I Sahel Avaratra
I
Sahel
dia ilay faritra miendri-pehinkibo eo anelanelan' ny faritr' i
Sahara
ao avaratra, sy ny faritra feno bozaka nefa vitsy ala manandrify an' i
Sodana
izay toerana manorana ihany ao atsimo. Mitomandavana hatrany amin' ny morontsiraka any
Atlantika
ka hatrany amin' ny
Ranomasina Mena
izy. Avy amin' ny
teny arabo
hoe ?????
sah'l
izay midika hoe "tany lemaka" ny teny hoe
Sahel
, izay soratana amin' ny fiteny eoropeana maro hoe
Sahel
. Miovaova arakaraka ny mpanoratra ny faritra tondroina amin' ny hoe
Sahel
. Amin' ny mpanoratra sasany dia mahafaoka ny faritra manamorona an' i Sahara izy: misy noho izany ny atao hoe
Sahel Atsimo
sy ny hoe
Sahel Avaratra
. Ity farany ity no tiana hotenenina rehefa tsy tovonana ny
mpamari-toetra
hoe
atsimo
ilay anarana.
Ireto avy ny firenena voakasik' i Sahel: i
Alzeria
(tapany farany atsimo), i
Senegaly
, i
Maoritania
(tapany atsimo), i
Maly
, i
Borkina Faso
, i
Nizera
, i
Nizeria
(amin' ny tendrony avaratra), i
Tsady
(ao afovoany), i
Sodana
(ao afovoany, indrindra fa ao
Darfora
sy ao
Kordofana
) ary i
Kapvera
. Atambatra amin' izy ireo indraindray i
Jibot?
, i
Etiopia
, i
Eritrea
ary i
Somalia
.
Fizaram-paritra ao Afrika:
Faritra hafa: