Gibraltara

Avy amin'i Wikipedia
I Gibraltara

I Jibraltara na Gibraltara dia tany britanika, fitambaran'ny Harambaton'i Gibraltara, izay hita ao amin'ny tendrony atsimon'ny Saikanosy Iberika , sy ny manodidina azy, sady manara-maso ny fidirana ao amin'ny Ranomasina Mediteranea avy ao andrefana. Ny Andilandranomasin'i Gibraltara no manasaraka ny Harambaton'i Gibraltara amin'i Afrika Avaratra. Manana velarana 5,8 km 2 i Gibraltara. Avy amin'ny teny arabo hoe ??? ???? / Djebel Tariq izay midika hoe "tendrombohitr'i Tariq". Fanafohezana ny anaran'i Tariq ibn Ziyad ny hoe Tariq , dia ilay mpahay tetikady miaramila sady governora omeiada manam-piaviana berbera, nandray anjara tamin'ny fakana ny Saikanosy Iberika.

Tampon'ny Harambaton'i Gibraltara