Fanonganam-panjakana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanonganam-panjakana dia fanesorana ny fitondrana ataon’ ny olona manana fahefana tsy ara-dalana, amin’ ny fomba tsy ara-dalana sady matetika tanterahina amin' ny fomba feno habibiana, tsy araka ny lalam-panorenana . Tsy ampitovina amin’ ny revolisiona na tolom-bahoaka izany satria fanonganana ataon’ ny vahoaka ity farany. Misy ny fanonganam-panjakana ataon’ ny sivily fa misy kosa ny fanonganam-panjakana ataon’ ny miaramila izay tanterahina amin' ny fampiasana fitaovam-piadiana.

Raha eo amin’ny tantara dia iray amin’ ny fomba fakana fahefana materi-iseho ny fanonganam-panjakana. Tamin' ny taona 1980 dia maherin' ny antsasa-manilan' ny governemanta eran-tany no vokatry ny fanonganam-panjakana. Ny mpanao fanonganam-panjakana matetika dia miantehitra amin' ny tafika ary mahazo ny fanohanan' ny ampahany farafaharatsiny amin' ny mpitarika politika sy ny fiarahamonim-pirenena.

Ny fanonganam-panjakana dia matetika ataon' ny olona efa manana toerana lehibe ao amin' ny fanjakana. Mety ho vondrona manamboninahitra izany, ohatra, nandritra ny Revolucao dos Cravos tany Portogaly tamin' ny taona 1974.

Ohatra, tao Sily , ny tafika dia nanatrika nandritra ny fiovana ara-politika lehibe indrindra, nanomboka tamin' ny fahaleovantena tamin' ny 1844, ka hatramin' ny nialan' i Augusto Pinochet tamin' ny taona 1990. Tamin' ny Septambra 1970, ny fifidianana demokratika dia nitondra an’ ilay sosialista Salvador Allende ho filoham-pirenena. Notarihin’ ny jeneraly Pinochet komandin’ izy ireo ny tafika izay nanongana ny filoha Allende tamin’ ny 11 Septambra 1973. Nogadraina tao amin’ ny lapan’ ny filoham-pirenena i Allende, ary namono tena. Niaina tanaty didy jadona miaramila nandritra ny fotoana ela teo ambany fitondran' i Pinochet i Sily talohan' ny niverenany amin' ny demokrasia tamin' ny 1990.

Indraindray dia mitranga ny fanonganam-panjakana ataon' ny tompon' andraikitra sivily ambony, toy ny tamin' ny famerenana ny Empira Faharoa nataon' i Louis Napoleon Bonaparte , ilay nantsoina hoe Napoleon III taty aoriana. Voafidy ho Filohan’ ny Repoblika faharoa izy tamin’ ny taona 1848, dia nifandona tamin’ ny Antenimiera mpanao lalana voafidy tamin’ ny volana Mey 1849. Ny lalam-panorenana mandrara ny filoha tsy hilatsaka hofidiana indray amin’ ny fiafaran’ ny fe-potoam-piasany nefa niezaka ny hahazo fanitsiana ny lalam-panorenana izy. Nolavin’ ity antenimiera ity izany tamin’ ny 19 Jolay 1851. Tapa-kevitra ny hijanona eo amin’ ny fitondrana i Louis Napoleon Bonaparte, ka nampiasa hery. Ny Antenimiera indrindra no niharan’ ny fanonganam-panjakana. Niantehitra manokana tamin’ i Morny, rahalahiny, mpandraharaha ara-bola mpanao kolikoly, sy tamin’ ny jeneraly Saint-Arnaud, lehibe faharoan’ ny tafika, ny filoha izay nanambara, tamin’ ny marainan’ ny 2 Desambra 1851, ny fandravana ny Antenimieram-pirenena ary nanambara ny hisian’ ny plebisita izay nanome alalana azy hanome andrim-panjakana imperialy an' i Frantsa . Ny fiantombohan' ny fikomiam-bahoaka nokarakarain' ny Repoblikana dia nofaizin’ ny miaramila nobaikoin' i Saint-Arnaud. Tamin' ny 21 Desambra 1851, ny lalam-panorenana vaovao, izay nialoha ny famerenana amin' ny laoniny ny Empira, dia nankatoavina tamin' ny alalan' ny plebisita.

Ny fanonganam-panjakana dia azon’ ny sivily, tsy anisan’ ny mpitondra fanjakana, tanterahana. Ny Revolisiona Rosiana tamin' ny taona 1917, notarihin' i Lenine izay bolsevika, no ohatra mahazatra amin' ity karazana fanonganam-panjakana ity.