Santa Losia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Santa Losia
Sarin-tany maneho an' i Santa Losia eo anivon' izao tontolo izao

I Santa Losia dia firenena nosy ao Amerika Afovoany , ao amin' ireo nosy Antilia , manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika sy ao amin' ny Ranomasina Karaiba . I Castries no renivohiny. Mirefy 620 km 2 ny velaran-taniny ary nisy mponina miisa 166 487 tao tamin' ny taona 2020. Ny tanana lehibe indrindra dia ny renivohiny. Ny faritr'ora dia ?4.

Nosy avy amin' ny afotroa i Santa Losia. Tandavan-tendrombohitra no makivaky azy avy avaratra mankany atsimo. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetany any. Atao hoe Saint Lucia izy amin' ny teny anglisy .

Sarin-tanin' i Santa Losia

Manaraka ny fivavahana katolika ny ankamaroan' ny mponina ao amin' firenena io. Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Santa Losia. Mandray anjara be koa ny fizahan-tany . Nahazo ny fahaleovan-tenany i Santa Losia tamin' ny taona 1979. Mikambana ao amin' ny Commonwealth   izy. Ny fiteny anglisy no fiteny ofisialy any aminy.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bolivia - Brezila - Dominika - Ekoadora - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Hait? - Hondorasy - Jamaika - Kanada - Kioba - Kolombia - Kosta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Pero - Porto Riko - Repoblika Dominikana - Salvadoro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tobago - Venezoela

Kontinenta eto an-tany