Fiangonana Ortodoksa Koptan' i Aleksandria

Avy amin'i Wikipedia
Katedraly ortodoksa kopta Abbasyia ao Kairo

Ny Fiangonana Ortodoksa Koptan' i Aleksandria dia fiangonana ortodoksa tatsinanana , tsy kalkedoniana sady mahaleo tena. Isan' ny Fiangonan' ny konsily telo izy. Ny filohany dia atao hoe "Papan' i Aleksandria sy Patriarkan' ny Toritenin' ny Masindahy Marka sy an' i Afrika manontolo", ka ao Kairo renivohitr' i Egipta no fonenany. Hatramin' ny taona 2012 dia i Tawadros II no papan' io fiangonana io.

Ity fiangonana ity dia mitory ny miafizisma izay tsy tokony hampitovizina amin' ny monofizisma : tsy manaraka ny fanapahan-kevitry ny Konsily tao Kalkedona izy noho ny antony momba ny tenim-pinoana (dogma) sy momba ny kanona n' ny Soratra Masina (lisitry ny boky ao amin' ny Baiboly ) ary ara-politika.

Hatramin' izay ka hatramin' ny taona 1959 dia isan' io fiangonana io ny Fiangonana etiopiana ortodoksa izay nahazo ny patriarka ny manokana tamin' io taona io.

Ny anarany [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Fiangonana Ortodoksa Koptan' i Aleksandria dia fantatra koa amin' ny anarana hoe:

  • Fiangonana Koptan' i Aleksandria;
  • Fiangonana Ortodoksa Kopta;
  • Fiangonana Ortodoksan' i Egipta;
  • Fiangonana Ortodoksa Egiptiana.

Tantarany [ hanova | hanova ny fango ]

Araka ny fomba fijery ofisialin' ny Fiangonan' i Aleksandria dia efa hatramin' ny andron' ny Apostoly no nisian' io fiangonana io. Nizara ho sampana roa izy taorian' ny Konsily tao Kalkedona , ka ny ankamaroany namorona ny Fiangonana Kopta Ortodoksa ary ny sisa namorona ny Fiangonana Grika Ortodoksan' i Aleksandria (Fiombonana ortodoksa).

Araka ny lovantsofina samihafa izay tsikerain' ny mpikaroka amin' izao andro vaovao izao dia naorin' i Marka evanjelista io fiangonana io [1] .

Tamin' ny 4 Novambra 2012 i Tawadros II na Teodoro II izay nandimby an' i Chenouda III izay maty tamin' ny 17 Marsa 2012 teo amin' ny toerana maha papa azy [2] .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Loharano [ hanova | hanova ny fango ]

  1. Guillaume Bourin, ≪ 5 raisons pour lesquelles Marc n'a pas fonde l'Eglise d'Alexandrie ≫ 2014. in Le Bon Combat [ tahiry ]
  2. RTBF infos [ tahiry ]