangelical
(anglisy) na
evangelique
(frantsay) io. Mba hanavahana ireo vondrona evanjelika na ara-pilazantsara roa ireo dia nisy ny nanondro ireo vondrona roa ireo ho
Loterana evanjelika
(na
Loterana ara-pilazantsara
) sy
Nohavaozina evanjelika
(na
Nohavaozina ara-pilazantsara
). Rehefa ela ny ela dia tsy nampiasaina intsony ny hoe
evanjelika
(ara-pilazantsara). Nampiasa ny hoe
loterana
hanondroany ny tenany ny mpino loterana nanomboka tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-16, mba hiavahany amin' ny vondrona evanjelika hafa toy ny
Anabatista
sy ny
Kalvinista
. Tamin' ny taona 1597 dia namaritra ny hoe
loterana
ny teolojiana tao
Wittenberg
hanodroana izay heveriny ho "fiangonana marina"
[2]
.
Teolojiana
anisan' ireo nitarika ny
Reformasiona
tamin' ny taonjato faha-16 i
Martin Lotera
. Teraka tao
Eisleben
(ao amin' ny kontean' i
Mansfeld
, ankehitriny any Saxe-Anhalt) izy tamin' ny 10 Novambra 1483. Zanaka lahy voalohan' ingahy Hans Luder sy ramatoa Marguerite Zidler, izay fianakaviana nivelona tamin' ny fitrandrahana
varahina
sy fandrendrehana
metaly
, izy.
Nalefan-drainy handranto fianarana tamin' ny ambaratonga voalohany sy faharoa tao amin' ny sekolin' i Mansfeld izy, avy eo tao
Magdeburg
sy tao
Eisenach
. Nampitovin' i Lotera tamin' ny
afo fandiovana
sy ny
afobe
izany fandefasana azy an-tsekoly izany. Tamin' ny faha-18 taonany izy (taona 1501) dia niditra tao amin' ny oniversiten' i
Erfurt
ka tao no nahazoany ny maripahaizana bakalorea sy metrizy. Nanana eritreritra ny hianatra lalana izy nefa nandao ny fianarana. Voasariky ny
teolojia
sy ny
filozofia
i Lotera. Ny filozofia anefa tsy nahafa-po azy, satria mampanantena fanatanterahan-javatra ho an' ny saina fa tsy misy fifandraisany amin' ny fitiavan' Andriamanitra.
Nandao ny oniversite izy ka tapa-kevitra niditra tao amin' ny fikambanan' ny mpirahalahy aogostiniana tao Erfurt izy tamin' ny taona 1505 noho ny tahotra fahafatesana sy ny fitsaran' Andriamanitra taorian' ny filatsahan' ny varatra teo akaikiny sy noho ny nahafatesan' ny namany anankiray.
Tao amin' ny fikambanana mpangataka misy ny Aogostiniana i Martin Lotera no nanandrana nikaroka tsy nisy vokany tamin' ny alalan' ny fampijalian-tena ny
famonjena
azy. Natao
ordinasiona
ho
pretra
izy tamin' ny taona 1507 ary voatendry hampianatra filozofia tao amin' ny toeram-pihibohana tao Erfurt. Lasa dokotera amin' ny teolojia izy tamin' ny taona 1512.
Tamin' ny taona 1517 dia tsy nifanarahana tamin' ny
papa
ny amin' ny
indolzansy
i Lotera, izay natao hahazoam-bola hamatsiana ny fanamboarana ny
bazilika Masindahy Piera
. Tamin' ny 31 Oktobra dia nanoratra tamin' ny
arseveka
i Lotera mba nangataka aminy ny tsy hanohana io fivarotana indolzansy io sady nampiarahiny amin' ny taratasiny ireo
tsangan-kevitra 95
izany. Navoakany ampahibemaso tamin' ny 31 Oktobra 1517 ireo tsangan-keviny ireo, izay nofantsihiny tamin' ireo varavaran' ny trano fiangonan' ny Olo-Masina ao
Wittemberg
. Nampangain' i arseveka Albrecht tany
Roma
i Lotera.
