I
Kotidivoara
na
Repoblikan' i Kotidivoara
dia firenena any
Afrika Andrefana
ao amin' ny
Vondrona Afrikanina
, izay izay manana morontsiraka ao amin' ny
Hoalan' i Ginea
sy ao amin' ny
Ranomasimbe Atlantika
, izay manana velaran-tany mirefy 322 462 km². I
Yamoussoukro
no renivohiny ara-politika fa i
Abidjan
no renivohitra ara-toekarena. Atao hoe
Ivoariana
ny vahoakan' io firenena io.
Amin' ny ankapobeny dia iva ny tanin' i Kotidivoara, izay somary miakatra ao amin’ ny ilany andrefana: ny faritr' i Odiennee, ao avaratra-andrefana, dia ahitana havoana fa ny ao afovoany kosa dia ahitana ny tendrombohitr' i Toura. Ony efatra lehibe no mamakivaky an’ io firenena io, dia i Cavally, i
Comoe
, i Bandama ary i Sassandra. Miendrika
efamira
manana lafiny mirefy 600 km eo ho eo ny tanin' i Kotidivoara. Mamaritra azy aa avaratra-andrefana i
Mal?
, ao avaratra-atsinanana i
Borkina Faso
, ao atsinanana i
Gana
, ao atsimo-andrefana i
Liberia
, ao andrefana-avaratra-andrefana ny
Ginea
ary ao atsimo i Atlantika.
Ahitana karazan-javamaniry miisa 225 ny ao amin' ny alan' i Kotidivoara, nefa noho ny fitrandrahana azy tafahoatra sy ny fikapana ala hahazoana tany hambolena dia mihenan izaitsizy ny velarany.
Nisy mponina miisa 15 366 672 ny tao Kotidivoara tamin' ny taona 1998 fa 19 997 000 kosa izany tamin' ny taona 2009, tafakatra 26 378 274 izany tamin' ny taona 2020. Foko maro dia maro no mandrafitra ny vahoaka ivoariana. Ny 20 % dia manaraka ny fivavahana
silamo
, toraka izany koa ny
kristiana
. Ny sisa amin' ny mponina dia manaraka ny
fivavahan-drazana
. Ny fiteny ofisialiny dia
fiteny frantsay
ary misy fiteny afrikana miisa 70 any ho any ny ao.
Zanatany frantsay i Kotidivoara taloha fa nahazo ny fahaleovan-tenany izy tamin' ny 7 Aogositra 1960 ka i
Felix Houphouet-Boigny
, no filoham-pireneny voalohany.
Miantehitra amin' ny
fambolena
ny toekaren' i Kotidivoara: izy no firenena voalohany maneran-tany amin' ny famokarana
kakao
ary fahafolo amin' ny famokarana
kafe
. Voly fanondrana ireo roa ireo. Manondrana hazo betsaka koa io firenena io. Ny seranan-tsambon' i Abidjan dia anisan' ireo matanjaka indrindra any Afrika Andrefana. Ny vola ampiasaina any dia ny
franc CFA.
Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo
-
Alzeria
-
Angola
-
Benino
-
Borkina Faso
-
Borondy
-
Botsoana
-
Ejipta
-
Eritrea
-
Esoatiny
(
Soazilandy
taloha) -
Etiopia
-
Gabona
-
Gambia
-
Gana
-
Ginea
-
Ginea Bisao
-
Ginea Ekoatorialy
-
Jibot?
-
Kamerona
-
Kapvera
-
Kenia
-
Komoro
-
Kotidivoara
-
Lezoto
-
Liberia
-
Libia
-
Madagasikara
-
Malaoy
-
Mal?
-
Maorisy
-
Maoritania
-
Maroka
-
Mozambika
-
Namibia
-
Nizera
-
Nizeria
-
Oganda
-
Repoblika Arabo Saharaoy Demokratika
-
Repoblika Demokratikan' i Kongo
-
Repoblikan' i Afrika Afovoany
-
Repoblikan' i Kongo
-
Roanda
-
Sao Tome e Prinsipe
-
Seisely
-
Senegaly
-
Siera Leona
-
Sodana
-
Sodana Atsimo
-
Somalia
-
Somalilandy
-
Tanzania
-
Togo
-
Tonizia
-
Tsady
-
Zambia
-
Zimbaboe
Kontinenta eto an-tany