Fiteny malagasy
|
Isan'ny mpiteny
|
25 tapitrisa (teny nibeazana)
[1]
|
Faritany
|
Madagasikara
,
Komaoro
[2]
|
Sata
|
Ofisialy any Madagasikara (miaraka amin'ny teny frantsay)
|
Mpandamina
|
Akademia Malagasy
|
Kaodim-piteny
|
mg, mlg
[3]
|
Soratra
|
latina
|
Ny
fiteny
malagasy
dia fiteny ao amin' ny
vondrom-piteny barito
, anisan' ny
fiteny aostroneziana
sy
fitohizam-pitenim-paritra
ampiasaina indrindra eto
Madagasikara
. Ny karazany mahazatra, antsoina hoe "
malagasy ofisialy
", no
fiteny ofisiali
n' ny
Repoblikan' i Madagasikara
, miaraka amin' ny
fiteny frantsay
. Ny fiteny malagasy no
fiteny malaio-polineziana andrefana indrindra
, fitenin' ny mponina eto Madagasikara nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny
Aostroneziana
avy any amin' ny
Nosy Sunda
(eo amin' ny 7 300 km any ho any) tamn'ny manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. Anisan' ny
fiteny barito
ny fiteny malagasy ary mifandray akaiky indrindra amin' ny
fiteny maaniany
, izay mbola ampiasaina any
Borneo
. Ahitana teny indrana avy amin' ny
fiteny maley
maro koa ny fiteny malagasy
[4]
, nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostroneziana sy ny varotra teo amin' i Madagasikara sy ireo Nosy Sunda
[5]
. Taorian' ny taona 1000 taor. J.K. dia nampiditra
teny banto
sy
teny arabo
maro, nentin' ny mpivarotra sy mpifindra monina vaovao, ny fiteny malagasy.
Manodidina ny 29 tapitrisa ny olona miteny malagasy eto Madagasikara sy ao
Komoro
. Ny ankabeazan' ny mponina eto Madagasikara dia manao an' io fiteny io ho fiteny voalohany, toy ny ataon' ny sasany amin' ny taranaky ny Malagasy any amin' ny toeran-kafa. Mizarazara ho
fitenim-paritra
roa ambin' ny folo ny fiteny malagasy, izay azo avondrona amina sokajim-pitenim-paritra roa lehibe: fitenim-paritra tatsinanana sy fitenim-paritra tandrefana. Miteny amin' ny
fitenim-paritra merina
ny mponina ao amin' ny tany avo afovoan' ny Nosy, izay misy an' Antananarivo renivohitra sy nisy ny
Fanjakana Merina
taloha. Ny fitenim-paritra merina no fototry ny fiteny malagasy ampiasain' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny haino aman-jery eto Madagasikara. Io fiteny malagasy manara-penitra io no iray amin' ny fiteny ofisialy roan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay, araka ny
lalam-panorenan
' ny
Repoblika fahefatr
' i Madagasikara tamin' ny taona 2010.
Soratana amin' ny
tarehin-tsoratra latina
nampidirin' ny misionera tandrefana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 ny fiteny malagasy. Talohan' izany dia nampiasaina ny
Sorabe
izay fampifanarahana ny
abidy arabo
amin' ny fiteny malagasy.
Araka ny antontanisan' ny
Akademia malagasy
dia ny 83,61 % dia tsy miteny afatsy amin' ny fiteny malagasy
[6]
.
Ny endriky ny fiteny malagasy dia tsy tahaka ny fiteny ao
Afrika
satria io fiteny io dia ao amin' ny vondrona
malaio-polineziana
, sampan' ny vondrona
aostroneziana
[7]
, vondrona ahitana koa fiteny any
Indonezia
,
Malezia
,
Filipina
ary any nosy any
Pasifika
. Raha ny marina, ny fifandraisan' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny aostroneziana hafa dia efa tsikaritry ny manam-pahaizana tany am-boalohany, toa an' ilay manam-pahaizana holandey
Adriaan Reland
tamin' ny taona 1708
[8]
.
Ny fiavian' ny fiteny malagasy dia fantatry ny mpandini-piteny hatramin' ny taonjato faha-19. Ny fiteny malagasy dia iray vondrona amin' ny
fiteny barito
any amin' ny faritany atsimo-atsinanana amin' ny nosy
Borneo
. Amin' ny fiteny aostroneziana rehetra, i
Dahl
(1951) dia nampiseho fa ny fiteny mlagasy sy ny fiteny maaniany ? izay fiteny barito atsinanana ampiasaina any Kalimantan Afovoany (any Indonezia ao amin' ny nosy Borneo) ? dia tena mifandray akaiky
[9]
. Io fiteny io koa dia misy nandray singa maro avy amin' ny
fiteny malay taloha
. Fanampin' izany dia nindrana teny sy singa momba ny fanakambanam-peo avy amin' ny
fiteny banto
ny fiteny malagasy (Dahl 1988).
Betsaka ny fitovian' ny fiteny malagasy amin' ny
fiteny maaniany
, fiteny tenenina ao amin' ny faritry ny renirano
Barito
, ao amin' ny tapany atsimon' i
Borneo
. Lazaina fa
mponina aotroneziana
avy amin' ny
Tamba-nosy Maley
nandalo tany Borneo no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton' io fifindra-monina io. Taty aoriana dia nihevitra i
Adelaar
(1995) fa ny voambolana ao amin' ny fiteny malagasy koa dia ahitana teny maro avy any
Sulawesi Atsimo
[10]
. Ny porofo fanampiny momba ity soso-kevitra ity dia natolotr' i
Blench
(2018)
[11]
.
Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin' ny
Arabo
sy ny
Masombika
(Afrikana avy amin' ny Tontolo Soahily) ny
Aostroneziana
. Any
Banjarmasin
, nosin' i
Kalimantan
(
Indonezia
) no foiben' ny fiteny barito. Ny fiteny akaikikaikin' ny fiteny malagasy ankehitriny dia ny
fiteny maaniany
. Misy koa ny
fiteny samihima
sy ny
fiteny dosona deiaha
sns. Ao amin' ny fiteny malagasy dia misy indran-teny avy amin' ny
fiteny arabo
sy avy amin' ny
fiteny soahily
.
