한국   대만   중국   일본 
Sinograma notsorina ? Wikipedia Aller au contenu

Sinograma notsorina

Avy amin'i Wikipedia

Ny sinograma notsorina na soratra sinoa notsorina dia anisan'ny fomba fanoratana ny fiteny sinoa . Izy ireo dia ampiasaina ao amin'ny Repoblika entim-bahoakan'i Sina sy any Singapaoro . Izy ireo dia samihafa amin'ny sinograma nentindrazana ampiasaina any Hong Kong, Macao, Taiwan ary any Japana (hijery ny lahatsoratra kanji ho an'ny fampiasana ny sinograma amin'ny fiteny japoney).

Ny sinograma notsorina dia tenenina hoe ?化字 (簡化字) ou ??字 (簡體字) ; hanyu pinyin  : ji?nhuazi na ji?nt?zi .

Tantara [ hanova | hanova ny fango ]

Hanzi amin'ny sinograma nentindrazana
Hanzi amin'ny sinograma notsorina

Tamin'ny 1909 , i Lu Feikui , mpanoratra ao amin'ny Jiaoyu Zazhi (Gazetin'ny Fianarana) dia namoaka hevitra momban'ny ≪ soratra manana endrika malaza ≫ (俗?字) ao anaty famelabelaran-kevitra nivoaka tanatin'ny magazine-ny. Tamin'ny 1922, i Qian Xuantong dia namoala fomba valo fanatsorana ny soratra sinoa. Avy amin'io ny fanatsorana ofisialy no hivoaka.

Tao aorian'izay, nolazaina fa manakana ny modernizasionan'ny sina ny soratra sinoa (nentindrazana), amin'ny fivoaran'ny haisoratra ary manakana ny mponina hahay hanoratra.

Tamin'ny fahahtongavan'ny komonisa, nisy ny reforma momban'ny soratra. Ny tanjon'izy io dia nanamora ny fanoratana ny sino?rama mba hanamora ny fianarana azy ary mamorona abidy ara-drafipeo mifototra amin'ny litera latina, ny hanyu pinyin, mba hanolo tsikelikely ny fanoratana logografika.

Tamin'ny 28 Janoary 1956, navoaka ny lisitra voalohany misy ny lisitry ny soratra notsorina. Izy io dia manana fizarana telo :

  • Ao amin'ny voalohany dia misy sinograma 230 mifototra amin'ny fanatsorana nataon'ny vahoaka ;
  • Ao amin'ny faharoa dia misy 285 sinograma natolotra, mbola iadin-kevitra hatramin'izao ;
  • Ao amin'ny fahatelo dia misy 54 fiaron-tsinograma natolotra, mbola iadin-kevitra ankehitriny ;
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.