I
Ovidio
na
Ovida
dia poeta, mpanoratra, mpanao asa soratra romana, teraka tamin' ny 18 Marsa 43 tal. J.K. tao Sulmona ary maty tamin' ny taona 17 na 18 tal. J.K. tany an-tsesitany any Tomis (i Constan?a any
Romania
ankehitriny),
Niaina tamin' ny vanim-potoana nahaterahan' ny
Empira Romana
izy. Ny sanganasany malaza indrindra dia ny
Ars amatoria
("fahaiza-mitia") sy ny
Metamorph?se?n libr?
("bokin' ny fiofahana"). Ny anaram-bositra hoe
Naso
dia avy amin' ny orony mandodona. Teraka herintaona taorian' ny namonoana an' i
Jolio Kaisara
izy, ary mbola zatovo fony i
Aogosto
naka fahefana hanova ny
Repoblika
ho
Empira
, ary maty telo taona taorian’ ny nahafatesan' io emperora voalohany io.