Azo ampitahaina ny voambolana fototra avy amin' ny
lisitra Swadesh
ary izy io dia mamoaka ity tabilao manaraka ity:
malagasy
|
malay-indoneziana
|
tahisiana
|
tany
|
tanah
|
fenua
(ind.
benua
= "kontinenta")
|
lanitra
|
langit
|
ra'i
|
rano
|
air
(
danau
= "farihy")
|
vai
|
afo
|
api
|
?uahi
|
lehilahy
,
lahy
|
laki-laki
|
tane
|
vehivavy
,
vaviny
|
wanita
,
perempuan
|
vahine
|
mihinana
,
homana
|
makan
|
'amu
|
misotro
(
minona
)
|
minum
|
inu
|
lehibe
,
ngeza
,"be"
|
besar
|
rahi
|
kely
,
tity
|
kecil
|
iti
|
alina
,
Maizina
|
malam
|
po
|
andro
,
matsana
|
hari
|
mahana
|
Fanisana
|
1
|
2
|
3
|
4
|
5
|
6
|
7
|
8
|
9
|
10
|
proto-aostroneziana
, tokony 4000 tal. J.K.
|
*isa
|
*duSa
|
*telu
|
*Sepat
|
*lima
|
*enem
|
*pitu
|
*walu
|
*Siwa
|
*puluq
|
malagasy
|
iray/isa
|
roa
|
telo
|
efatra
|
dimy
|
enina
|
fito
|
valo
|
sivy
|
folo
|
maaniany
|
isa
|
rueh
|
telo
|
epat
|
dime
|
enem
|
pitu
|
balu
|
su'ey
|
sapulu
|
kadazana
|
iso
|
duvo
|
tohu
|
apat
|
himo
|
onom
|
tu'u
|
vahu
|
sizam
|
hopod
|
dosona
|
iso
|
duo
|
tolu
|
apat
|
limo
|
onom
|
turu
|
walu
|
siam
|
hopod
|
varay
|
usa
|
duha
|
tulo
|
upat
|
lima
|
unom
|
pito
|
walo
|
siyam
|
napulo
|
tagaloga
|
isa
|
dalawa
|
tatlo
|
apat
|
lima
|
anim
|
pito
|
walo
|
siyam
|
sampu
|
hiligainona
|
isa
|
duha
|
tatlu
|
apat
|
lima
|
anum
|
pito
|
walu
|
siyam
|
pulo
|
kinaray-a
|
sara
|
darwa
|
tatlo
|
apat
|
lima
|
an?m
|
pito
|
walo
|
siyam
|
pulu
|
ilokano
|
maysa
|
dua
|
tallo
|
uppat
|
lima
|
innem
|
pito
|
walo
|
siam
|
sangapulo
|
samoro
|
maisa/hacha
|
hugua
|
tulu
|
fatfat
|
lima
|
gunum
|
fiti
|
gualu
|
sigua
|
manot/fulu
|
maley
(
indoneziana
sy
maleziana
)
|
satu
|
dua
|
tiga
|
empat
|
lima
|
enam
|
tujuh
|
(de)lapan
|
sembilan
|
sepuluh
|
sondaney
|
hiji
|
dua
|
tilu
|
opat
|
lima
|
genep
|
tujuh
|
dalapan
|
salapan
|
sapuluh
|
javaney
|
siji
|
loro
|
telu
|
papat
|
lima
|
nem
|
pitu
|
walu
|
sanga
|
sepuluh
|
tetoma
|
ida
|
rua
|
tolu
|
haat
|
lima
|
neen
|
hitu
|
ualu
|
sia
|
sanulu
|
fijiana
|
dua
|
rua
|
tolu
|
v?
|
lima
|
ono
|
vitu
|
walu
|
ciwa
|
tini, -sagavulu
|
tongana
|
taha
|
ua
|
tolu
|
f?
|
nima
|
ono
|
fitu
|
valu
|
hiva
|
-fulu
|
samoan
|
tasi
|
lua
|
tolu
|
fa
|
lima
|
ono
|
fitu
|
valu
|
iva
|
sefulu
|
Ny
Aostroneziana
avy any
Azia Atsimo-Atsinanana an-dranomasina
avy any amin' ny
Nosy Sunda
(Tangoro-nosy Maley) no nanorim-ponenana voalohany teto
Madagasikara
[12]
. Mikasika ny lalan' izy ireo, ny mety ho nahatongavan' ny
fiteny aostroneziana indoneziana
dia niampita mivantana ny
Ranomasimbe Indianina
avy any
Java
ka hatraty Madagasikara. Azo inoana fa namakivaky an' ireo nosin' i
Maldiva
izy ireo, izay misy porofon' ny famolavolana endriky ny sambo indoneziana tranainy sy ny teknolojian' ny fanjonoana izay mbola misy mandraka ankehitriny
[13]
. Nitohy nandritra ny arivo taona voalohany ny fifindra-monina, araka ny nohamafisin' ny mpikaroka momba ny fiteny izay naneho ny fifandraisana akaiky teo amin' ny fiteny malagasy sy ny
fiteny maley taloha
sy ny
fiteny javaney taloha
tamin' io vanim-potoana io
[14]
. Avy amin' ny
fiteny barito
atsimo-atsinanana ny fiteny malagasy, ary ny fiteny maaniany no mpihavana akaiky indrindra aminy, miaraka amin' ny indran-teny maley sy javaney maro
[5]
[15]
. Fantatra fa nentin' ny
Maley
sy ny
Javaney
mpivarotra ho mpiasa sy
andevo
tamin' ny andian-tsambon' izy ireo ny
Maaniany
, andian-tsambo izay tonga teto Madagasikara tamin' ny manodidina ny taona 50?500 taor. J.K.
[16]
[17]
. Taty aoriana, tokony tamin' ny taona 1000, ny Aostroneziana tonga voalohany dia nifangaro amin' ny
Banto
sy ny
Arabo
, ankoatra ny hafa
[18]
. Misy ny porofo fa ny fahatongavan' ny
fitenim-paritra malagasy
voalohany tany amin' ny faritra atsimon' ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara
[19]
.
Manana zavakanto nentim-paharazana amin' ny teny (
hainteny
) ary tantara sy angano an-tononkalo ny
Malagasy
. Ny malaza indrindra dia ny tantara' Ibonia, izay maherifo malagasy
[20]
.
Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Ny Frantsay tonga tao Fort-Dauphin (
Taolagnaro
) tamin' ny taonjato faha-17, dia nahita soratra tamin' ny
sorabe
. Ny soratra voalohany natao amin' ny
abidy latina
dia ny
rakibolana
malagasy-holandey nosoratana tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-17 navoakan' i
Gabriel Ferrand
voalohany tamin' ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina eto Madagasikara tamin' ny taonjato faha-15.
Radama I
, mpanjaka nahay mamaky teny sy manoratra tao amin' ny
Fanjakana Merina
, dia nametra ny
litera
ampiasaina ao amin' ny
abidy malagasy
avy amin' ny
abidy latina
mbola ampiasaintsika amin' izao fotoana izao; saingy ny fitsipi-panoratana ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa hanangana fiangonana sy trano sekoly hianarana
abidy
miaraka amin' ireo misionera protestanta avy ao amin' ny
London Missionary Society
i Radama I.
Ny boky voalohany natonta printy tamin' ny teny malagasy soratana amin' ny abidy vaovao, dia ny
Baiboly
, nadikan' ny misionera kristiana britanika tamin' ny taona 1835 niasa tao Imerina. Ny
rakibolana
vita printy voalohany dia ny rakibolana malagasy-frantsay nataon' i
Etienne de Flacourt
.
Ny fiteny malagasy no tena fiteny ampiasaina indrindra eto
Madagasikara
. Miteny izany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy any amin’ ny nosy manodidina ao amin' ny
Ranomasimbe Indianina
toa an' i
La Reunion
, i
Mayotte
ary i
Maorisy
. Misy ihany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy mpila ravinahitra miteny an' io fiteny io any
Eoropa
sy any
Amerika Avaratra
.
Ny
fitenim-paritra merina
ao amin' ny fiteny malagasy no heverina
fitenim-pirenena
eto Madagasikara. Anisan' ny
fiteny ofisialy
roa, miaraka amin' ny
fiteny frantsay
, izy io ao amin' ny
Lalam-panorenana
tamin' ny taona 2010 izay nametraka ny
Repoblika fahefatra
. Teo aloha, araka ny lalam-panorenana tamin' ny taona 2007, ny fiteny malagasy dia iray amin' ny fiteny ofisialy telo miaraka amin' ny fiteny frantsay sy ny
fiteny anglisy
. Ny fiteny malagasy no fiteny enti-mampianatra eny amin' ny sekolim-panjakana rehetra hatramin' ny kilasy fahadimy ho an' ny taranja rehetra, ary mijanona ho fiteny enti-mampianatra hatramin' ny lisea ho an' ny taranja tantara sy ny teny malagasy. (jereo:
Fanagasiana
)
Rehefa jerena amin' ny lafiny fandiniham-piteny ny fiteny malagasy, dia misy
fitenim-paritra
maromaro fa mitovitovy, izay heverina fa tsy fiteny mahaleo tena ny tsirairay aminy. Ny mpahay teny dia mizara ny fitenim-paritra malagasy ho vondrona roa, dia ny fitenim-parira atsinanana (ahitana ny
fiteny merina
) sy ny fitenim-paritra andrefana (ahitana ny
fiteny sakalava
), ka ny faritry ny tovifiteny dia manaraka ny hazondamosin' ny Nosy, ary amin' izany ny atsimo dia ao amin' ny vondona andrefana, fa ny lembalemba afovoany sy ny ankamaroan' ny avaratra (ankoatra ny any amin' ny tendrony indrindra) dia ao amin' ny vondrona atsinanana. Ny
Ethnologue
dia mirakitra fitenim-paritra malagasy roa ambin' ny folo izay sokajiny ho fiteny miavaka. Misy fitoviana voambolana eo amin' ny 70 % amin' ny fiteny merina izy ireo. Na dia mitondra anaram-poko aza ny fitenim-paritra malagasy dia tsy mltovy ny isan' ny
foko
sy ny fitenim-paritra eto Madagasikara.
Araka ny fanasokajian' ny
Ethnologue
dia misy fitenim-paritra dimy ny vondrona atsinanana, dia ireto izany:
- fiteny tesaka
(misy mpiteny miisa 1 130 000) ? tenenin' ny Antaisaka any atsimo-atsinanan' ny Nosy
[22]
.
Araka ny fanasokajian' ny
Ethnologue
dia misy fitenim-paritra enina, miampy ny
fiteny kibosy
, ny vondrona andrefana, dia ireto izany:
- fiteny bara
(misy mpiteny miisa 724 000) ? tenenin' ny
Bara
any amin' ny tapany atsimon' ny Nosy;
- fiteny sakalava
(misy mpiteny miisa 1 210 000) ? fitenin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefan' ny Nosy;
Eto Madagasikara dia misy ny
fiteny malagasy ofisialy
izay miasa eran' ny Nosy amin' ny raharaham-panjakana sy ny haino aman-jery (
gazety
sy ny
radio
ary ny
fahitalavitra
) ary ny
fivavahana
nampidirina teto
Madagasikara
.
Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan' isan' ny fahasamihafan' ny tenim-paritra.
Lanjan' isan' ny fitoviam-boambolana amin' ny tenim-paritra
|
1
|
2
|
3
|
4
|
5
|
6
|
7
|
8
|
9
|
10
|
11
|
12
|
13
|
14
|
15
|
16
|
17
|
18
|
1
|
Merina
|
100
|
81
|
81
|
92
|
92
|
86
|
78
|
80
|
79
|
68
|
71
|
68
|
70
|
70
|
61
|
77
|
69
|
61
|
2
|
Temoro
|
81
|
100
|
78
|
79
|
80
|
78
|
81
|
88
|
88
|
67
|
69
|
71
|
72
|
69
|
61
|
76
|
73
|
65
|
3
|
Betsimisaraka
|
81
|
78
|
100
|
84
|
78
|
77
|
80
|
78
|
75
|
77
|
70
|
65
|
66
|
62
|
54
|
74
|
96
|
61
|
4
|
Sihanaka
|
92
|
79
|
84
|
100
|
86
|
81
|
76
|
79
|
77
|
72
|
69
|
67
|
68
|
66
|
59
|
72
|
68
|
58
|
5
|
Betsileo
-1
[m 1]
|
92
|
80
|
78
|
86
|
100
|
88
|
77
|
81
|
79
|
68
|
74
|
71
|
75
|
71
|
61
|
79
|
71
|
62
|
6
|
Betsileo-2
[m 2]
|
86
|
78
|
77
|
81
|
88
|
100
|
77
|
80
|
77
|
67
|
71
|
74
|
79
|
74
|
66
|
82
|
75
|
66
|
7
|
Antambahoaka
|
78
|
81
|
80
|
76
|
77
|
77
|
100
|
74
|
74
|
69
|
66
|
64
|
64
|
60
|
52
|
67
|
64
|
56
|
8
|
Antesaka
|
80
|
88
|
78
|
79
|
81
|
80
|
74
|
100
|
89
|
67
|
70
|
71
|
73
|
72
|
62
|
76
|
72
|
63
|
9
|
Zafisoro
|
79
|
88
|
75
|
77
|
79
|
77
|
74
|
89
|
100
|
63
|
68
|
68
|
72
|
71
|
61
|
76
|
71
|
63
|
10
|
Tsimihety
|
68
|
67
|
77
|
72
|
68
|
67
|
69
|
67
|
63
|
100
|
