한국   대만   중국   일본 
Fiteny portogey ? Wikipedia Aller au contenu

Fiteny portogey

Avy amin'i Wikipedia
Faritra eto amin' izao tontolo izao itenenana portogey

Ny fiteny portogey dia fiteny ao amin' ny ratsana romanan' ny vondrom-piteny indo-eoropeana . Atao hoe Lozofona ny mpiteny portogey. Laharana fahasivy ny fiteny portogey raha heverina isan' ny olona manana io teny io ho fiteny nibeazana . Io teny io no teny voalohany indrindra be mpampiasa any Amerika Atsimo (51 %), ka noho izany dia fiteny miasa indrindra any amin' ny Ila-bolantany atsimo izy. Aty Afrika dia izy io no linga franca manan-danja ao amin' ireo firenena nozanahin' ny Portogey taloha.

Mahatratra 227,9 tapitrisa ny fitambaran' ny mpiteny manao ny fiteny portogey ho tenin-dreny eto amin' izao tontolo izao ary noho izany dia io no fiteny eoropeana fahatelo be mpampiasa indrindra amin' ny maha-tenin-dreny azy aorian' ny fiteny espaniola (406 tapitrisa) sy ny fiteny anglisy (335 tapitrisa). Izy koa no fiteny fahadimy amin' ny isan' ny firenena manao ny fiteny portogey ho fiteny ofisialy ary fahafito amin' ny isan' ny fandikan-teny ho amin' ny fiteny portogey.

Ao amin' ny fianakaviam-piteny ibero-romana ny fiteny portogey ary misy fitoviana maro amin' ny fiteny kastilana . Any Galicia ( Espaina ) no itenenana ny fiteny galisiana , izay mifandray akaiky aminy.

Tenenina any Brezila , any Portogaly , any Madera , any Asaora , any Angola , any Mozambika , any Kapvera , any Ginea Bisao , any Ginea Ekoatorialy , any Sao Tome e Prinsipe , any Timoro Atsinanana , any Goa ( India ), any Daman sy any Diu ( India ) ary any Macao ( Sina ) io fiteny io.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.