한국   대만   중국   일본 
Firenena Baltika ? Wikipedia Aller au contenu

Firenena Baltika

Avy amin'i Wikipedia
Estonia sy Letonia ary Litoania

Ny Firenena Baltika na Firenena Balta dia ireo firenena telo ao atsinanan' ny Ranomasina Baltika : i Estonia sy i Letonia (na Latvia) ary i Litoania .

Manana velaran-tany mirefy 175 000 km 2 ireo Firenena Balta, sady misy mponina miisa 6 826 000. Hodidinin' ny Ranomasina Baktika ao andrefana izy ireo sady mitambatra sisin-tany amin' i Rosia sy i Bielorosia ary i Polonia . Ny Oblastan' i Kaliningrad, Konigsberg alemaina taloha, izay eo anelanelan' i Litoania sy i Polonia, dia an' i Rosia. Tsy dia mikintoana firy ny vohon' ny tany ao amin' ity faritra ity, izay ahitana farihy sy kamory etsy sy eroa, indrindra ao avaratra, ary misy havoana ny ao Litoania.

Tsy miteny balta avokoa ireo firenena telo ireo: i Estonia dia miteny fino-ogriana ( fiteny estoniana ) fa tsy miteny balta (ny fiteny litoaniana sy letona na latviana izay zaba-bondron' ny fiteny indo-eoropeana ).

Ireo firenena balta

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]