75
|
61
|
64
|
63
|
54
|
68
|
64
|
56
|
11
|
Tankarana
|
71
|
69
|
70
|
69
|
74
|
71
|
66
|
70
|
68
|
75
|
100
|
65
|
68
|
69
|
59
|
70
|
67
|
56
|
12
|
Vezo
|
68
|
71
|
65
|
67
|
71
|
74
|
64
|
71
|
68
|
61
|
65
|
100
|
84
|
74
|
64
|
77
|
80
|
69
|
13
|
Mahafaly
|
70
|
72
|
66
|
68
|
75
|
79
|
64
|
73
|
72
|
64
|
68
|
84
|
100
|
80
|
68
|
83
|
86
|
76
|
14
|
Sakalava
-1
[m 3]
|
70
|
69
|
62
|
66
|
71
|
74
|
60
|
72
|
71
|
63
|
69
|
74
|
80
|
100
|
82
|
79
|
75
|
66
|
15
|
Sakalava-2
[m 4]
|
61
|
61
|
54
|
59
|
61
|
66
|
52
|
62
|
62
|
54
|
59
|
64
|
68
|
82
|
100
|
70
|
67
|
63
|
16
|
Bara
|
77
|
76
|
74
|
72
|
79
|
82
|
68
|
76
|
76
|
68
|
70
|
77
|
83
|
79
|
70
|
100
|
85
|
74
|
17
|
Tandroy
-1
[m 5]
|
69
|
73
|
69
|
68
|
71
|
75
|
64
|
72
|
71
|
64
|
67
|
80
|
86
|
75
|
67
|
85
|
100
|
83
|
18
|
Tandroy-2
[m 6]
|
61
|
65
|
61
|
58
|
62
|
66
|
56
|
63
|
63
|
56
|
56
|
69
|
76
|
66
|
68
|
74
|
83
|
100
|
- ↑
Ambositra
- ↑
Fianarantsoa
- ↑
Morondava
- ↑
Belon' i Tsiribihina
- ↑
Masinoro, Ambalavao
- ↑
Antanimoro
Ny ankamaroan' ny voambolana fototra dia itovian' ny fiteny malagasy amin' ny
fiteny maaniany
, izay fiteny any amin' ny faritry ny ony
Barito
any amin' ny tapany atsimon' i
Borneo
. Ny fiteny malagasy koa dia ahitana indran-teny sasany avy amin' ny
fiteny arabo
sy
banto
(indrindra ny
sampana sabaky
, izay niavian' ny
fiteny soahily
indrindra), ary vao haingana avy amin' ny
fiteny frantsay
sy
anglisy
.
Indran-teny tamin' ny fiteny javaney sy maley
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Betsaka ny indran-teny amin' ny fiteny malagasy avy amin' ny
fiteny maley
sy
fiteny javaney
taloha; anisan' ireo teny ireo ny hoe
trozona
, iray amin' ny teny maley hoe
duyung
; ny
horita
avy amin' ny teny hoe
gurita
; ny
fano
avy amin' ny teny hoe
penyu
, ny
hara
avy amin' ny teny maley hoe
karah
, ny
fanohara
(karazan-tsokatra) avy amin' ny teny maley hoe
penyu karah
;
rivotra
avy amin' ny teny maley hoe
ribut
midika "rivomahery" na "rivodoza";
tanjona
avy amin' ny teny maley hoe
tanjung
;
harana
avy amin' ny teny maley hoe
karang
;
sambo
sy
nosy
avy amin' ny
teny javaney
hoe
s?mvaw
sy
nusa
, sns.
Indran-teny avy amin' ny fiteny sanskrity
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny indran-teny avy amin' ny
teny sanskrity
dia mikasina ny isa sy ny
tetiandro
. Azo atao ohatra izao ny teny hoe
tantara
avy amin' ny teny sanskrity hoe
tantra
midika "rijan-kevitra" na "teoria"; toraka izany koa ny teny hoe
hetsy
(100 000) izay avy amin' ny teny maley hoe
keti
nindramina tamin' ny teny sanskrity hoe
ko?i
midika hoe "folo tapitrisa".
Ny teny avy amin' ny
fiteny sanskrity
moa dia nindramin' ny fiteny malagasy talohan' ny nahatongavan' ny
Malagasy
teto Madagasikara. Ka noho izany izy ireo dia niharan' ny fiovana ara-drafipeo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin' ny alalan' ny
haifiteny
mampitaha (
frantsay
:
linguistique comparative
)
[24]
.
Indran-teny avy amin' ny fiteny hafa
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ankehitriny ny fiteny malagasy dia nindran-teny tamin' ny
fiteny arabo
(voambolana mikasika ny
fanandroana
), ny
fieny soahily
(voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny hoe
omby
,
ondry
na
akoho
) ary tamin' ny
teny frantsay
sy
anglisy
ho an' ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin' izao fotoana izao, toy ny
solosaina
azo tenenina koa hoe
ordinatera
na
kompiotera
. Ao koa ny anaran' ny karazan-java-kohanina toy ny
piza
(na
pija
), ny
makaraona
sns...
Nanana ny fianjadiany ihany koa ny
fiteny arabo
, indrindraindrindra amin' ny voambolana ampiasaina amin' ny
fanandroana
ary ireo vondron-kintan' ny
zodiaka
:
Alahamady
,
Adaoro
,
Asorotany
, sns...; ary koa amin' ny lafiny
tetiandro
, amin' ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny
anaran' andron' ny herinandro
:
Alatsinainy
,
Talata
,
Alarobia
, sns..
Aseho anatin' ity fafana eto ambany ity ny
zanapeo
n' ny fiteny malagasy.
align: center"
|
Aloha
|
Afovoany
|
Aoriana
|
Avo
|
i
(i, y)
|
|
u
(o)
|
Afovoany
|
e
(e)
|
|
|
Ambany
|
|
a
(a)
|
|
Ireto kosa ny
renifeo
n' ny fiteny malagasy.
|
Amolotra roa
|
Amolora sy anify
|
Anify
|
Ankihy
|
Andanilany
|
Ambavatraoka
|
Mipoaka
|
Marenina
|
p
(p)
|
|
t
(t)
|
t?s
(ts)
|
k
(k)
|
|
Misy feo
|
b
(b)
|
|
d
(d)
|
d?z
(j)
|
?
(g)
|
|
Marenina mialohan'ny orona
|
?p
(mp)
|
|
ⁿt
(nt)
|
ⁿt?s
(nts)
|
ŋk
(nk)
|
|
Misy feo mialohan'ny orona
|
?b
(mb)
|
|
ⁿd
(nd)
|
ⁿd?z
(nj)
|
??