Nanoratra taratasy nandidy an' i Lotera hivadika amin' ny heviny ny papa
Leo X
, nefa nodoran' i Lotera teo anatrehan' ny vahoaka izany. Tafasaraka tamin' ny
Fiangonana katolika
izy tamin' ny taona 1521. Ny emperoran' ny
Empira Masina Romana Jermanika
sady mpanjakan' i
Espaina
dia nampiantso an' i Martin Lotera hanatrika ny fivoriana tao
Worms
. Tao am-pivoriana dia nanda ny hiova hevitra i Lotera ka nanambara fa eo ambany fahefan' ny
Baiboly
sy ny feon' ny fieritreretany izy fa tsy ambanin' ny fahefan' ny mpitondra fivavahana. Nanameloka an' i Lotera ny mpivory ka nandroaka azy hiala ny faritry ny Empira.
Ny fahasoavana, ny finoana, ny Soratra Masina ary i Jesosy Kristy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny
Sola gratia
("Fahasoavana irery ihany") dia fanambarana midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin' ny alalan' ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin' ny fitiavam-bavaka. Naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin' Andriamanitra i Lotera fa tsy fifandraisana miorina amin' ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny
fanasan' ny Tompo
(na eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanompoam-pivavahana ahitana
toriteny
dia mampahatsiahy ny mpivavaka fa fitiavana amin' izao fotoana izao
Andriamanitra
sady azo tsapain-tanana ao amin' ny asa azo tsapain-tanana nataon' ny
Zanany
izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.
Ny asa tsara ataon' ny olona dia tsy mandray anjara amin' ny
fanavotana
azy fa ny finoana irery ihany (
latina
:
Sola fide
"Finoana irery ihany"). Izany finoana izany dia ny finoana ny fahafatesan' i
Jesosy Kristy
mitondra fanavotana teo amin' ny
hazofijaliana
noho ny
fahotan
' ny olombelona izay miaiky azy ho
mpamonjy
. Ny finoana irery ihany fa tsy ny foto-pampianaram-pinoana na ny asa tsara ataon' ny olombelona no miantoka ny famonjena.
Ny
Baiboly
no fahefana fara tampony sady tokana tsy maintsy ankatoavin' ny Kristiana sy ny Fiangonana amin' ny finoany sy ny fiainana maha kristiana azy. Ny Baiboly no mirakitra ny tenin' Andriamanitra ka izy irery ihany no mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana. Izany no hevitra fonosin' ny teny latina hoe
Sola scriptura
("Soratra Masina irery ihany").
Ny famonjena ny
fanahin' ny olombelona
dia tsy maitsy mandalo amin' i
Kristy
mivantana sy amin' ny alalany irery ihany (latina:
Solus Christus
, "Kristy irery ihany"). I Jesosy Kristy no hany
mpanelanelana
fa tsy ny mpitondra fivavahana na ny olo-masina na ny
anjely
. Ny
Solus Christus
dia manambara koa fa ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia tsy amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny andrim-pivavahana (latina:
institutio
) na ny sisan-javatra navelan' ny maty (latina:
reliquiae
).
Miisa roa fotsiny ny
sakramenta
ao amin' ireo fiangonana loterana, toy ny hita ao amin' ny
fiangonana protestanta
hafa, dia ny
batisa
sy ny
fanasan' ny Tompo
(na Eokaristia). Amin' ny Loterana dia tsy sakramenta ny
konfirmasiona
, ny fanamasinam-
panambadiana
, ny
ordinasiona
ary ireo fanao hafa ataon' ny Katolika sy ny Ortodoksa hoe sakramenta.
Manatanteraka ny fanaovana
batisa ankizy
ny Loterana.
Ny
fanasan' ny Tompo
dia fomba anamasinan' ny
pastora
ny mofo sy ny divay ary isotroana sy ihinanan' ny mpivavaka izany araka ny nandidian' i
Jesosy Kristy
tamin' ny niarahany misakafo farany tamin' ireo
mpianany
manao hoe: "Izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy".
Anisan' ny
fanekem-pinoan
' ny Loterana ny
Fanekem-pinoana apostolika
sy ny
Fanekem-pinoana nikeana
.
"Mino an'
Andriamanitra Ray
Tsitoha
,
Mpanao
ny lanitra sy ny tany aho; ary mino an’ i Jesosy Kristy,
Zanaka
lahy Tokana Tompontsika. Izay notorontoronina tamin’ ny
Fanahy Masina
, naterak’ i
Maria
Virijiny
, nijaly raha nanapaka i
Pontio Pilato
, nohomboana tamin’ ny
hazofijaliana
, maty ka nalevina,
nidina tany amin’ ny fiainan-tsi-hita
,
nitsangana
tamin’ ny maty tamin’ ny andro fahatelo,
niakatra
ho any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hihaviany
hitsara
ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ ny
olona masina
, ny
famelan-keloka
, ny
fitsanganan’ ny tena amin’ ny maty
ary ny
fiainana mandrakizay
.
