Ny
Fiangonana Ortodoksa Koptan' i
Aleksandria
dia
fiangonana ortodoksa tatsinanana
,
tsy kalkedoniana
sady mahaleo tena. Isan' ny
Fiangonan' ny konsily telo
izy. Ny filohany dia atao hoe "Papan' i Aleksandria sy Patriarkan' ny Toritenin' ny Masindahy Marka sy an' i Afrika manontolo", ka ao
Kairo
renivohitr' i
Egipta
no fonenany. Hatramin' ny taona 2012 dia i Tawadros II no papan' io fiangonana io.
Ity fiangonana ity dia mitory ny
miafizisma
izay tsy tokony hampitovizina amin' ny
monofizisma
: tsy manaraka ny fanapahan-kevitry ny
Konsily tao Kalkedona
izy noho ny antony momba ny
tenim-pinoana
(dogma) sy momba ny
kanona
n' ny
Soratra Masina
(lisitry ny boky ao amin' ny
Baiboly
) ary ara-politika.
Hatramin' izay ka hatramin' ny taona 1959 dia isan' io fiangonana io ny
Fiangonana etiopiana ortodoksa
izay nahazo ny
patriarka
ny manokana tamin' io taona io.
Ny Fiangonana Ortodoksa Koptan' i Aleksandria dia fantatra koa amin' ny anarana hoe:
- Fiangonana Koptan' i Aleksandria;
- Fiangonana Ortodoksa Kopta;
- Fiangonana Ortodoksan' i Egipta;
- Fiangonana Ortodoksa Egiptiana.
Araka ny fomba fijery ofisialin' ny Fiangonan' i Aleksandria dia efa hatramin' ny andron' ny
Apostoly
no nisian' io fiangonana io. Nizara ho sampana roa izy taorian' ny
Konsily tao Kalkedona
, ka ny ankamaroany namorona ny Fiangonana Kopta Ortodoksa ary ny sisa namorona ny
Fiangonana Grika Ortodoksan' i Aleksandria
(Fiombonana ortodoksa).
Araka ny
lovantsofina
samihafa izay tsikerain' ny mpikaroka amin' izao andro vaovao izao dia naorin' i
Marka
evanjelista io fiangonana io
[1]
.
Tamin' ny 4 Novambra 2012 i Tawadros II na Teodoro II izay nandimby an' i Chenouda III izay maty tamin' ny 17 Marsa 2012 teo amin' ny toerana maha papa azy
[2]
.
- ↑
Guillaume Bourin,
≪ 5 raisons pour lesquelles Marc n'a pas fonde l'Eglise d'Alexandrie ≫
2014. in
Le Bon Combat
[
tahiry
]
- ↑
RTBF infos
[
tahiry
]