(ng)
|
|
Mikasaoka
|
Marenina
|
|
f
(f)
|
|
s
(s)
|
|
h
(h)
|
Misy feo
|
|
v
(v)
|
|
z
(z)
|
|
|
An' orona
|
m
(m)
|
|
|
n
(n)
|
|
|
An-tsisiny
|
|
|
|
l
(l)
|
|
|
Mikodia
|
|
|
|
r
(r)
|
|
|
Ny fampiasana ny abidy arabo: ny Sorabe
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny fiteny malagasy dia nanana literatiora an-tsoratra izay azo inoana fa efa tamin' ny taonjato faha-15. Rehefa nanorina an' i
Fort-Dauphin
ny Frantsay tamin' ny taonjato faha-17, dia nahita soratra arabo-malagasy nampiasaina, antsoina hoe
Sorabe
(
??????
).
Ny Sorabe dia
abidy
avy amin' ny
abjady arabo
(
ajami
) izay natao hanoratana ny fiteny malagasy, indrindraindrindra ny fiteny ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara: ny fiteny
antemoro
(
anteony
sy
anakara
). Fantatra fa isaina aman-jatony ny lahatsoratra nosoratana tamin' ny alalan' io abidy io; ny tena antitra amin' ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-17 tany ho any.
Io abidy sorabe io dia nampiasaina indrindra tamin' ny lahatsoratra momba ny
fanandroana
. Ny sora-tanana tranainy indrindra fantatra fa natao amin' io soratra io dia angom-boambolana fohy malagasy-
holandey
tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17, izay navoakan' i
Gabriel Ferrand
[25]
voalohany tamin' ny taona 1908 na dia tsy maintsy efa tfiditra tany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara aza ilay soratra tamin' ny taonjato faha-15
[26]
.
Tamin' ny taonjato faha-18 dia fantatra ary nampiasain' ny
foko
rehetra eran' i Madagasikara io abidy io: tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i
Andrianampoinimerina
mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an-d
Radama
hahay manoratra sy namaky teny hatry ny fahazazany.
Ny fandikana amin' ny fiteny roa voalohany ny lahatsoratra ara-pivavahana dia ny nataon' i
Etienne de Flacourt
[27]
, izay namoaka ny rakibolana voalohany tamin' io fiteny io koa
[28]
.
Sorabe ampifandraisina amin' ny tarehin-tsoratra latina
Litikana
|
Fiafarana
|
Anatiny
|
Fiandohana
|
IPA
|
Abidy latina
|
??
|
???
|
??
|
/?/
|
-
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/b, ?b/
|
b / mb
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/ts, ⁿts/
|
ts / nts
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/dz, ⁿdz/
|
j / nj
|
??
|
???
|
??
|
/d/
|
d
|
??
|
???
|
??
|
/r/
|
r
|
???
|
????
|
???
|
/??, ???, ??, ???/
|
dr / ndr / tr / ntr
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/s/
|
s
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/t, ⁿt/
|
t / nt
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/ŋ/
|
n?
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/g, ??/
|
g / ng
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/f/
|
f
|
???
|
????
|
?????
|
????
|
/p, ?p/
|
p / mp
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/k, ?k/
|
k / nk
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/l/
|
l
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/m/
|
m
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/n/
|
n
|
??
|
???
|
??
|
/v/
|
v
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/h/
|
h
|
??
|
???
|
????
|
???
|
/z/
|
z
|
Radama I
, izay nahay namaky teny voalohany tao amin' ny
Fanjakana Merina
, na dia nahay nampiasa ny Sorabe aza
[29]
, dia nisafidy ny
abidy latina
avy amin' i
David Jones
tamin' ny taona 1823 ary nanasa ny misionera protestanta tao amin' ny
London Missionary Society
hanangana sekoly sy fiangonana. Ny boky voalohany natao pirinty tamin' ny teny malagasy nampiasa ny tarehin-tsoratra latina dia ny
Baiboly
, izay
nadika tamin' ny teny malagasy
tamin' ny taona 1835 nataon' ny misionera protestanta britanika niasa tany afovoan-tany eto Madagasikara
[20]
.
Ny
abidy malagasy
ankehitriny dia misy
litera
21:
a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z
. Ny fanoratana dia nampanarahina ny lisitry ny feonteny. Ny litera
i
sy
y
dia samy maneho ny feo /i/ (
y
ampiasaina any amin' ny fiafaran' ny teny, ary
i
any an-kafa), fa ny
o
kosa dia tononina hoe /u/. Ny feo /??/ sy /??/ dia soratana hoe
tr
sy
dr
, ary ny /ts/ sy /dz/ dia soratana hoe
ts
sy
j
. Matetika dia tsy tonina ny litera
h
. Ny litera hafa rehetra dia manaraka ny fanononana azy ao amin' ny
Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena
. Ny litera
c, q, u, w
ary
x
dia tsy ampiasaina amin' ny fanoratana ny teny malagasy.
Ny
mp
, ary indraindray ny
nt
, dia mety manomboka teny iray, saingy tononina /p/ sy /t/.
Ny abidin-dRadama I dia mitovy rafitra amin' ny abidy ampiasaina amin' izao fotoana izao: ny isan' ny
litera
ampiasaina dia mbola iraika ambin' ny roapolo, fa tsindraindray itarina ho enina amby roapolo ny isan' ny litera noho izy ireo ampiasaina amin' ny teny vahiny (toy ny hoe
watt
).
Ireto ny
litera
ampiasaina amin' ny teny malagasy (ny eo anelanelan' ny fononteny dia ampiasaina amin' ny fiteny malagasy noho ny fampiasana azy ireo amin' ny teny vahiny): a, b, (c), d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, (q), r, s, t, (u), v, (w), (x), y, z.
Fivoaran' ny fanoratana ny teny malagasy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Niharan' ny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny andron-d
Radama I
(taona 1820-1830) sy ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny faramparan' ny
Fanjakan' i Madagasikara
(faran' ny taonjato faha-19). Io fanoratana ny teny malagasy tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 io koa dia samihafa amin' ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny
fanjanahantany
izay samihafa ihany koa amin' ny fanoratana ny teny malagasy amin' izao fotoana izao.
Ampisain' ny Malagasy amin' ny endrika
fitenim-paritra
na ny
fiteny ofisialy
ny fiteny malagasy. Amin' ny lafiny ofisialy dia ny tenim-pirenena (
malagasy ofisialy
) no tena ampiasaina ary matetika io ihany no fiteny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy fiteny ofisialy na tenim-paritra koa ny Malagasy mipetraka any ivelan' i
Madagasikara
, na dia tsy maro aza ny fianankaviana malagasy tsy mampianatra ny tenin-drazany amin' ny zanany.
