Nikomedia

Avy amin'i Wikipedia
Sisam-paharavan' ny fantsona lakandranon' i Nikomedia ao ?zmit

I Nikomedia dia tanana grika tranainy tany Azia Minora , renivohitry ny fanjakan' i Bitinia. Any Torkia no misy azy ankehitriny ary antsoina hoe Izmit . Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Νικομ?δεια / Nikomedeia .

Namono tena tany i Hanibala tamin' ny taona 183 tal. J.K. Teraka tany amin' ny taona 90 taor. J.K. tany ho any ny mpahay tantara atao hoe Arrian. Tamin' ny taona 286 i Nikomedia dia lasa renivohitra atsinanana sy zokiny indrindra tao amin' ny Empira Romana (nofidin' ny emperora Diokletiano izay nanjaka tany atsinanana), sata izay notazonin' ilay tanana nandritra ny rafitra nisy Tetrarkia (taona 293?324).

Nifarana tamin' ny ady tao Krisopolisy (Uskudar) ilay Tetrarkia tamin’ ny tana 324, rehefa nandresy an’ i Likinio i Konstantino ary lasa mpanjaka tokana. Tamin' ny tana 330 i Konstantino dia nifidy ho azy i Bizantioma teo akaiky teo (izay nantsoina hoe Konstantinopolisy , Istanbul ankehitriny) ho renivohitra vaovaon' ny Empira Romana .

Nampidirina tao amin' ny Empira Otomana ilay tanana tamin' ny fandresen' ny soltana Orhan Gazi ny Empira Bizantina . Ny Bizantina dia nandresy ka naka azy indray taorian' ny ady tao Ankara, nefa lasan' ny ny Otomana tanteraka izy tamin' ny taona 1419.