I
Sina
na ny
Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina
dia firenena any
Azia Atsinanana
. Ny isan' ny mponina ao aminy dia mihoatra ny 1,3 lavitrisa, 1/5n' ny isan' ny mponina eto an-tany, izy noho izany no firenena be olona indrindra eto an-tany. Hatry ny 1979, mba tsy "hipoaka" ilay firenena noho ny habetsaky ny olona, ferana ho tokana ny isan' ny zaza anatin' ny tokantrano iray ho an' ny
Sinoa
hana
. Nanomboka tamin' ny taona 2013, dia nomena alalana hiteraka zaza roa ny mpivady izay nateraka ho zaza tokana. Amin' ny velarany misy 9 641 144 km², firenena ngeza indrindra any
Azia Atsinanana
i Sina, ary izy no firenena fahatelo lehibe indrindra maneran-tany amin' ny velarana, ao aorian' i
Rosia
sy i
Kanada
.
Voaorina tamin' ny 1 Oktobra 1949 ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina, nanaraka ny fandresen' ny antoko komonista sinoa an' i Guomindang. I Sina dia sivilizasiona tranainy indrindra mbola misy eto an-tany amin' izao tontolo izao, efa nisy 5 000 taona lasa izy. Ankehitriny, miseho ho repoblika sosialista izy, antoko iray no mitondra, manana hasina amin' ny faritany 22 ary faritany mizaka tena dimy, kaominina efatra ary faritany administrativa manokana (
Hong-Kong
sy Macao).
Tamin' ny 1949 dia nanapitra ny fakan' ny hasina ambon' i Sina an-kontinenta ny komonista (miaraka amin' ny nosy Hainan). Tapitra teo ny andron' ny ady an-trano sy ny fizarana ara-politika. Tamin' ny 1 Oktobra dia nanambara ny fiforonan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina i
Mao Zedong
teo amin' ny toerana Tien'anmen, any
Beijing
. Lasa tany
Taiwan
ny olon' i
Guonmindang
, Ilay hasina vaovao te hanome toerana ny lamina ekonomika sy sosialy vaovao, mifantoka amin' ny ohatra
sovietika
sy atao ho an' ny zava-misy sinoa.
Tanin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Manana olana momba ny sisintany ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny tena goavana be dia ilay olana ara-tsisintany mikasika ny nosin' i
Taioana
. Tononin' ny Taioaney hoe "Repoblikan' i Sina" ny tenany; mitonon-tena ho Sinoa ny Taioaney nefa manao fahaleovantena ara-politika (tsy manaiky ny komonisma ny Sinoa mipetraka any Taioana). Na dia tsy nisy fiovana aza tamin' ny lalam-panorenana, tsy mitaky ny fiandrianam-pirenena intsony ary milaza ihany ny fitondran' i Taioana hoe firenena ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Tsy miaiky ny fikambanana iraisam-pirenena hoe firenena manana fahaleovantena i Taioana (ohatra ny
Firenena Mikambana
). Miteny ny RES hoe faritany fotsiny ihany ny nosin' i Taoana. Nanao tolo-kevitra ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina mba hitambatra ao aminy ny Repoblikan' i Sina
[1]
, fa tsy neken' ny fitondranan' ny Repoblikan' i Sina io tolo-kevitra io hatramin' izao.
Tontolo iainana sy ny fiovan' ny toetrandro
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Tsi-fitovian' ny isan' ny vavy sy ny lehilahy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny
fiteny sinoa
dia fiteny voasokajy ao amin' ny
fiteny sino-tibetaina
. 1,3 lavitrisa mahery ny isan' ny olona miteny sinoa eto an-tany. Ny teny sinoa dia ao amin' ny vondrom-
piteny sinitika
, izay antsona hoe "sinoa". Izao ny sampan' ny fiteny sinoa:
fiteny sinoa mandarina
(izay manana sata ofisialy),
fiteny wu
(izay ampiasaina ao amin' ny faritanin' i
Jiangsy
ary ao
Zhejiang
),
fiteny kantoney
(tenenina ao amin' ny faritanin' i
Guangdong
, i
Guangxi
),
fiteny gan
(tenenina ao amin' ny faritanin' i Jiangxi),
fiteny hakka
(tenenina ao amin' ny tapany avaratr' i
Guangdong
sy
Fujian
), ny
fiteny min
(izay hita ao amin' ny faritanin' i Guangdong, ny Fijian), ny
fiteny xiang
(ao
Hunan
), ny
fiteny jin
(any amin' ny tapany avaratr' i Sina, karazany amin' ny fiteny sinoa avaratra), ny
fiteny hui
(karazan' ny fiteny wu),
fiteny ping
(karazan' ny fiteny kantoney).
Firenena ao Azia:
Afganistana
-
Arabia Saodita
-
Armenia
-
Azerbaijana
-
Bangladesy
-
Bareina
-
Botana
-
Broney
-
Emirata Arabo Mitambatra
-
Filipina
-
Iemena
-
India
-
Indonezia
-
Iraka
-
Irana
-
Israely
-
Japana
-
Jordania
-
Kambodia
-
Katara
-
Kazakstana
-
Kirgizistana
-
Koety
-
Korea Atsimo
-
Korea Avaratra
-
Laosy
-
Libana
-
Maldiva
-
Malezia
-
Mianmara
-
Mongolia
-
Nepaly
-
Omana
-
Ozbekistana
-
Pakistana
-
Palestina (fanjakana)
-
Rosia
-
Sina
-
Singaporo
-
Siria
-
Srilanka
-
Tailandy
-
Taioana
-
Tajikistana
-
Torkia
-
Torkmenistana
-
Vietnamy
.
Kontinenta eto an-tany
- ↑
Hevitr'i Deng Xiao Ping
|