Eo amin' ny
aterineto
indray, dia vitsy ny tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fitenim-botoatiny. Matetika ny Malagasy dia mampiasa ny
teny frantsay
rehefa miresaka momba ny fampahalalana. Miampy izany koa ny safidin' ny mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fitenin' ny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra amin' ny teny frantsay ny Malagasy eo amin' ny tranonkala.
Volana natokana ho an' ny fiteny malagasy ny volana Jona, ka ny
Akademia Malagasy
sy ny Ministera misahana ny kolontsaina no mikarakara ny fankalazana azy.
Wikipedia sy Aterineto amin' ny teny malagasy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Tsy mampiasa ny
Wikipedia
amin' ny fiteny madinika ny olona noho ny
ratsy mifamahana
. "Tsy tia hamorona votoatiny ny olona satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny." Ohatr' ireo
jordanianina
manoratra amin' ny
teny anglisy
mba ho azon' ny olona bebe kokoa, manoratra amin' ny
teny frantsay
ny Malagasy mba ho azon' ny olona any ivelan' i Madagasikara. Hoy izay mpanoratra izay, raha mamorona votoatiny bebe kokoa amin' ny teny nibeazany ny Malagasy, dia hisy kokoa ny votoatiny amin' ny teny malagasy ary ho vaky ilay boribory vetaveta. Araka izany, amin' ny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toy ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehiben' ny tranonkala.
[30]
Ny raki-bolana voalohany amin' ny teny malagasy an-tsoratra dia natao tamin' ny alalan' ny
sorabe
. Ny rakibolana tamin' ny
abidy latina
voalohany dia ny
Dictionnaire de la langue de Madagascar
an' i
Etienne de Flacourt
izay natonta tamin' ny taona 1658. Taorian' izay dia navoaka ilay
English-Malagasy Vocabulary
. Tamin' ny 1885 dia navoakan' ny
London Missionary Society
ny rakibolana malagasy-anglisy izay manana 892 pejy; na izany aza dia ahitana voambolana tranainy io rakibolana io. Betsaka ny fiovana efa natao tamin' ilay rakibolana indrindraindrindra mba hitaratra bebe kokoa ny endriky ny fiteny malagasy ankehitriny. Araka izany ankehitriny dia ahitana rakibolana mifototra amin' ny hatetika izay miankina amin' ny firaketan-dahatsoratra ahitana teny mihoatra ny dimy tapitrisa.
- Winterton, M. et al.:
Malagasy?English, English?Malagasy Dictionary / Diksionera Malagasy?Anglisy, Anglisy?Malagasy
. Raleigh, North Carolina. USA: Lulu Press 2011, 548 p.
- Richardson:
A New Malagasy?English Dictionary
. Farnborough, England: Gregg Press 1967, 892 p. ISBN 0-576-11607-6 (Original edition, Antananarivo: The London Missionary Society, 1885).
- Diksionera Malagasy?Englisy
. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1973, 103 p.
- An Elementary English?Malagasy Dictionary
. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1969, 118 p.
- English?Malagasy Phrase Book
. Antananarivo: Editions Madprint 1973, 199 p. (Les Guides de Poche de Madagasikara.)
- Paginton, K:
English?Malagasy Vocabulary
. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1970, 192 p.
- Bergenholtz, H. et al.:
Rakibolana Malagasy?Alemana
. Antananarivo: Leximal/Moers: aragon. 1991.
- Bergenholtz, H. et al.:
Rakibolana Alemana?Malagasy
. Antananarivo: Tsipika/Moers: aragon. 1994.
- Regis Rajemisa-Raolison:
Rakibolana Malagasy
. Fianarantsoa 1995, 1061 p.
Ny
fehezanteny
amin' ny teny malagasy dia matetika manaraka ny rariteny
Matoanteny
-
Fameno
-
Lazaina
(MFL), (amin' ny teny anglisy: rariteny VOS). Na dia izany aza mety miovaova arakaraky ny endriky ny
matoanteny
ampiasaina izy io araky ny ohatra aseho eo ambany:
- Rariteny MFL tsotra
- Mandahatra ny miaramila aho.
Mampiasa endrika mivantana ny
matoantenin' ny mpanao
ny fehezanteny eo ambony
[31]
,
- Rariteny M(L)F
Mampiasa ny
matoantenin' ny atao
ny fehezanteny eo ambony. Miraikitra amin'ny matoanteny ny mpanao ny asa (-
ko
).
Ny
matoanteny
no fanahin' ny fiteny ary mamaritra ny tao sy hetsika ary fiainana ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, noho ny fisian' ny matoanteny
misy
; mamaritra ny tao izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo"; mamaritra ny fiaretana izy, amin' ny alalan' ny matoantenin' ny atao: "tiana aho", "esorina ianao".
[32]
Ny matoanteny dia ampiasaina amin' ny filazana,
fandavana
na fanambarana zavatra izay mbola atao na efa natao: "miasa ny olona", "nomen' olona vola aho"; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana
[33]
.
Matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin'ny atao
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo: ny
matoantenin' ny mpanao
sy ny
matoantenin' ny atao
, ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoantenin' ny mpanao dia mamaritra ny
lazaina
manao zavatra. Ny matoantenin' ny atao dia mamaritra ny lazaina miaritra na iharan-javatra.
Ny matoantenin' ny mpanao dia:
- lazaina fa mivantana (anglisy:
direct
) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina: ohatra: "miteny aho"; "miasa aho", sns.
- lazaina fa manilika (anglisy:
exclusive
) rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra: "izaho no miteny"; "Rakoto no manjono", sns.
- lazaina fa manantitra (anglisy:
emphatic
) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra : "izaho miteny", "izaho misotro".
Telo no endriky ny matoantenin'ny atao.
- Ny voalohany dia antsoina hoe
endrika tsotra
, satria avy amin' ny
filaza mandid
i
n' ny fototeny izy. Ohatra: ny matoantenin' ny atao "sotroina" dia avy amin' ny filaza mandidy "sotroy" izay avy amin' ny fototeny "sotro".
- Ny endrika faharoa dia manana
tovana
mamaritra ny mpanao, na ny
lazaina
. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns.
- Ny fahatelo dia ny endrika ara-
toe-javatra
, satria mampiasa ny toe-javatry ny fotoana, na toerana, na fomba. Ohatra: "Tany an-trano no nisotroan' ny olona rano".
Ny matoantenin' ny atao tsotra dia manana endrika mivantana, manantitra na manilika.
[34]
.
Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra: "Velona aho"; "Mandeha ianao". Manana fiendrika manano ary fiendrika anoina ny matoanteny tsy mitongilana: "Mandeha aho" (mat. mpanao); "andehanako", "alehako" (mat. atao). Manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika ireo matoanteny tsy mitongilana ireo.
