Ny
tetiandro
joliana
na
kalandrie
joliana
dia tetiandro manara-masoandro nampiasaina tany
Roma
tamin' ny
Andro Taloha
izay nampidirin' i
Jolio Kaisara
tamin' ny taona 46 tal. J.K. mba hanoloany ny tetiandro romana repoblikana. Nampiasaina tany
Eoropa
io
tetiandro
io hatramin' ny nanoloana azy amin' ny
tetiandro gregoriana
tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-16.
Fiangonana ortodoksa
dimy no anisan' ireo mbola mampiasa azy hatramin' izao, dia ny
Fiangonana ortodoksan' i Jerosalema
, ny
Fiangonana ortodoksan' i Rosia
, ny
Fiangonana ortodoksan' i Makedonia
ary ny
Fiangonana ortodoksan' i Serbia
. Ny faritra sasany any
Magreba
koa dia mampiasa ny tetiandro joliana, indrindra ny
Berbera
ao
Afrika Avaratra
.
Tamin' ny taona 46 tal. J.K. dia nanapa-kevitra i
Jolio Kaisara
, araka ny toro hevitr' ilay mpahay kintana grika atao hoe Sosigenesy avy any
Aleksandria
, mba hanao tetiandro vaovao. Ny iray taona ao amin' io tetiandro io dia maharitra 365 andro ho an' ny taona fohy fa 366 andro kosa ho an' ny taona lava isan' efa-taona izay amerenana indroa ny 24
Febroary
. Tsy ny voalohan' ny volana
Marsa
intsony fa ny voalohan' ny volana
Janoary
no natao andro voalohany amin' ny taona.