한국   대만   중국   일본 
Fiteny skotsy ? Wikipedia Aller au contenu

Fiteny skotsy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny skoty dia karazan' ny fiteny anglika ao amin' ny fianakaviam-piteny jermanika andrefana, tenenina any Ekosy sy ny ampahany amin' i Ulster any avaratr' i Irlandy . Io no fiteny tenenin' ny ankamaroan' ny olona any amin' ny faritra ambany any Ekosy Ambany ( Scottish Lowlands ), ireo Nosy any Avaratra, ary any amin' ny faritra avaratr' i Ulster. Ny fiteny skotsy ankehitriny dia fiteny mpirahavavy amin' ny fiteny anglisy ankehitriny, satria nisaraka avy amin' ny loharano iray ihany izy roa: ny fiteny anglisy antenatenany (taona 1100?1300).

Ny fiteny skotsy dia neken' ny governemanta ekosey ho fiteny tompontany any Ekosy, fitenim-paritra na fitenin' ny vitsy anisa any Eoropa , ary fiteny marefo ho an' ny UNESCO . Tamin' ny fanisam-bahoaka natao tao Ekosy tamin' ny taona 2011 dia olona maherin' ny 1,5 tapitrisa any Ekosy no nilaza fa afaka miteny skotsy.

Noho ny tsy fisian' ny fepetra eken' ny rehetra hanavahana ny fiteny amin' ny fitenim-paritra dia matetika ny manam-pahaizana sy ny antoko liana hafa dia tsy mitovy hevitra momba ny sata ara-piteny sy ara-tantara ary ara-tsosialy misy ny fiteny skotsy, indrindra ny fifandraisany amin' ny fiteny anglisy.