한국   대만   중국   일본 
MySQL ? Wikipedia Aller au contenu

MySQL

Avy amin'i Wikipedia
Ny logo an'i MySQL

MySQL dia rafitra fitantanana banky angona . Arakaraka ny fampiasana azy, na manan-tompony na malalaka ny lisansiny. Izy dia anisan'ny rindrankajy fandrindrana banky angona be mpampiasa indrindra eto an-tany, sady ampiasain'ny daholobe (amin'ny fampiasana eo amin'ny Tranonkala indrindra indrindra) sady ampiasain'ny mpiasa. Ny MySQL dia mifaninana amin'i Oracle sy Microsoft SQL server .

Novidian'i Sun Microsystem iray miliara dollar ny MySQL AB tamin'ny 16 Janoary 2008. Tamin'ny 2009, azon'i Oracle Corporation i Sun Mircosystems tamin'ny 2009, eo ampelan-tanan'i Sun Microsystems ny rindrankajy Oracle sy MySQL. Nahazod-dalana tamin'ny Vondrona Eoropeanina io varotra io tamin'ny 21 Janoary 2010.

Hatry ny Mey 2009 , ny mpamorona azy, i Michael Widenius , dia namorona an'i MariaDB .

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.