Amena
".
"Izaho mino an’
Andriamanitra Tokana
,
Ray
tsitoha
,
Mpanao
ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita. Izaho mino an’ i
Jesosy Kristy
Tompo Tokana,
Zanak’ Andriamanitra
Lahitokana; nateraky ny Ray talohan’ ny fotoana rehetra; Andriamanitra avy amin’ Andriamanitra; fahazavana avy amin’ ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’ Andriamanitra marina; nateraka fa tsy noharina; miray
Sobstansa
(izay maha-Izy Azy) amin’ ny Ray; amin’ ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra. Noho isika olombelona sy ny
famonjena
antsika no nidinany avy any an-danitra, ary
tonga nofo
notorontoronin’ ny
Fanahy Masina
tao an-kibon’ i
Maria
virijina
ka natao olombelona;
nohomboana
tamin’ ny
hazo fijaliana
koa hisolo antsika fony nanapaka
Pontio Pilato
; nijaly ary nalevina; ary
nitsangana
indray tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
niakatra
ho any an-danitra; mipetraka eo ankavanan’ ny Ray, ary ho avy indray amim-boninahitra
hitsara
ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany. Izaho mino ny
Fanahy Masina
, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay
avy amin’ ny Ray sy ny Zanaka
; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin’ ny alalan’ ny
mpaminany
; sady mino koa ny Fiangonana tokana, masina, apostolika, manerana izao tontolo izao. Izaho manaiky ny
batisa
iray ho
famelan-keloka
, ary miandry ny
fitsanganan’ ny maty
sy ny
fiainana mandrakizay
.
Amena
".
Mino sy mampianatra ny
Trinite
- izay manondro an' Andriamanitra tokana misy
persona
telo, dia ny
Ray
sy ny
Zanaka
ary ny
Fanahy Masina
- ny Loterana.
Ny tatitra tamin' ny taona 2011 momba ny firehan' ny
kristianisma
dia nanombana ny ampahan' ny mponina maneran-tany manaraka ny loteranisma ho 10 %n' ny
Protestanta
(40 %n' ny Kristiana maneran-tany ny Protestanta), izany hoe 4 % amin' ny Kristiana manera-tany.
Ireo
firenana skandinaviana
(
Islandy
,
Norvezy
,
Danemarka
,
Soeda
), i
Finlandy
, i
Estonia
, i
Alemaina
Avaratra no firenana loterana. I
Letonia
dia ahitana mpino loterana maro anisa. Noho ny
fanjanahan-tany
nataon' ny
Empira Alemana
dia firenena tokana ivelan' i
Eoropa
misy Loterana maro anisa i
Namibia
.
Amin' ny firenena maro hafa dia ahitana mpino loterana maromaro ihany, toa an' i
Brezila
, i
Etazonia
(indrindra ny ao amin' ny faritra Midwest:
North Dakota
sy
South Dakota
), i
Etiopia
, i
Indonezia
, i
Madagasikara
, i
Papoazia-Ginea-Vaovao
ary i
Tanzania
. Ahitana mpino vitsy nefa tsy azo tsinontsinoavina ny ao
Kaokazy
(ireo Alemana monina any), indrindra ny ao
Jeorjia
. Ahitana Loterana ihany koa ny any
Estonia
,
Polonia
,
Aotrisy
,
Slovakia
,
Slovenia
,
Kroatia
,
Serbia
,
Kazakstana
ary
Tajikistana
. Ahitana Loterana koa ny any
Nizeria
,
Repoblikan' i Afrika Afovoany
,
Tsady
,
Kenia
,
Malaoy
,
Repoblika Demokratikan' i Kongo
,
Kamerona
,
Etiopia
ary
Zimbaboe
. Misy Loterana koa ny any
Kanada
,
Frantsa
,
Repoblika Tseka
,
Hongria
,
Malezia
,
India
,
Nederlandy
,
Afrika Atsimo
, ary ny
Fanjakana Mitambatra
,
- ↑
1,0
et
1,1
Espin, Orlando O. and Nickoloff, James B.
An introductory dictionary of theology and religious studies
. Collegeville, Minnesota: Liturgical Press, p. 796.
- ↑
2,0
et
2,1
Fahlbusch, Erwin, and Bromiley, Geoffrey William,
The Encyclopedia of Christianity, Volume 3
. Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 2003. p. 362.