Faharoa, azo sokajina dimy ny matoanteny malagasy :
- Ny matoanteny mitampody (reflektiva),
- Ny matoanteny mamari-pahafahana (
anglisy
:
potentative verb
). Ny
tovona
mamaritra azy io dia ny tovona
maha-
. Manana endrika mivantana, manantitra (emfatika) ary mandroaka ireo matoanteny ireo.
- Ny matoanteny mamari-pivoarana (
anglisy
:
intensive verb
) dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaran' ny tao iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona
miha-
ohatra ny anatin' ny
mihalava
,
mihafohy
,
mihavitsy
,
mihafeno
, sns. Misy fiendrika manano sy ny fiendrika anoina io matoanteny io. Ao amin' ny
fiendrika manano
(ang.:
active voice
) sy amin' ny
fiendrika anoina
(ang.
passive voice
) dia ahitana ny endrika mivantana, endrika manantitra (emfatika) ary endrika mandroaka (ang.:
exclusive form
). Amin' ny endrika misy soloteny voatovana amin' ny matoanteny mamari-pivoarana dia ahitana ny endrika mivantana manantitra sy mandroaka.
[35]
- Ny matoanteny mampita (ang.:
transitive verb
) izay mamaritra ny tao ataon' ny lazaina eo amin' ny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona
man-
(manana endrika miova arakaraky ny
fototeny
)
- Ny matoanteny
mpifanao
(ang.:
reciprocative verb
) Ao amin' io sokajy matoanteny io dia ahitana ny fiendrika manano ary ny fiendrika anoina izay samy manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika.
[36]
. Ny endrika mpifanao dia manana ny fiendrika manano, ny fiendrika anoina ary ny endrika voatovana solonteny.
Amin' ny tabilao eo ambany dia aseho ny
tsirinteny
araky ny endriky ny matoanteny avy amin' ny fototeny "latsaka".
Tsirinteny matoanteny* araky ny sokajiny
|
fiendrika manano
|
fiendrika anoina
ary endrika voatovana soloteny
|
Reflektiva
|
milatsaka
|
latsahana
|
Mamari-pahafahana
|
mahalatsaka
|
ahalatsahana
|
Mamari-pivoarana
|
mihalatsaka
|
ihalatsahana
|
Mampita
|
mandatsaka
|
andatsahana
|
Mifanao
|
mifandatsaka
|
ifandatsahana
|
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Zana-pizarana na fisokajiana fanampiny
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny fizarana fanindroan' ny matoanteny malagasy dia sokajy telo: endrika
mpampanao
(ang.:
causative
), endrika mampanao mpifanao (ang.:
reciprocative causative
) ary endrika mampanao mamari-pahafahana (ang.:
potentative causative
). Ny
tovona
amin' ireo matoanteny ireo dia fitambaran' ny tovona ao amin' ny endrika mampanao amin' ny tovoy na ao amin' ny endrika mpifanao na mamari-pivoarana.
Tsirintenin' ny matoanteny* mampanao
[37]
|
fiendrika manano
|
fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
|
Mampitranga
reflektiva
|
mampilatsaka
|
ampilatsahana
|
Mampitranga
mamari-pahafahana
|
mampahalatsaka
|
ampahalatsahana
|
Mampitranga
mamari-pivoarana
|
mampihalatska
|
ampihalatsahana
|
Mampitranga
mampita
|
mampandatsaka
|
ampandatsahana
|
Mampitranga
mifanao
|
mifampilatsaka
|
ifampilatsahana
|
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ireo matoanteny mampanao mpifana dia natao hamaritana ny zavatra mampanao, na, ny zavatra ataon' ny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina amin' ny alalan' ny fanovana ny tovona
m-
ho
mif-
amin' ny endrika mampanao ny matoanteny mivantana.
Tsirintenin' ny matoanteny mampanao* mifampivoho
[38]
|
fiendrika manano
|
fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
|
mampitranga mpifanao
ny matoanteny reflektiva
|
mifampilatsaka
|
ifampilatsahana
|
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mamari-pahafahana
|
mifampahalatsaka
|
ifampahalatsahana
|
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mamari-pivoarana
|
mifampihalatsaka
|
ifampihalatsahana
|
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mampita
|
mampandatsaka
|
ampandatsahana
|
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mifamoivoho
|
mifampilatsaka
|
ifampilatsahana
|
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampanao ny tao.
Tsirintenin' ny matoanteny mampanao* fahafahana
[39]
|
fiendrika manano
|
fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
|
mampitranga fahafahana
ny matoanteny reflektiva
|
mahampampilatsaka
|
ahampampilatsahana
|
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mamari-pahafahana
|
mahampampahalatsaka
|
ahampampahalatsahana
|
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mamari-pivoarana
|
mahampampihalatsaka
|
ahampampihalatsahana
|
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mampita
|
mahampampandatsaka
|
ahampampandatsahana
|
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mifanao
|
mahampampifandatsaka
|
ahampampifandatsahana
|
(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.
Ny
mpisolo
tena amin' ny teny malagasy dia maro ary miankina amin' ny fifandraisan'ilay mpiteny amin' ilay olona itenenana ny fampiasana azy.
Ny
tambinteny
dia teny ampiarahina amin' ny
mpamaritra
, ny
matoanteny
(mamaritra anarana na tsia) ary tambinteny hafa. Ao amin' ny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo: ny tambinteny mamaritra isa (fandaharana na fanisana); tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny (oh.:
ankehitriny
,
izao ihany
,
anio
, sns.), efa lasa (
sahady
,
taloha
,
rahateo
, sns.) na ho avy (oh.:
hatrizay
,
arakizao
,
rahampitso
, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana (
matetika
,
indraindray
,
rahoviana
, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa (oh.:
indray
,
indroa
,
intelo
,
isan'andro
,
isam-bolana
, sns.); ireo tambinteny mamari-toerana (oh.:
aloha
,
aoriana
,
dia
,
mandavanandro
, sns.); ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafarana (oh.:
mandrakariva
,
mandrakizay
,
tsy ... intsony
)
[40]
Mpamari-toerana malagasy
|
Akaiky
|
Lavidavitra
|
Lavitra
|
Tambinteny
|
Tsy hita
|
at?
|
ato
|
ao
|
atsy
|
any
|
aroa*
|
ar?
|
Hita
|
et?
|
eto
|
eo
|
etsy
|
eny
|
eroa
|
er?
|
Soloteny
|
Tsy hita
|
izat?*
|
izato*
|
izao
|
izatsy*
|
izany
|
izaroa*
|
izar?*
|
Hita
|
it?
|
ito
|
io
|
itsy
|
iny
|
iroa*
|
ir?
|
Hita pl.
|
ireto
|
ireo
|
iretsy
|
ireny
|
ireroa*
|
irer?*
|
Fanamarihana :
- Tsy voatery asiana
tendro
ny mpamari-toerana.
