Ny
Siriana
na
vahoaka siriana
dia ny mponina ao
Siria
izay manana razambe
semitika
iraisany avy ao
Atsinanana Akaiky
(any
Ampiposahana
). Amin' ny
teny arabo
dia atao hoe ?????? ("Siriana") na ????? ?????? /
al-sha'ab al-S?r?
("vahoakan' i Siria") izy ireo, fa amin' ny
teny siriaka
kosa dia ??????. Ny lova ara-kolontsaina sy ara-pitenin' ny vahoaka siriana dia fifangaroan' ny singa avy eo an-toerana sy ny kolontsain' ny vahiny nifehy ny tany sy ny mponina tao nandritra ny an' arivony taona.
Ny Repoblika Siriana dia misy mponina 19,5 tapitrisa tamin' ny taona 2018, ary miisa 6 tapitrisa koa ny mpitsoa-ponenana siriana any ivelany, anisan' izany ny
Kiorda
. Ny ankamaroan' ny vondrom-poko ara-kolontsaina maro anisa dia ahitana ny Siriana taranaky ny vahoaka teratany semitika fahiny (
Asiriana
,
Amorita
, sns.) izay nifangaro tamin' ny
Arabo
teratany nonina tany amin' ny Efitr' i Siria sady manambara ny tenany ho Arabo, ankoatra ny
Arameana
. Ny zanaka am-pielezana siriana dia ahitana olona miisa 15 tapitrisa manana razambe siriana nifindra monina any
Amerika Avaratra
(
Etazonia
sy
Kanada
), any amin' ireo firenena mpikambana ao amin' ny
Vondrona Eoropeana
(anisan' izany i
Soeda
, i
Frantsa
ary i
Alemaina
), any
Amerika Atsimo
(indrindraindrindra i
Brezila
, i
Arjentina
, i
Sily
, i
Venezoela
, ary i
Kolombia
), any amin' ny faritra
Karaiba
, aty
Afrika
, any
Aostralia
, ary any
Zelandy Vaovao
.