Ny
volana
dia tsingerim-potoana na halavam-potoana mitovitovy faharetana amin' ny tsingerim-pihodinan' ny
Volana
amin' ny
Tany
. Arakaraka ny
tetiandro
ampiasaina ny halavan' ny volana ka mety ho 28 ka hatramin' ny mihoatra ny 30
andro
izany. Misy
herinandro
efatra mahery andro vitsivitsy ny ao anatin' ny iray volana raha misy fito andro ny herinandro iray. Misy 12 volana ny ao anatin' ny
taona
iray nefa mety hisy volana fanampiny izany arakaraka ny tetiandro ampiasaina ka hahatonga ny taona sasany hisy
13 volana
. Manana anarana arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny volana tsirairay ao anatin' ny taona.
Tamin' ny voalohany dia ny fifanindrifian' ny tsingerim-pihodinan' ny
Volana
sy ny an' ny
Masoandro
no nandrefesana ny volana. Maro karazana ny faharetan' ny volana iray arakaraka ny teboka izay heverina ho sady fiaingana no fiafaran' ny lalan' ny Volana.
- Ny salam-paharetan' ny
volana manaraka endri-bolana
, izany hoe ny tsingerim-pisehoan' ny endriky ny Volana, dia misy 29,53058885 andro. Ny endriky ny Volana dia mety ho ny fahatsinanany na ny maha fenomanana azy sns.
- Ny salam-paharetan' ny
volana manara-kintana
, izany hoe ny tsingerim-pisehoan' ny Volana mitaha amin' ny
kintana
iray, dia misy 27,321661547 andro.
- Ny salam-paharetan' ny
vola-mikisaka
, izany hoe ny tsingerim-pihodinan' ny Volana ampitahaina amin' ny fagitry ny lanitra hatramin' io fangitra io dia misy 27,321582 andro.
- Ny salam-paharetan' ny
volana manara-masoandro
, izany hoe ny fizarana amin' ny isa 12 ny taona manara-masoandro (mikisaka), dia misy 30,43685 andro.
- Ny
volan-tetiandro
dia misy 28 na 29 na 30 na 31 andro.
Ny salam-paharetan' ny volana gregoriana dia 30,436 875 andro ao anaty efajato taona fa 30,4375 andro kosa anaty efatra taona.
Anaran' ny volana gregoriana sy faharetany
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ireto ny anaram-bolana ofisialy amin' ny teny malagasy ao anatin' ny iray taona amin' ny
tetiandro be mpampiasa
amin' izao:
Janoary
(31 andro),
Febroary
(28 na 29 andro),
Marsa
(31 andro),
Avrily
(30 andro),
Mey
(31 andro),
Jona
(30 andro),
Jolay
(31 andro),
Aogositra
(31 andro),
Septambra
(30 andro),
Oktobra
(31 andro),
Novambra
(30 andro),
Desambra
(31 andro). Ny totalin' ny andro anatin' ireo volana ireo dia 365 na 366 andro.
Ny Febroary dia mety ho soratana hoe
Fevrie
; ny Marsa mety ho
Martsa
; ny Mey mety ho
May
; ny Jona mety ho
Jiona
.
Ny fiavian' ny anaram-bolana gregoriana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny ankamaroan’ ny anaram-bolana moderna dia anarana nanomezam-boninahitra ireo
andriamanitry
ny Romana sy ny emperora na kaisarany fony izy ireo
nanompo sampy
. Na dia lasa tanana kristiana aza i
Roma
dia tsy nanan-kevitra hanova ireo anaram-bolana ireo ny mpitondra fivavahana izay nanam-pahefana tamin-javatra maro tamin' izany fotoana izany. Tsy nanova koa ny antokom-pivavahana kristiana hafa niforona taty aoriana, na dia ireo izay tsy te hanan-javatra ifandraisana amin' izay lazainy ho
fanompoan-tsampy
aza.
M
alagasy
|
Frantsay
|
Anglisy
|
Latina
|
Heviny
|
Janoary, Zanvie
|
Janvier
|
January
|
Ianuarius
|
Mifandray amin' ny andriamanitra
Janosy
, andriamanitry ny fiantombohana sy ny fiafarana.
|
Febroary, Fevrie
|
Fevrier
|
February
|
Februarius
|
Volam-pidiovana, mifandray amin' i
Apolo
, andriamanitry ny zavakanto, ny hira, ny mozika, ny hatsara endriky ny lehilahy, ny tononkalo ary ny fahazavana.
|
Marsa, Martsa
|
Mars
|
March
|
Martius
|
Mifandray amin’ i
Marsa
, andriamanitry ny ady.
|
Avrily, Aprily
|
Avril
|
April
|
Aprilis
|
Volam-pisokafan’ ny voninkazo sy ny taona, volan’ ny andriamanibavy
Afrodita
|
Mey, May
|
Mai
|
May
|
Maius
|
Mifandray amin’ ny andriamanibavy
Maia
, andriamanitry ny fahalonahana sy ny lohataona
|
Jona, Jiona
|
Juin
|
June
|
Iunius
|
Mifandray amin’ ny andriamanibavy
Jono
, mpiaro ny fanambadiana
|
Jolay
|
Juillet
|
July
|
Iulius
|
Volana anomezam-boninahitra an’ i
Jolio Kaisara
(emperora romana)
|
Aogositra
|
Aout
|
August
|
Augustus
|
Volana anomezam-boninahitra an’ i
Aogosto
(Kaisara)
|
Septambra
|
Septembre
|
September
|
September
|
Volana "fahafito"
|
Oktobra
|
Octobre
|
October
|
October
|
Volana "fahavalo"
|
Novambra
|
Novembre
|
November
|
November
|
Volana "fahasivy"
|
Desambra
|
Decembre
|
December
|
December
|
Volana "fahafolo"
|
Ny volana malagasy mitondra anarana arabo dia misy 29 na 30 andro satria momba ny
tetiandro manara-bolana
manaraka ny tsingerim-pihodinan' ny
Volana
izay maharitra 29,530 589 andro (na 29 andro sy 12 ora sy 44 minitra). Ny andro voalohany amin' ny volana tsirairay dia ny andro ahatsinanan' ny Volana ka tsy misy daty raikitra mifanandrify aminy ao amin' ny
tetiandro gregoriana
izany satria ny salam-paharetan' ny volana gregoriana dia 30,436 875. Misy karazany roa ny anaram-bolana malagasy ka ny iray avy amin' ny
fiteny arabo
fa ny iray hafa avy amin' ny
fiteny sanskrita
. Tsy raikitra ny fifanandrifian' ireo volana roa toko ireo noho ny fahasamihafana isam-paritra sy isaky ny mpanandro, nefa misy ny milaza fa toy io aseho amin' ny fafana manaraka io izany fifandraisana izany.
Volana
Tetiandro