- Tsy ampaisaina matetika ny mpamari-toerana misy ny *.
Lohahevitra sasany momba ny fitsipiteny malagasy
Fiteny be mpampiasa ao Afrika
- Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny
fiteny afrikansa
,
agny
,
amharika
,
anglisy
,
arabo
,
bambara
,
baole
,
berbera
,
bete
,
diola
,
fanga
,
fola
(na
fiteny peola
),
frantsay
,
haosa
,
ioroba
,
kitoba
,
lingala
,
malagasy
,
more
,
portogey
,
soahily
,
somaly
,
soninke
,
soso
,
tigrinia
,
volofo
ary
zolo
.
- ↑
Isaina ny teny malagasy ofisialy miaraka amin'ny tenim-paritra
- ↑
Jereo ny [[fiteny antalaotra
- ↑
Lisitry ny kaody ISO 639 ho an'ny fitenim-paritra
- ↑
Blench, Roger (2009),
Remapping the Austronesian expansion
(PDF), p. 8. In Evans, Bethwyn (2009). Discovering History Through Language: Papers in Honour of Malcolm Ross. Pacific Linguistics.
- ↑
5,0
et
5,1
Otto Chr. Dahl,
Malgache et Maanjan: une comparaison linguistique
, Egede-Instituttet Avhandlinger, no. 3 (Oslo: Egede-Instituttet, 1951), p. 13.
- ↑
http://www.lexpressmada.com/5156/print-article-32163.html
[
archive
]
- ↑
"
Malagasy's family tree
" on
Ethnologue
- ↑
Blench, Roger (2007).
"New Palaeozoogeographical Evidence for the Settlement of Madagascar"
(PDF).
Azania: Archaeological Research in Africa
.
Arsiva
tamin’ ny 21 -07-2011.
- ↑
Dahl, Otto Christian (1951),
Malgache et Maanyan: Une comparaison linguistique
, Avhandlinger utgitt av Instituttet 3 (in French), Oslo: Egede Instituttet
- ↑
Adelaar, Alexander (1995). "
Asian Roots of the Malagasy: A Linguistic Perspective
".
Bijdragen tot de Taal-, Land- en Volkenkunde
. 151 (3): 325?356..
- ↑
Blench, Roger (2018),
Interdisciplinary Approaches to Stratifying the Peopling of Madagascar
(PDF) ? via
www.rogerblench.info
- ↑
Ricaut, Francois-X; Razafindrazaka, Harilanto; Cox, Murray P; Dugoujon, Jean-M; Guitard, Evelyne; Sambo, Clement; Mormina, Maru; Mirazon-Lahr, Marta; Ludes, Bertrand; Crubezy, Eric (2009).
"A new deep branch of eurasian mtDNA macrohaplogroup M reveals additional complexity regarding the settlement of Madagascar"
.
BMC Genomics
. 10 (1): 605.
- ↑
P. Y. Manguin.
Pre-modern Southeast Asian Shipping in the Indian Ocean: The Maldive Connection
. ‘New Directions in Maritime History Conference’ Fremantle. December 1993.
- ↑
Adelaar, K. Alexander; Himmelmann, Nikolaus, eds. (2005).
The Austronesian Languages of Asia and Madagascar
. Psychology Press.
- ↑
K. Alexander Adelaar, "
The Indonesian Migrations to Madagascar: Making Sense of the Multidisciplinary Evidence
" (PDF), in Truman Simanjuntak, Ingrid Harriet Eileen Pojoh and Muhammad Hisyam (eds.),
Austronesian Diaspora and the Ethnogeneses of People in Indonesian Archipelago
, (Jakarta: Indonesian Institute of Sciences, 2006), pp. 8?9.
- ↑
Dewar, Robert E.; Wright, Henry T. (1993).
"The culture history of Madagascar"
.
Journal of World Prehistory
. 7 (4): 417?466.
- ↑
Burney DA, Burney LP, Godfrey LR, Jungers WL, Goodman SM, Wright HT, Jull AJ (August 2004).
"A chronology for late prehistoric Madagascar"
.
Journal of Human Evolution
. 47 (1?2): 25?63..
- ↑
Ferrand, Gabriel (1905), "
Les migrations musulmanes et juives a Madagascar
",
Revue de l'histoire des religions
, Paris
- ↑
Serva, Maurizio; Petroni, Filippo; Volchenkov, Dima; Wichmann, Søren (2011). "
Malagasy Dialects and the Peopling of Madagascar
".
Journal of the Royal Society
, Interface. 9 (66): 54?67.
- ↑
20,0
et
20,1
"
La traduction de la Bible malgache encore revisee
".
haisoratra.org
. 3 May 2007.
Arsiva
tamin' ny 22 Jolay 2011.
- ↑
"
Antanosy in Madagascar
".
Joshua Project
.
- ↑
22,0
et
22,1
"
Madagascar
".
Ethnologue
. Notsidihina tamin' ny 17 jona 2017
- ↑
"
Bushi
".
Ethnologue
. Notsidihina tamin' ny 18 Marsa 2024.
- ↑
Hita ao amin' ny fiteny malay koa ireo indran-teny ireo, ka anisan' ny poforon' ny fiantraikan' ny fiteny sanskrity tamin' ny fiteny malagasy talohan' ny nahatongavan' ny Malagasy teto Madagasikara izany zavatra izany.
- ↑
Ferrand, Gabriel (1908). "Un vocabulaire malgache-hollandais."
Bijdragen tot de taal-, land- en volkenkunde van Nederlandsch Indie
61.673-677.
- ↑
Ferrand, Gabriel (1905), "Les migrations musulmanes et juives a Madagascar",
Revue de l'histoire des religions
, Paris
- ↑
Flacourt, Etienne de (1657).
Le Petit Catechisme madecasse-francais
.Paris; (1661).
Histoire de la grande isle Madagascar
.Paris, pp.197?202.
- ↑
Flacourt, Etienne de (1658).
Dictionnaire de la langue de Madagascar
. Paris.
- ↑
Berthier, H.J. (1934).
De l'usage de l'arabico=malgache en Imerina au debut du XIXe siecle: Le cahier d'ecriture de Radama Ier
. Tananarive.
- ↑
Ethan Zuckerman, 2013 :
Rewire: Digital Cosmopolitans in the Age of Connection
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 106
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 106
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 106-107
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 109-110
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 116
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 117
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 119
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 119-120
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan'i David Griffith, p. 121
- ↑
A Grammar of the Malagasy language
nosoratan' i David Griffith, p. 190
|