Port-au-Prince
dia renivohitr'i
Haiti
ary tanana be mponina indrindra any Hiti. Mety miisa 3,81 tapitrisa ny isam-ponina ao amin'ny tananan-dehibe (2008). Ny anaram-ponina dia Port-au-princianina na Port-au-Princien(-ne)(-s) amin'ny
fiteny frantsay
. Any amin'ny sisin'ny golfan'ny Gonave,
kafe
sy
siramamy
ny ankabeazan'ny entana avoakan'ny Port-au-Prince. Manao lasopy, lamba sy simenitra izy anatin'ny ozininy.
Tamin'ny
12 Janoary
2010, ravan'ny horohorontany miisa 7,0 amin'ny
mari-drefy Richter
, ny isan'ny olona maty dia lazaina fa aman-alina, lazain'ny fahefana fa roa hetsy ny isan'ny maty. Azo hoarina amin'ny tsunami nitranga tamin'ny 26 Desambra 2004 tany Indonezia (maty 220 000) io voina io. Tsy maintsy ravaina sy averina amboarina tanteraka ny tananan'i Port-au-Prince, amin'ny alalan'ny fanampiana iraisam-pirenena sy ny 10 lavitrisa dollar nentiny hanamboarana ilay tanana. Mety miisa iray alina sy iray hetsy ny isan'ny olona matin'ny vokatr'io horohorontany io (
23 Janoary
2010).