Kamerona

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Kamerona
Sarin-tany maneho an' i Kamerona

I Kamerona dia firenena ao Afrika Afovoany , manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika ; voafatritr' i Nizeria avy ao andrefana, i Tsady ao avaratra-atsinanana, ny Repoblikan' i Afrika Afovoany ao atsinanana, ny Repoblikan' i Kongo sy i Gabona ary i Ginea Ekoatorialy ao atsimo, ary ny Ranomasimbe Atlantika ao atsimo-andrefana; manana velaran-tany mirefy 475 440 km 2 . I Yaounde no renivohi ny. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth i Kamerona. Mizara io firenena io ho roa ny tangoron-tendrombohitra Adamaoua izay ahitana ny tendrombohitra Cameroun ao atsimo-andrefana izay mahatratra 4 095 m. Betsaka biby dia ny ao Kamerona, ka isan' izany ny antilopa , ny elefanta , ny gorily , ny liona sns.

Misy vondrom-poko maro ny ao Kamerona: ny Folany sy ny Kiridy ny ao avaratra, ny vahoaka miteny banto (indrindra ny Bamoleke ) ny ao atsimo, ny Pigmea ao amin' ny ala atsimo. Atao hoe Kameroney ny vahoakan' io firenena io.

Kristiana ny ankamaroan' ny vahoaka kameroney, misy koa ireo manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista sy ny silamo . Ny fiteny frantsay sy anglisy no fiteny ofisialy ao nefa ahitana fiteny afrikana maro koa ao. Tamin' ny taona 1960 no nahazon' i Kamerona ny fahaleovan-tenany.

Miankina amin' ny fambolena ny toekaren' i Kamerona, ka isan' ny volena any ny kafe , ny kakao , ny ny akondro , ny landihazo (na hasy).

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angola - Benino - Borkina Faso - Borondy - Botsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny ( Soazilandy taloha) - Etiopia - Gabona - Gambia - Gana - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatorialy - Jibot? - Kamerona - Kapvera - Kenia - Komoro - Kotidivoara - Lezoto - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Mal? - Maorisy - Maoritania - Maroka - Mozambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demokratika - Repoblika Demokratikan' i Kongo - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kongo - Roanda - Sao Tome e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leona - Sodana - Sodana Atsimo - Somalia - Somalilandy - Tanzania - Togo - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kontinenta eto an-tany