Ny Lakandranon' i Suez hita avy amin' ny zanabolana
Ny
Lakandranon' i Suez
dia lakandrano any
Ejipta
, eo anelanelan' ny
Ranomasina Mena
sy ny
Ranomasina Mediteranea
. 190,25 km ny halavany, 280 hatramin' ny 345 m ny sakany, ary 22,50 m ny halaliny. Miampita ny
Andilan-tanin' i Suez
izy, avy any
Port-Said
eo amin' ny Ranomasina Mediteranea, hatrany amin' ny tananan' i
Suez
eo amin' ny Ranomasina Mena. Ahafahan' ireo ranomasina roa ireo mifandray izany.
Nanomboka tamin' ny
1859
ilay tetikasa fangadiana azy, ary tapitra tamin' ny
1869
izany. Ny diplomata sy injeniera frantsay
Ferdinand de Lesseps
no nitondra ilay tetikasa. Io lakandrano io dia ahafahan' ny sambo avy ao
Eoropa
makany
India
tsy mila mandalo any
Afrika Atsimo
eo amin' ny Cap de Bonne Esperance. Talohan' ny fanokafana ilay lakandrano tamin' ny
1869
, ny entana dia tsy maintsy entina an-tanety eo anelanelan' ny
Ranomasina Mediteranea
sy ny
Ranomasina Mena
.
Noho ny fahombiazany, izay nampitombo isa ny sambo mandalo ao, ny Lakandranon' i Suez dia fidiram-bola fahatelo any
Ejipta
. Raha sanatria misy zavatra manentsina ilay lakandrano, ny vola very amin' izany dia misy 7 tapitrisa dolara isan' andro.
Ny tompon' io lakandrano io dia ny
Suez Canal Authority
, tompon' andraikitry ny fikarakarana azy.