Ny
toetrandro
dia ny fitambaran' ny zava-miseho ao amin' ny sosona ambany ao amin' ny habakabaka manodidina ny
tany
na ny
planeta
hafa amin' ny fotoana voatondro sy amin' ny toerana voafaritra iray. Mampiditra ao amin' ny sehatry ny toetrandro ireo zava-miseho manana fiantraikany tsapan' ny olona na ny zavamananaina hafa, toy ny
rahona
, ny taratry ny
masoandro
, ny
hafanana
, ny
rivotra
, ny
orana
ary ny
fahazavana
.
Singa efatra no miara-miasa mba hanome toetrandro, dia ny tsindrin' ny
soson-drivotra
, ny hafanana, ny
hamandoan
' ny soson-drivotra ary ny rivotra. Ireo singa ireo koa dia iharan'ny asan' ny singa dimy hafa, dia ny
laharam-pehintany
, ny
haavon-toerana
(mitaha amin' ny
ranomasina
), ny
bamban-tsiriana
, ny rian-dranomasina, ny fitsijaran' ny erana amin' ny tany sy ny ranomasina.
Ny zava-mitranga miteraka ny toetrandro dia mety hiseho amin' ny habe ara-potoana sy arak' erana samihafa: mitranga ao anatin' ny ora vitsy na mandritra ny andro maro, miseho amin' ny toerana na tanana iray na ao anaty kilometatra toradroa anarivony. Ireo rehetra ireo dia mahazo
angovo
avy amin' ny masoandro.