한국   대만   중국   일본 
Fitsarana momba ny Lalampanorenana ? Wikipedia Aller au contenu

Fitsarana momba ny Lalampanorenana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana dia rafitra miandraikitra ny fiantohana ny maha fenitra ambony indrindra ny lalampanorenana araka ny teoria momba ny ambaratongam-pitsipika. Koa mba hiantohana ny fanjakana tan-dalana dia ilaina ny fanamarinana ny fifanarahan' ny lalana amin' ny lalampanorenana amin' ny alalan' ny fanaraha-maso izany. Indraindray izy io dia mety hantsoina hoe Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana any amin'ny firenena sasany.

Niely nanerana an' izao tontolo izao ny modelin' ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana tamin' ny taonjato faha-20, miaraka amin' ny fandaminana izay samy manana ny azy. Ohatra, ny fanaraha-maso ny lalana dia azo atao mialoha na aoriana ny fandaniana azy. Ny fitondrana raharaha eny amin' ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana dia mety atao ho an' ny manampahefana sasany, na misokatra ho an' ny olon-tsotra tsirairay. Ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana sasany dia manana fahefana ara-pitsarana hafa (eo amin' ny sehatry ny fifidianana, ohatra) na ara-pitantanan-draharaha.

Ity modely ity dia tsy mitovy amin' izay ampiasaina any amin' ireo firenena manana fomban-dalana anglo-saksona, izay anaovana ny fanaraha-maso ny fifanarahan' ny lalana amin' ny lalampanorenana eo anatrehan' ny mpitsara tsotra, amin' ny fotoana andavanandro.

Mifanohitra amin' izany ny mitranga amin' ny firenena sasany izay ahitana ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana izay mety manana ny fahefan' ny Fitsarana Tampony.

Indreto ny firenena ahitana io karazana fitsarana io: Afrika Atsimo , Albania , Alemaina , Angola , Aotrisy , Armenia , Azerbaijana , Bielorosia , Belzika , Benino , Bolgaria , Bosnia-Herzegovina , Ejipta , Ekoadora , Espaina , Gabona , Goatemala , Hongria , Indonezia , Irana , Italia , Jeorjia , Jordania , Kazakstana , Kirgizistana , Koety , Kolombia , Korea Atsimo , Kosovo , Kroasia , Letonia (na Latvia), Libanona , Litoania , Loksemborga , Malta , Mianmara , Moldavia (na Moldova), Mongolia , Montenegro , Nizera , Oganda , Okraina , Ozbekistana , Pero , Polonia , Portogaly , Repoblika Demokratikan' i Kongo , Repoblika Dominikana , Makedonia Avaratra , Romania , Rosia , Serbia , Sily , Singapora , Siria , Slovakia , Slovenia , Sorinama , Tailandy , Taioana , Torkia , Tsady , Tsekia , Zambia , ary Zimbaboe .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]