Ny
Mary
, izay antsoina koa hoe
Tseremisy
, dia vahoaka
miteny fino-ogriana
. Atao hoe мари /
mari
izy ireo amin' ny fiteniny, fa марийцы /
mariytsi
na черемисы /
tseremisi
kosa amin' ny
teny rosiana
. Mizara ho vondrona roa miavaka izy ireo. Any andrefana, manaraka ny lohasaha ambony an' ny ony
Volga
dia vitsy anisa ny "Mary an-tendrombohitra" (na "an-kavoana"), izay niova finoana ho amin' ny kristianisma hatry ny ela sady ny miteny mary (fiteny izay lasa an' ny vitsy anisa raha oharina amin' ny fiteny rosiana). Ao koa ny "Mary an-tany lemaka" (na "an-tsahalava"), maro anisa any atsinanana, izay manohy ny fivavahan' izy ireo tany am-boalohany, dia ny marla (nohoverina tany aloha hoe
paganisma
) ary miteny mary ihany koa. Resin' i
Rosia
izy ireo tamin' ny andron' ny tsar
Ivan Grozny
.