Aotrisy

Avy amin'i Wikipedia
Republik Osterreich ( ( de ) )
( ( de ) )
Repoblikan' i Aotrisy ( ( mg ) )
Sainan’ Aotrisy Evan’ Aotrisy
( Antsipirihany ) ( Antsipirihany )
Teny filamatra : Tsy misy
Teny ofisialy fiteny alemana (tenim-pirenena) ; fiteny magyar sy fiteny slovena (tenim-paritra)
Renivohitra Vienne
48°12′N 16°21′E  /  48.200°N 16.350°E  / 48.200; 16.350
Tanana ngeza indrindra Vienne
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Chancelier
Repoblika federaly
Alexander Van der Bellen
Karl Nehammer
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 112
83 879 km²
0,84 %
Isam-ponina
 - Tontaliny ( 2021 )
 - hakitroka
faha 88
8 932 664 mpo.
106 mpo./km²


Anaran'ny mponina Aotrisianina
IDH ( 2019 ) Mihakatra 0,922 (ambony) faha 15
Sandam-bola Euro ( EUR )
Faritr'ora UTC +1
Hiram-pirenena Land der Berge, Land am Strome
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+43

Ny Aotrisy na Repoblikan' i Aotrisy , dia firenena any Eoropa Afovoany , tsy manana morontsiraka, voafaritr' i Soisa sy i Liktenstaina any andrefana, i Italia sy i Slovenia any atsimo, i Hongria sy i Slovakia any atsinanana ary i Alemaina sy ny Repoblika Tseky any avaratra. Firenenana mpikambana ao amin' ny Vondrona Eoropeanina mampiasa ny sandam-bola Euro i Aotrisy. I Vienna no renivohiny ary ny fiteny ofisialiny dia fiteny alemana .

Firenena tsy manana moron-tsiraka i Aotrisy. Be tendrombohitra ny vohon-taniny: ireo tendrombohitra Alpa Aotrisiana izay mandrakotra ny 80 %n' ny taniny.

Miompana amin' ny taozava-baventy sy ny fizahan-tany ny toekaren' i Aotrisy.

Manana tantara lava i Aotrisy. Ireo faritra any Aotrisy ankehitriny dia tafiditra tao amin' ny Empira Romana . Nanomboka tamin' ny taonjato faha-13 i Aotrisy dia teo ambany fifehezan' ny Empira Masina Romana Jermanika . Lasa empira matanjaka i Aotrisy taty aoriana izay nahatatra ny fara tampon' ny tanjany tamin' ny taona 1848 hatramin' ny 1916. Nanomboka tamin' ny taona 1867 izy dia lasa nantsoina hoe Empira Aostro-Hongariana . Tamin' ny 26 Jona 1914 dia nisy namono i Francois-Ferdinand zana-drahalahin' ny emperora izay tokony handova ny fitondrana, ka izany no nampipoaka ny Ady Lehibe Voalohany . Rava ny Empira Aostro-Hongariana tamin' ny fiafaran' izany ady izany ka tetraka ny Repoblika Aotrisiana, izay naharitra teo anelanelan' ny taona 1918 sy 1938. Nakamban' i Hitler tamin' i Alemaina i Aotrisy taty aoriana. Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa anefa dia ny tafik' ireo firenena niady amin' ny nazisma no nibodo ny tanin' i Aotrisy. Lasa fanjakana nanana ny fiandrianany indray i Aotrisy tamin' ny taona 1955, tafatsangana indray ny Repoblika Aotrisiana ary niala amin' izay ireo firenena nibodo azy. Niditra ho  mpikambana ao amin' ny Vondrona Eoropeana i Aotrisy tamin’ ny taona 1995.

Tantara [ hanova | hanova ny fango ]

Toetany [ hanova | hanova ny fango ]

Toe-karena [ hanova | hanova ny fango ]

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Eoropa

Albania - Alemaina - Andora - Aotrisy - Belzika - Bielorosia - Bolgaria - Bosnia-Herzegovina - Danemarka - Espaina - Estonia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy ) - Hongria (na Hongaria ) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeorjia - Kipra (na Sipra ) - Kosovo - Kroasia (na - Kroatia ) - Letonia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedonia Avaratra (na Makedonia Avaratra )- Malta - Moldavia - Montenegro - Nederlandy - Norvezy - Okraina - Polonia - Portogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marino - Serbia - Slovakia - Slovenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikana.

Kontinenta eto an-tany

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]